Maraude : andao ho resahantsika

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana, ireo ankizin’ny lalana. Mampisitraka ireo ankizy ireo fandraisana an-tanana maro ny EMA : fitsaboana, fanabeazana, ary fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Tafatafa niarahana tamin’ireo ekipa :

Felana

Felana

Mpiandraikitra ny "Equipe Mobile d'Aide"

“ Miezaka hatrany izahay ekipa EMA mampahafantatra ireo ankizy matory eny an-dalana fa tsy irery izy ireo. Amin’io fotoanan’ny « maraude » io tokoa mantsy no ahafanay miresaka sy mitafa amin’izy ireo. Zava-dehibe na ho azy ireo na ho an’ny ekipa ny fihaonana mivantana mandritra ny « maraude ».

Mikendry tanjona TELO MAZAVA TSARA ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina – EMA. Iray amin’izany ny Famolavolana fifandraisana amin’ireo ankizy.

Zava-dehibe tokoa ny fifandraisana voalohany : manatona ny ankizy moramora ny ekipa, tsy manaitra azy ary manaja ny toerana misy azy. Ilaina fikolokoloina sy fitandrovana ity fifandraisana voalohany ity. Tsy mora anefa ny mametraka an’izany amin’ny voalohany. Amin’ny maha ankizy miaina eny an-dalana azy ireo mantsy dia efa maro ny fivaonana amin’ny rafitry ny fiaraha-monina teraka ao amin’izy ireo.

Hetsika sy lalao ara-panabeazana isankarazany no hanorenana izany tsikelikely.

Isaky ny filatsahana amin’ny alina eny an-dalana, ny mpanabe dia manomana hetsika fialam-boly sy fanabeazana ho an’ireo ankizy ireo. Mazava ho azy fa kilalao mifanaraka amin’ny tontolo misy azy (ny lalana) sy ny fotoana (amin’ny alina). Ohatra amin’izany ireo ankamantatra sy ireo kilalao isankarazany efa nomanina mialoha. Fotoana mamy hiainana indray ny maha ankizy azy.

Mamy

Mamy

Mpanabe ao antin'ny "Equipe Mobile d'Aide"

“ Mahatsapa  fifaliana aho rehefa mampilalao  ireo ankizy. Mahatsapa firaisankina ihany koa eo amin’ny ekipa izay mampihetsi-po hatrany. Ahatsapako fafinaretana lalina any anatiko any ny miaraka milalao amin’ireo ankizy ireo. Mampilamina ny saiko ihany koa ny mahita azy ireo liana amin’ireo lalao atao. Tony aho ao anatiko ao.”

Fifandraisana araham-pitokisana

Napetraka ho tanjona voalohany ny “mamolavola fifandraisana” fa ao amin’ny tanjona faharoa kosa dia kendrena ny hamadihana izany fifandraisana izany ho lasa “fitokisana”. Ao anaty fotoana maharitra sy amin’ny alalan’ny fihaonana isaky ny herinandro, “maraude” dia miova ho fifandraisana araham-pitokisana ilay fihaonana mahazatra. Tanjon’ny ekipa eto ny ho tonga olona azon’ireo ankizy hanatonana, hiresahany sy hifampizarany.

Amin’ny alalan’ny Fifampiresahana manokana moa no anisan’ny hamoronana izany  fitokisana izany.

Ilaina fanaraha-maso manokana sy miverimberina ny ankizy tsirairay hita eny amin’ny lalana. Kendrena manokana amin’io fifampiresahana manokana io ny hanehoan’ ilay ankizy ny heviny. Mandritra izany no ahafantarana ihany koa ny tena zava-misy iainany sy ny antony nahatonga azy teny. Ireny angon-kevitra azo ireny koa no hamaritana ny fanarahana sy fandraisana an-tanana tokony atao amin’ilay ankizy. Hananamafisana tsikelikely ao anatin’izany mazava ho azy ny fifandraisana eo amin’ilay ankizy sy ny mpanabe azy. Mila matoky izy vao mizara ny marina aminao.

Njara

Njara

Mpanabe ao antin'ny "Equipe Mobile d'Aide"

“Nahatsapa alahelo kely  aho vao  nahita ireo ankizy matory eny an-dalana. Tsy tiako ho hitan’izy ireo eny amin’ny endriko anefa izany. Mizara zavatra maro mihintsy ny ankizy rehefa manomboka zatra anao. Raha tinao hoe hizara sy hiresaka aminao foana izy, dia mila mitazona izany ho toy ny tsiambaratelo ianao. Tiako sy mandona ahy hatrany ny mampiresaka azy ireo. Ie tena mila mampiresaka sy somary misikotra amin’ny fomba ankolaka ianao rehefa miresaka aminy.”

Rehefa eo ny fitokisana dia moramora kokoa ny mamantatra ny filan’ny tsirairay ary manome ny fanarahana mifanaraka amin’ny tsirairay. Izany indrindra no tanjona fahatelo farany : ♦hanome fanarahana sy fandraisana an-tanana mifanaraka amin’ny tsirairay

Ireo fandraisana an-tanana atao mandritra ny “maraude”

Fandraisana an-tanana ara-pahasalamana

 ♦ Eo amin’ny fikarakarana ara-pahasalamana dia misy tanjona kendrena :

º Fitsaboana ireo aretina azo sitranina eny amin’ny lalana (lagaly, fery sy ratra, …).

º Fitarihana na fanorona  izay marary mila fitsabona manokana any amin’ireo tobim-pahasalamana (dentiste, CSB II,…) .

º Fanohanana azy ara-tsaina : ny fikarakarana ny ankizy ara-batana dia fitaovana iray manampy azy hiverina hitia sy hatoky ny tenany sady mampianatra azy hikolokolo ny vatany.

º Fikarakarana natao varavarana misokatra ho amin’ny fifampiresahana : ahafahan’ny ankizy miresaka sy mizara amin’ny fomba malalaka, tsy ao anatin’ny fanadihadiana manokana. Sady mahazo fikarakarana izy eto no misy mihaino ihany koa. Atao tsapany hoe eo ianao hihaino azy.

Ursula

Ursula

Mpitsabo mpanampy ao anatin'ny"Equipe Mobile d'Aide"

“ Tamin’ny voalohany dia tena nanafina ny aretiny ny ankizy. Niparitaka be anefa ny lagaly tamin’izay ary maro tamin’izy ireo no voa. Rehefa nosokirina ela teo dia farany sahy nanatona ihany ny iray tamin’izy ireo. Tena nanamafy ny fifandraisako tamin’ireo ankizy ireo ny fitsabona io aretina io tamin’izany. Ianao manasa ny vatany sy mandray azy toy ny ankizy rehetra iny mantsy dia mamaha izay hidy efa apetrany any ampony any, any antsainy any : lasa matoky anao izy.”

Resadresaka sy fanentanana

Indray isambolana kosa dia manao resadresaka sy fanentanana mahakasika ny fananahana na ny fahadiovana, na ny herisetra ny mpanabe. Fanabezana anaty resadresaka. Fanentanana sy fampafafantarana amin’izy ireo ihany koa ny fomba atao hiarovana ny vatana amin’ireny endrika olana mpahazo ny ankizy eny an-dalana ireny : voka tsy irina, aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, fahadiovana,…

Nandrianina

Nandrianina

Tompon'andraikitra ny fanentanana

Rehefa  mampianatra sy miresadresaka miaraka amin’ireo ankizy aho dia  tena liana amin’ny zavatra resahako izy ireo. Zava-baovao be amin’izy ireo ilay izy indrindra ny mahakasika ny fananahana. Mihezaka mampifanaraka ny fitaovana ampiasana sy tsy mampiasa teny sarotra mba ho mora ho azy ireo ny manakatra ny zavatra resahina. Farany, hita ho tena tsy ampy fahalalana tokoa izy ireo kanefa marefo tokoa amin’ireo endrika olana maro iainany eny amin’ny lalana.”

Fitarihana ho any amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika azy ireo – CHT.

Rehefa voahadihady tsara ny mahakasika ny ankizy iray ary fantatra fa tena ankizin’ny lalana tokoa izy, izany hoe misy fahatapahana amin’ny ampahany na tapaka tanteraka ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny dia asaina izy ireo iantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika (CHT). Fantarina amin’izany koa moa mazava ho azy hoe 8 hatramin’ny 16 taona ve izy, anisan’ny sivana handraisana ireo ankizy ao amin’ny CHT moa io fetra-taona io.  Ao izy ireo no misitraka ireo zo fototra rehetra maha olona azy.

Arsène

Arsène

Tompon'andraikitra ao amin'ny Trano Fandraisana Vonjimaika - CHT

“Hafaliana ho anay foana ny mandray ankizy vaovao avy any amin’ny “maraude”. Mitaky ezaka anefa izany na ho an’ilay ankizy vao tonga no ho anay mpanabe. Satria tsy mora ny manazatra azy ny fiainana ao amin’ny CHT. Mila fanazarana tokoa satria ankizy zatra niaina tsy nisy fitsipika sy voafehifehy teny amin’ny lalana izy ireo. Ato amin’ny CHT anefa dia maniditra tsikelikely ao amin’izy ireo ny fiainana anaty fiaraha-monina. Manana fanantenana aho fa ho tafitako hatrany ny teny soa izay tokony homeko ireo ankizy ireo satria ny faneken’izy ireo ho tonga ato dia tena manan-danja be sady efa dingana lehibe.

Nanaona ary ny fihetse-po tsapan’ireo nanatrika maraude voalohany?

“Feno hafaliana tokoa ny maraude voalohany natrehako. Vao nahita ny fiaran’ny ekipa tamy ny ankizy dia roso niazakazaka nanatona. Efa tratra ilay tanjona hoe: fifandraisana araham-pitokisana. Tena miasa amin’ny fo tokoa ny ekipa: ampitiavana, ampitsikina, ampaharetana. Mbola maro anefa ny ezaka mila atao hanesorana ireo ankizy ireo tanteraka teny satria tanindonin-doza isan’andro, isan’alina ny fiainan’izy ireo, ny ho aviny.”

Pamella

“ Nahatsapa finamanana avy hatrany aho vao nahita ireo ankizin’ny lalàna nivondrona ho iray. Ny fiainana tsy misy fitiavana dia zava-paona ary ny fitiavana be zaran’ny ekipa mpanao “maraude” amin’ireo ankizy ireo dia tena ngôza be sy tsy ho voavidy vola na oviana na oviana. Mampientana hatrany …”

Marcelline

“Voalohany teo amin’ny fiainako no nahitako ireo tena ankizin’ny lalàna. Nisy fanotaniana avy hatrany tao andohako hoe fa maninona ireto ankizy ireto no ety ? Aiza ny Ray Aman-dreniny? Nandritran’ny maraude anefa dia voavaly tsikelikely ny fanontaniako. Nanana fihatrana sy fo nangoraka avy hatrany aho. Vao maika niboiboika tato anatiko ny fitiavana te-hanolo-tanana azy ireo. Nampatsiahy ahy ny fahazazako tokoa ny fandehana “maraude” voalohany”.

Marinah

Lire aussi :   Ny fanomanana ny maraude

“Maraude” : andao ho resahantsika !