Tojo, tanoran’ny « internat » teo aloha, mpahandro miroso makany amin’ny maha matihanina

Tojo, tanoran’ny « internat »* teo aloha, mpahandro miroso makany amin’ny maha matihanina

Tojononiaina, na « Tojo » no anarany. Tanora noraisina tao amin’ny kilasimandry na ny « internat » * Grandir à Antsirabe taloha izy. Eto dia mifampizara amintsika ny tantarany izy amin’ity resadresaka ity.

*Ny kilasy mandry na ny « internat » dia nandray an-tanana ireo zanak’olona tena sahirana izay tetikasa nataon’ny Grandir à Antsirabe teo aloha. Nifarana tamin’ny taona 2016 io tetikasa io ka nisolo ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-dalambe (PPER). Manao fanaraha-maso ny fiainan’ireo tanora ireo hatrany ny fikambanana.

Tovolahy avy amina fianakaviana sahirana i Tojo. Ny reniny no nitaiza azy. Vao tamin’ny faha 13 taonany dia efa niditra tamin’ny sehatry ny asa sahady ny tovolahy kely. Tsy karamana vola fa karama vary masaka. Nanampy tamin’ireo asa aman-draharaha tamina tokatrano iray.

Tamin’ny 2008, nandondom-baravarana tao amin’ny Grandir à Antsirabe ny reniny. Nanankina azy ireo ny fandraisana an-tanana ny zanany

Lazao anay ary Tojo hoe inona ny fiovana nisy teo amin’ny fiainanao regefa tonga tao amin’ny Grandir à Antsirabe ianao ?

Niova tanteraka ny fiainako. Afaka nianatra ampilaminana ahy. Nilalao toy ny ankizy rehatra. Nahazo namana mitovy amiko. Tsy nanirery aho fa notiavina. Anisan’ny nanamarika ahy tamin’izany ihany koa ny fifaneraserana tamin’ireo vazaha maro be.

Niaina toy ny fianakaviana izahay tao amin’ny « internat » : mandray anjara amin’ny raharaha madinika toy ny mahandro sy manadio trano sy ny fandaminana. Nanokatra ny lalana ho amin’ny ho aviko sy namolavola ahy ny fiainako tao amin’ny Grandir à Antsirabe.

Mpahandro ao amin’ny hôtel « Couleur Café » ianao amin’izao, mba zarao aminay hoe ny lalanao  nahatonga anao tamin’izany ?

Rehefa nahavita fianarana aho dia nanao andran’asa (stage) momba ny mécanique-auto. Tsy tody hatramin’ny farany tamin’io anefa aho noho ny aretina lamosina sy lohalika izay efa nitaiza ahy. Tsy maintsy nitady asa hafa aho hianarako ahafahako miatrika ny ho aviko. Tadidiko tsara fa tamin’izaho mbola tany amin’ny « internat » dia toerana anisany tena tiako ny ao an-dakozia. Satria nahoana hoy ianao ? tiako ny mahandro ! Noho izany rehefa nijanona tamin’ilay andran’asa momba ny « mécanique-auto » aho dia tapa-kevitra ny hanao ny zavatra tiako, mahandro, ho asako.

Dia nandeha ny fikarohana. Farany noraisin’ny hotely « Couleur Café » hanao andran’asa tao aho. Dia nianatra sy nanaraka ny toromarika rehetra. Tapitra ny 9 volana, fotoana tsy ninkelezan’aina fa nikirizana tokoa dia voaray hiasa tao aho, vaovao tsara aoka izany ! Tena faly aho satria tiako ny asako. Fanampin’izany dia afaka manapy ara-bola ny reniko sy ireo irai-tampo amiko aho.

Rehefa afaka nisidina irery amin’izay aho dia nandao ny « internat » Grandir à Antsirabe ny oktobra 2015. Alahelo tokoa no nisarahana tamin’izany. Nahoana tokoa moa no tsy alahelo nisaraka tamin’ireo namana izay noraisina toy ny irai-tampo sy ireo mpanabe izay nitaiza sy nanampy? Tsy maintsy nisy ny ranomaso.

Hary elatra ka lasa nisidina, arabaina ! Manao ahoana kosa ary ny mahakasika ny asan’i Tojo e ?

Tsy manana toerana raikitra ao an-dakozia. Indraindray mahandro, indraindray, manao mofo : azo lazaina hoe « polyvalent » aho. Ankoatra ny asako ao dia manao « traiteur » amin’ireo fety na hetsika mila izany aho. Tena ahafahako mianatra zavatra maro ny asako.

Efa 4 taona ianao izay no tao amin’ny « Couleur Café » ! manana vina hafa ve any ho any ?

Mazava ho azy ! te hifototra bebe kokoa amina asa tena aho, mahandro ihany, fa ho hita eo hoe hanao ahoana.

Misy hafatra ary ve tiana hampita amin’ny ankizy e ?

Ie, tena mila miasa mafy sy mila fikirizana satria tsy mora ny fiainana, mila ezaka be izany. Mahereza dia aza adino ny mivavaka !

Misaotra indrindra Tojo tamin’izay fifampizarana nataonao izay ! Mirary soa sy fahombiazana amin’ny ketriketrika ho atao !


 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Noelin’ny Ankizin’ny lalana ao amin’ny CHT
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Tojo, tanoran’ny « internat » teo aloha, mpahandro miroso makany amin’ny maha matihanina