Ny fanomanana ny maraude

Sary : Ny sekoly EPP Ivory talohan’ny fanamboarana sy rehefa vita

Isaky ny alatsinainy alina dia mandeha manatona ireo ankizy matory eny amin’ny lalana ireo ekipa mpilatsaka an-dalambe amin’ny alina. Andao hamantatra ireo fanomanana ataon’izy ireo mandritra iny alina iny.

EKIPA MIRINDRA

Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana.

Mialohan’ny rehetra dia efa manomana hetsika hatao amin’ireo ankizy mandritry ny maraude ireo mpanabe. Lalao maro no aroso amin’izany, toy ny « Raha ianao izao no… ? ».

Misy ihany koa ny fifampiresahana atao in-dray isam-bolana ary fanentanana in-droa isam-bolana. Arakaraky ny isan’ny ankizy, ny fihainoan’izy ireo, ny isan’ny fitsaboana madinidinika atao amin’izy ireo no isafidianan’ireo mpanabe ny zavatra atao.

HAFANAO NY VILANY !!

Tamin’iny alina iny tao an-dakozia dia i Toky ny lohandohan’ny mpisorona. Henan-kisoa sy anana no laoka, nasiana angivy kely, miaraka ain’ny ro matsatso sy lasary voatabia.

Ekipa ao an-dakozia

manomana farilac

roa hafa manomana ny farilac. Ity sakafo izay tena ankafizin’ny ankizy dia ahitana varim-bazaha misy ronono afangaro rano mafana, asiana siramamy kely ary atao marihitra tsara. Malaza eto an-toerana io fanampin-tsakafo io amin’ny fitomboan’ny zaza. Atao anaty tavoahangy avy eo ny farilac sy ny dité. Manjaka tokoa ny firahalahiana ao an-dakozia. Mihirahira, mandihy miaraka amin’ny ngadona. Hita soritra eny amin’ny endrik’ireo akipa ny fahavitrihana

 

 

LASA ARY … !

Vita ny fikarakarana, miara-misakafo ny ekipa. Vonona ny handeha ny ekipa rehefa avy nisakafo ka voky tsara iny.

Tamin’io alatsinainy io dia nahitana mpanabe 3, olona roa niofana manokana tamin’ny fanabeazana ara-pananahana antsoina hoe « Pairs éducateurs » ary mpilatsaka an-tsitra-po iray manara-maso. Mba tsy hanelingelenana ny asan’ireo mpanabe ary mba tsy hanakorontanana ireo ankizy dia noferana ho roa ihany ny olona avy ivelany mahazo mandeha maraude. Ireo mpitsidika vaovao dia manao sonia ny fitsipika tsotsotra tsy maintsy arahina (tsy mahazo maka sary, tsy mahazo mizara vola na sakafo, tsy mihinan-kanina na misotro na mifoka, tsy mahazo mamoaka ny mombamoban’ireo ankizy…) ary afaka maka fotoana manokana mialoha miaraka amin’ireo mpanabe raha misy fanontaniana.

fiaraha-misakafo

Teny an-dalana dia naka olona telo hafa ny ekipa, ny roa amin’izy ireo dia mpitsabo avy ao amin’ny toera-pitsaboan’ny Aromathérapie Sans Frontière. Tena ilaina ny fanampian’izy ireo amin’ny fitsaboana ireo ankizy marary amin’ny alalan’ny fitsaboana voajanahary (raha azo atoa izany)

Feno ny ekipa, mampiditra fanamiana miloko volom-boasary, afaka manomboka ny maraude. Ho lava ny alina miandry azy ireo eny amin’ny lalan’Antsirabe…

mandritry ny maraude

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Ny fanomanana ny maraude