Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 : Seho ho an’ny ankizy tamin’ny volana jolay lasa teo enao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia  02 oktobra tolak’andro  lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique” no nanaovana izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho ho an’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT  sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany. Maro ny namaly ny antso tonga nankafy ireo karazana doboka aponga sy mozika mafana, niampy ireo dihy sy ireo hira gasigasy mamy tsara nokalon’ny tarika TRIOLET.

Fanomanana ny fety : Tonga dia asa fa tsy kabary!

Vao nipaika ny tamin’ny 9 ora sy sasany dia raikitra ny fanadiovana, ny sasany nanadio ny efitratrano, ny sasany nanaingo. Samy nampiseho ny talentany daholo ny mpikarakara. Napangalana toerana tsara ireo “peluche” napetaka ireo “arendrina maro loko”, tsy nadinoina ihany koa ny nametaka ny “banderole” sy ny “roll-up” ahafatarana ny fikambanana. Niara-nisalahy na vavy na lahy. Ny fibatabatana ireo zava-maneno niantsona ireo be sandry. Nalahatra ny seza handraisana ny mpijery, nalamina ny latabatra hasina ireo ody ambava-fo. Serintseriny ny rehetra fa hilanonana. Tsy nijanona raha tsy nanondro tamin’ny 12 ora ny famataran’andro.

Tamin’ny 1ora sy sasany teo : injeny fa nanomboka tongatonga ny olona. Avy hatrany dia feno ny trano nidiran’ireo ankizy raisina ao amin’ny CHT: 30 mianadahy. Nafinaritra tokoa ny nahita azy rehetra nanao akanjo vaovao sy kiraro vaovao. Madio ery sady miedinedina eran’ny trano! Nozaraina satroka vita amin’ny hazon-drano fehezina“wax”, ilay nanaovany tamin’ny seho ho an’ny ankizy ny volana jolay lasa teo ihany. Vonona ny mpanakanto kely, ny mpijery sisa no handrasana.

Tonga avokoa ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe. Tena hoy izahay hoe: seho ho an’ny rehetra ity niany e! Tsy tara taorian’izay ihany koa dia indreny fa nandroso ny mpijery : tanora maro be dia nisy ankizin’ny fikambanana mpiara-miasa ihany koa. Tsy nisy seza hipetrahana intsony, nasiana akitsanagana fa tsa manahy!

Ny fikambanana “Tanora Garan’Teen Vakinankaratra” no nasaina hanentana ny seho rehetra. Tena faran’izay nafana ny sehatra nanaovan’izany tanora izany azy. Orakoraka sy hehy no nanakoako tao anaty efitrano. Tena nafana hoy izahay e! Manan-talenta sy tsy lany bala mihintsy ireto tovolahy ireto.

Ny fizotry ny Fety!

Ireo mpanakanto kely no nanokatra ny sehatra. Raha toa ka nanatrika ny seho andiny faha-4 ianao ny volana jolay lasa teo dia tsy vahiny intsony amin’ny talentan’ireto katita lahikelin’ny CHT ireto.  

Nifandimby niakatra teny avokoa ireo ankizy ao amin’ny CHT. Nilalao tantara andapihazo ihany koa ny Tanora Garen’Teen Vakinankaratra. Namondrona ny rehetra niaraka nandihy ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe. Nandray anjara ihany koa I Noro sy Marion ary Tiavina. Namarana tamin’ny fomba tena aoka fotsiny ny tarika TRIOLET (Ibabely, Tiavina, Jaja)!

Antsika ny sehatra ary eh!

Nahonjon’ny tovolahikelin’ny CHT ny sehatra nanokafana ny fety. 5 lahy izy ireo no nanomboka azy : nampandihy ny tanana (toa kely ihany nefa mahadoboka feo be izay tsy izy) nideboka izato djembé. Nanome baiko i Babely sy Jaja : vonono ve? Raikitra ny dom-dom-taaa 😊 : indray niredona ny nidoboka aponga izy rehetra.

Tena nifantoka tanteraka tamin’ny natao ireto ankizy : tsy nisy hoe menatra intsony fa tonga de ndao. Nirindra tokoa anie izany mozika izany e! Finaritra ny sofina no sady valalanina ny maso nijery azy ireo tafiditra tanteraka any anatin’ilay mozika. Nanakoako hatrany ivelany mihintsy ny orakoraka rehefa vita ilay voalohany. Vita tsara mihitsy voa nidina moramora. Avy hatrany dia niditra indray ny mpanetana nanelanelana ireo seho tsirairay.

Nisesy ny fampisehoana nataon’ireo ankizy. Nandalo naneho ny talentany teny antsehatra avokoa hatramin’ny madinika indrindra. Nisesy toraka izany koa ny tehaka!

Avereno kely indray mandeha hoy ny orakorakin’ny mpijery! Faly ery ny mpanatrika ary finaritra ireto ankizy. Ny mahita ireny hafaliana be tsy omby tratra eny amin’ny tavan’izy ireo ireny no fanomezana tsara indrindra ho an’ny mpanabe rehetra.

Dia tena nampahitan’ny mpanentana karazana tehaka tokoa aloha ny olona nanatrika e! Fomba mihaja mahafatifaty ery no namaranan’ireo ankizy ny anjarana : mifandray ny tanana, esorina ny satroka, avy eo miondrika tsara misaotra ny mpijery.

Nankafy sady babo izahay. Mety tsy hino enao raha ilazanay hoe: toran’ny hatsebohana na ny teny ambony sehatra na ny teny ambany (mety oe tsy torona fa entina ilazana hoe tena nafana). Tena hafa iny seho indray mitoraka iny nitsanga-mitoetra mandrapaha-tapitry ny fety: tsy tafa-tombina intsony (milay be: izay no tianay ambara).

Fotoana mamy feno : Dihy,Tantara an-tsehatra, Mozika

Tsy nanentana ihany ny “Tanora Garan’Teen Vakinankaratra”, fa sady nitondra tantara an-tsehatra ihany koa. Tantara an-tsehatra maneho ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana: ny andavan’androm-piainan’izy ireo. Nampita hafatra maro: na ho an’ny mpijery na ho an’ny ankizy. Nipetrapetraka tsara avokoa na ny fiakanjon’ireo mpilalao na ny haingo teny an-tsehatra na ny filalaon’izy ireo. Afapo fa tafita ny hafatra.

Avy eo dia nitohy indray ny mozika. Iza ary izany mpankanto hafa izany indray ô? I zoky Noro, Marion ary Tiavina anefa! Gagagaga kely aloha ny rehetra nijery ireto vehivavy telo naka toerana teo ambony sehatra. Niato kely nanao fijery nifono hafatra dia avy eo: feon’aponga maredona no tonga tany ampototsofinay. Tsy nampoizana fa hay manan-talenta be toy izao izy ireto. Fifantohana re izao e! Fitongilan-tsofina re izao e! Mozika re zao! Toraka voninkazo be dia be no atolotra azy ireo.

Tsinjaka be tsisy ohatran’ ity!

Amin’ny maha seho ho an’ny rehetra azy ity dia nandray anjara ihany koa ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ireo mpilatsaka an-tsitrampon’ny fikambanana. Niaraka  nanao dihy mirindra tamin’ilay hira “Grandir à Antsirabe”. Zoky Toky no nitarika ny dihy ka nanaraka ny tao aoriana rehetra. Naverina indroa ny dihy fa mbola tsy afapo! Nitsangana nandihy avokoa ny rehetra tao anaty efitrano.

Vita indray ny dihy, niroso ny hira : niantsehatra ny tarika TRIOLET. Nentin’izy ireo nilamina aloha tamin’ny voalohany: doladola milamina teny ampitoerana sy teny ampitsanganana no nanarahana azy. Avy eo notohizany tamin’ny mozika mafana amin’izay : tsy ampy intsony ny doladola fa tonga dia nivadika tsinjaka be teo alohan’ny sehatra. Mitabe, izay angamba no mahalaza ireny fiarahan’ny mpijery nirona nandihy teo aloha ireny. Raha tokony ho hira 3 no nataon’ny tarika TRIOLET. Lasa hira 6 zany vao nijanona : tsy izahay mpijery ihany mantsy no nankafy, fa ry zareo ihany koa dia tena voton-kafaliana sy nietaketana aoka izany.

Fifaninana manoratra tantara : iza no nivoaka mpandresy?

Maro ireo tantara voaray tamin’ity fifaninana ity saingy telo ihany no nibata ny amboara. I Pamella, tompon’andraikitry ny serasaran’ny fikambanana no nandray fitenenana nilaza fohifohy ny fizotry ny fifaninanana. Avy eo dia izy ihany no nitonona ireo mpifaninana telo voalohany. I RABENJARISOA Mampionona Yanick no nahazo ny laharana voalohany izay nanoratra ilay tantara mitondra ny lohateny hoe “Taizan-dalana”. i Marcelline Razafindravao kosa no nahazo ny laharana faha-2, izay nanoratra ilay tantara hoe “Anjara sa Safidy?” Ny fahatelo  kosa dia i Kristina Zafano izay nanoratra ilay tantara mitondra ny lohateny hoe “Vola: no  hozatry ny fiainana”. Samy nahazo loka avokoa izy telo vavy (marika feno fitiavana avy amin’ny fikambanana). Tehaka mirefidrefitra faraparany avy amin’ny mpijery no nentina niarabana sy nisaorana azy telo mirahavavy.

Misaotra sy mankasitraka :

Fisaorana mitafotafo no hatolotra an’i Tantely, Jaja, Tiavina mpampianatra mozika ireo ankizy ao amin’ny CHT. Raha tsy nisy anareo dia tsy afaka nanolotra mozika kanto toy ireny ny ankizy. Hisaorana be dia be ihany koa ny mpanentana avy ao amin’ny Tanora Garan’Teen Vankinakaratra, sady nafanainareo ny fanentanana no mbola nanaovanareo tantara antsehatra mamy be izahay. Tsy hainay ihany koa ny tsy hisaotra an’ireo mpijery maro sy ireo mpilatsaka an-tsitrampo fa nafinaritra ny fiharahana, dia ny ekipa rehetra ihany koa.

Ary farany dia tolorana fankasitrahana ny mpanohana nahafahana nanatontosa iny seho iny : Aeôna (merci beaucoup pour votre soutien).

♥ Ny fotoana dila no tsy maintsy nanajanona ny mozika sy ny korana. Satry dia satry tokoa hitohy foana. Soa ihany fa mbola hisy ny andiany faha-6: zay tokoa ry mpamaky a! Tongava maro amin’ny andihany faha-6 laughing.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Fandaharan'asan'ny Trano fampiantranoana vonjimaika (CHT)
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy.

MG

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!