Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

 

 

 

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

Salama Tsitoha! Talohan’ny nanekenao ny andraikitra maha tale, raha tsy diso aho, efa tato amin’ny fikambanana ihany ianao…

Marina izany, ny niatombohako tato amin’ny Grandir à Antsirabe aloha dia nanampy an’ny tale taloha tamin’ny andraikiny (assistant). Avy eo, lasa Responsable Administratif et Financier tato amin’ny fikambanana aho. Ny fianarana nataoko momba ny lalana sy ny “comptabilité” no nahafahako nihazona ireny toerana manan-danja ireny.

Amin’izao fotoana kosa, inona no andraikitrao?

Ny tena votoatin’ny andraikitro dia ny mampifandray ny fandaharansa telo imasohan’ny fikambanana dia ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-dalana (PPER), ny fampandrosoana ifotony ary ny tetik’asa fampidiram-bola. Amin’ny andavanandro, manampy sy miantsoroka an’ireo tompon’andraikitra tsirairay avy mbamin’ny mpanabe aho. Miantoka indrindra ihany koa ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola mba ahafahana manatontosa amin’ny antsakany sy andavany tetikasa rehetra.

Ianao izao no solo-tena voalohany ny fikambanana. Inona no antony nisafidiananao izany?

Ny fiarovana ny ankizy miaina eny an-dalana dia asa iray maika dia maika. Laharampahamehana indrindra ny fandraisana an-tanana ireo ankizy ireo mba ho afaka hivelatra sy handroso, ary hanana ho avy tsaratsara kokoa. Tokony ho hyahenantsika tsikelikely ny tsy fitoviana, ireo taranaka ireo mantsy no iankinan’ny ho avy. Anjarantsika ny mamolavola izany amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo.

Manana fahatsiarovana maro ianao tato amin’ny Grandir à Antsirabe: inona amin’ireny no tianao indrindra?

Nahazo fanampiana avy amin’ny masoivoho frantsay isika tamin’ny famatsiana sy fampandrosoana ny PPER, mandritry ny 2 taona ny faharetan’izany ary tanjona mazava no nila notratrarina. Tao anatin’ny fanatanterahana azy, faly aho na dia somary sahirana ihany aza mahita ny fivoarany hita niandalana. Nahay nanatontosa fanamby maro isika

Inona ny nofinofinao ho an’ny ho an’ny fikambanana rahatrizay?

Faniriako ny mba hitohizan’ny asantsika hatrany sy ny mba hahatonga ny fikambanana hahaleo tena tanteraka. Mba tsy ho voatery hangataka amin’ny mpamatsy vola hatrany isika vao ho afaka hampandroso ny tetikasa. Mba tsy ho sakana intsony ny fikarohana famatsiam-bola eo amin’ny fanatanterahana ny asantsika.

Portrait chinois : raha mba ianao no…

Zava-maniry ?

Andramena izay zava-tsarobidy tokoa, maharitra amin’ny fotoana rehetra ary fanta-daza amin’ny singa fampiasa amin’ny fitsaboana.

Biby ?

Misalasala aho … sady tantely no vorona; manan-danja eo amin’ny fitohizan-taranaky eo amin’ny zava-maniry io biby kely io no sady mamokarana ny tantely mamy ankafizintsika. Vorona , noho izy tsy miasa saina izay hiomana akory alohan’ny hanidinany ho any amin’ny toerana iray.

Hero?

Docteur Strange izay hero amin’ny Marvel: ny fahaizany mamerina indray ny fotoana dia ahafahany manarina ny tsy nety sy mandamina ny zava-drehetra.

Sakafo?

Tsy hisalasalana fa avy dia saosisy saosy: sakafo voalohany haiko nokarakaraina. (hehy)

Toetra tsara sy kilema?

Olona tsotra aho nefa tsy dia tia misehoseho. Tsy dia mahazatra ahy loatra ny miseho vahoaka.

Ny filamatrao, amin’izao?

Manana anankiroa aho ato an-dohako ato nefa tsy afaka ny hisafidy amin’izy roa ireo! Ny voalohany: «  le jeu, c’est le travail de l’enfant, c’est son métier, c’est sa vie… » Pauline Kergormard. Tsamako amin’ny fivelarana sy ny fitaran-tsain’ny zanako vavy ny maha-sarobidy ny lalao. Ny ankizy rehetra dia tokony hanana fahafahana hilalao, hanonofy sy hamorona tantara, ary hanana fotoana hanararaotany ny fahazazany. Ny faharoa dia ny hoe: «  on peut tromper une partie du peuple tout le temps et tout le peuple du temps ; mais on ne peut pas tromper tout le peuple tout le temps », Abraham Lincoln.  Te hiteny an’ireo mpitondra ara-politika maneran-tany sy indrindra ireo eto Afrika aho eto.

Teny farany ary e?

Afa-po amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa tarihan’ny Grandir à Antsirabe aho, sady mitondra ny fanatsarana kely avy amiko manokana. Manantena aho fa hitohy hatrany ny hetsika ataontsika amin’ireo ankizy; ary mba ho tonga fikambanana mpitarika any amin’ny endrika hafa anie ny fikambanantsika.

Misaotra anao Tsitoha tamin’ny fanoloran-tenanao teto amin’ny fikambanana; ho ela  velona anie ny tetikasany!

Lire aussi :   Portrait/ Felana, vehivavy mahefa
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy.

MG

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe