Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !

Spectacle Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !

Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT. Nahazo sehatra ny ankizy naneho ny hakanton’ny talentan’izy ireo, notronon’ireo fikambanana hafa.

Fanomanana : ny ankizy sy ny trano !

Nigadona ny tamin’ny 12 ora : tsy hisakafo no ao an-tsaina, fa, andeha hanaingo ny efitrano. Dia roso niakatra izato tohatra lava dia lava, any amin’ny rihana ambony indrindra no tanjona, maka aina kely dia ndao ! Nampiasana ny hevitra sy ireo fitaovana rehetra hanaingona izato trano be : navoaka ny « peluche », naranty ireo arendrina natao haingo tamin’ny 26 jona, navelatra ireo « banderoles » sy « roll-up » ahafantarana ny fikambanana. Nanao tana-maro nitaona ny zava-maneno. Nobatana ny latabatra asiana ireo ody ambava-fo ho zaraina amin’ny farany, sy hametrahana ireo BD Ara-Dalana. Nahatona ireo sary haranty maneho ireo asa rehetra ataon’ny fikambanana. Vita izay : vonona amin’izay handray ny mpanakanto kely sy ny mpijery !

Nanondro tamin’ny 1 ora tolak’andro ny famantarana ora, injany tabataba any ambany any, avy ireo ankizy : ara-potoana tokoa ! Tsara ery ny nijery azy ireo nanao ireto akanjo sy kapa vaovao, mba ho raitra tsara dia nozaraina satroka hazon-drano gasigasy miaraka amin’ny lamba mareva-doko mavo kely, « wax » : aiza ny mpijery fa vonona izahay ! Indreny niakatra tsikelikely avy any ireo mpijery sy ireo fikambanana hafa nasaina. Na dia teo aza ny tsy fietezana kely tamin’ny jiro, tamin’ny 2ora sy sasany dia nanomboka ny lanona !

Nasaina hanentana ny fety ireo « Tanora Garan’Teen Vankinakaratra », aoka fa tsy nangina mihintsy ny sehatra, sady tsy natoritory ireo mpijery : raikatra foana ny fampianarana tehaka sy dihy hafa kely miaraka amin’ny hira, hehy sy oraka tsy ankijanona ! Rehefa vita ny kabary fohy nataon’i Pamella, tompon’andraikitry ny seraseran’ny fikambanana, nitondra ny teny fisaorana dia natomboka ny seho. Nifandimby niakatra an-tsehatra ny fikambanana : Grandir à Antsirabe, Centre Mitsiky, SOS Villages d’enfants sy Koloina.

An’i Grandir à Antsirabe ny sehatra

Niakatra avy any ny mpanakanto kely 5 volaohany nanokatra ny sehatra, narahan’i Jaja sy Tantely, lasa izao ! Efa nanomboka ny volana oktobra 2018 no niaraka tamin’ny ankizy ireto mpampianatra mozika ireto, efa mifankahazo tsara sy mifankazatra, fijery iray monja dia tafita ny hafatra ! Tsy hita taratra teny amin’ireto tovolahy kely reto mihintsy aloha na « stress » na henatra e ! Nifantoka tsara izy ireo nanaraka ny gadona : talanjona mihintsy enao mahita ireto tanana kely mikapoka izato « djembés » mahavoaka feo mirindra sy mafy aoka izany, any an-tsofinao any dia tena hoe hira izany, mozika izany : kanto ! Tapitra ny hira, nitraka ny loha, notohizan’ny mpijery avy hatrany ny tehaka !

Nidina izay nahavita, niakatra ny manaraka, dia toy izay hatrany mandrapaha vita ny hira 6 noman’izy ireo ! Hita teny amin’ny endrikan’izy ireo teny ny hafaliana sy ny fitiavana ilay mozika, niha niala tsikelikely koa izay henatra sy tahotra sisa tavela : mirana ery izato endriny. Tsy ny maso fotsiny no nijery teny amin’ny mpijery teny na ny sofina fotsiny no nihaino fa nankafy daholo ny vatana manontolo : nitosy tsimoramora ny vatana dia nitehaka nanaraka ny gadona ny tanana, narahan’ny vava orakoraka avy eo, ny iray efitrano mihintsy no samy nitempo niaraka tamin’ny gadon’ny « djembés » ! Etsy andaniny koa ny mpanentana tsy namela mahazo mihintsy : nafana e !

Tapitra ny deboka aponga dia roso indray ny dihy. Samy nahazo ny anjarany ny rehetra. Aoka hoy aho fa tsy heverinao mihintsy fa misy mpandihy mahay toy ireny ao amin’ny CHT ao. Nampitola gaga ny maro mihintsy ilay tovovavy kely nomena sehatra teo afovoany ! Nifarana tamin’ny fandraisana anjaran’i Princia, tovovavy manao andran’asa ao amin’ny CHT, ny tapany voalohan’ny seho. Iza tamin’ny mpijery no tsy babo naheno ny feony ? Indray niredona nampiara-peo taminy mihintsy aza moa tamin’ilay hiran’ny Joseph D’af « Rahoviana » 

Ny tohiny : tantara an-tsehatra, dihy malagasy, talenta miavaka

Tao anaty tehaka sy tsiky no nanomjen’ireo ankizin’ny Grandir à Antsirabe ny toerany. Niakatra an-tsehatra nandimby azy ireo fikambanana hafa tonga nasaina. Nifandimby nanafana ny sehatra amin’izay ary izato tanora sy ankizy manan-tanenta aoka izany avy ao amin’ny Centre Mitsiky, SOS Villages d’enfants sy ireo tovovavy kely avy ao amin’ny Koloina tamin’izato dihy mirindra. Niainga teo avokoa na gadona vahiny (ilay malaza amin’izao ireny) sy ireo gadona malagasy toy ny hiran’ny Vononavoko ! Nanaitra ny mpanotrona ihany koa ny nijery ireto mpandihy matihanina tokoa any anaty « hip hop » any, nironjona mihintsy ny sehatra ! Tsy izay ihany no nanaitra teo fa ireto ankizy kely tena kely tokoa, mpianatry Tantely djembés, nizara hafaliana tamin’ny fitendren’izy ireo « piano » : tia zaza a, tia zaza ny jesosinay !

Nampiavaka ity seho indray mitoraka ity ihany koa ny ilay tantara an-tsehatra nolalaovin’ny fikambanana Tanora Garan’Teen Vankinakaratra, niresaka ny maha zava-dehibe ny fandraisana an-tanana ireo ankizy sahirana ataon’ny fikambanana, toy ny Grandir à Antsirabe. Nampita hafatra tamin’ny ankizy ihany koa izy ireo amin’ny tokony handraisana tsara ny fanabezana omen’ny mpanabe any amin’ireny ivon-toerana ireny. Inoana fa tafita ny hafatra na dia tao anaty hehy aza no nandraisan’ny mpijery azy. Hafaliana ho an’ny mpikarakara foana moa ny nizara ody ambavafo ho an’ireo tonga namaly ny antso !

Fisaorana sy fankasitrahana …

… Ho an’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT tamin’ity seho nataony sy ny fitiavana be natolony tao anaty mozika, ireo mpampianatra azy ireo izay tsy nikely soroka fa teo hatrany niaraka amin’izy ireo efa ho eritaona izay. Tsy adinoina ihany koa ireo fikambanana nasaina tonga namaly ny antso nandray anjara sy nanotrona an’ny Grandir à Antsirabe. Ity farany dia manolotra ny fisaorana mitafotafo feno fankasitrahana ho an’ny Aeôna namatsy vola ny fanatontosana iny hetsika iny, sy ny Amis des Enfants du Monde, tamin’ny fampiratiana ireo sary. Ary indrindra ianareo mpijery, hankasitrahana indrindra, teo amin’ny 200 mahery teo ianareo no tonga nanotrona anay !

Amin’ny volana oktobra indray ny fotoanantsika manaraka !

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Teboka famantarana #6
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !