IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)
Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.
→ Cliquez ici pour la traduction malagasy
#5. DINGAN’NY FIVAONANA AMIN’NY RAFITRA SOSIALY
Fanarahana ny rafitra sosialy : io fanarahana ny rafitra sosialy io dia « dingana izay lalovan’ny zaza iray handraisany ny zava-misy eo amin’ny fiainana manodidina azy ( sata, ny kolon-tsaina, ny fomba amam-panao sy ny fitondran-tena) ka mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny fiainana ara-tsosialy » eo anivon’ny fianakaviany na ny fireneny.
Fivaonana amin’ny rafitra sosialy : eny amin’ny lalana dia zavatra mifanohitra no mitranga, ireo tondrolalana sy ireo fomba amam-panao fototra dia very tsikelikely, rafitra hafa no manolo izany.
Ireo fiovana ireo dia mifandray amin’ny fomba entina mivelona napetrak’ireo ankizy tonga eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3). Ireo izay miaina eny amin’ny lalana dia tsy maintsy miatrika izany avokoa. Na izany aza dia samy hafa io dingana io eo amin’ny tsirairay, na voamarika kokoa, na haingana kokoa.
Ny hafainganan’io dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialyio dia miankina amin’ny :
- Mombamomba ilay olona amin’izy vao tonga eny amin’ny lalana, izany hoe hatraiza ny fiantraikan’nyzavatra niainany teo aloha.
- Ny fotoana niainana teny amin’ny lalana : arakaraky ny halavan’ny fotoana hijanonana eny amin’ny lalana no manamafy io dingana io ary miha-tsy azoialana.
- Ny toetran’ny tsirairay
Portrait/ Faranah, ilay ao ambadikin’ny fakan-tsary
Ny volana jona 2018 i Faranah no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe, maso vaon’ny fikambanana. Tsy misaraka amin’ny fankan-tsary ny tovolahy satria iny no angady entiny miasa. Izy no mandrakitra ho sary ireo hetsika sy atrikasa maro ataon’ny fikambanana.
Noely teny anivon’ny tontolo, tany amin’ny toeram-pambolen-kazo ho an’ny ankizy tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika !
Ary raha somary hitondra kely anao hiverina any amin’ny 2018 fotsiny amin’ity lahatsoratra ity? Tamin’ny 20 desambra, vory lanina nifety ny noely niaraka ny ankizy rehetra ao amin’ny trano fandraisana vonjimaika sy ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe manontolo ! andro tsara aoka izany teny anivon’ny tontolo, tsiahy fohy mahakasika iny tontolo andro nahafinaritra iny.
Ara-dalana #3 : mozika sy dihy, ankizin’ny CHT
Araka ny efa nampanantenana dia tamin’ny 15 desambra 2018 lasa teo no natao ny fampisehoana « Ara-Dalana » andiany faha-3 notontosain’ny ankizy ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika.
Portrait Elysé
Taona ray taorian’io dia nahazo ny mari-pahaizana momba ny fitantanana aho. Mahakasika indrindra ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa sy ny fandaminana ny « visa de courtoisie » an’ireo mpilatsaka antsirapo sy ireo mpanao « services civiques » ny asako (…)
Tatitra ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny tambazotra OSCAPE !
Faran’ny septambra teo no nanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny vondrona OSCAPE eto Antsirabe. Nandritry ny telo andro no nadraisana ireo ankizi’ny fikambanana mpikambana ao amin’ny vondrona ary anisan’izany ny...
Portrait Arsène
Ra tsikiky lava no ahafantarana an’i Arsène. Iray amin’ireo mpanabe ao amin’ny Fandaharanasa momba ny Fiarovana ny Ankizy Miaina eny amin’ny Lalana (PPER) izy hatramin’ny taona 2017.
Asa ifanomezan-tanana 2018 : Mpiofana injeniera frantsay manohana ny asa fanitarana ny CHT
Ho an’ity faha folotaonan’ny nametrahana ny asa fanorenana ifanomezan-tanana ity dia injeniera frantsay fito no niara-nisalahy nandritra ny telo volana (…)
LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0
Tonga teto ny volana febroary 2018 i Laura, nanapa-kevitra ny hampiasa ny traikefa azony momba ny serasera izy mba entiny hanampiany ny fikambanana Grandir à Antsirabe mandritra ny taona iray (…)
Asa fanorenana ifanomezan-tanana : Fanitarana ny trano fandraisana
Ary raha ankalazaintsika ny faha folotaonan’ny asa fanorenana ifanomezan-tanana izay tetik’asa voizin’ny fikambanana Grandir à Antsirabe ?
Andiany faharoa amin’ny « forum des associations » karakarain’ny OSCAPE
Roa andro ho an’ny fanentanana sy fifampizarana Ny 28 sy ny 29 jona lasa teo no nanatanterahana ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika « forum des associations » karakarain’ny tambazotra OSCAPE. Roa andro nanomezana tombony ho an’ny fifanakalozana sy fifampizarana ary...