
PORTRAIT : Tamin’ny Desambra 2018 izy no nanomboka niasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe. Izy no misahana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola ny fikambanana. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny asany : fikarakarana hetsika samihafa, fampivoharana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara – miasa, fametrahana paikadin-tserasera ho fampandrosoana ny asan’ny fikambanana.
Salama Pamella ! Mba zarao aminay hoe ny lalana nodiavinao talohan’ny nahatongavanao tato amin’ny Grandir à Antsirabe ?
Vao avy nahavita ny fianarako tamin’ny eritaona aho tany Antananarivo. Tao amin’ny Ecole Supérieure d’Information et de Communication (SAMIS – ESIC) , nanaraka ny lalam-piofanana serasera ama-monina (Communication Sociale). Ity ny asako voalohany.
Arabaina izany ! Fa inona ary no nifidiananao ny fikambanana Grandir à Antsirabe ? Kisendrasendra ve sa tena nitady asa momba ny sosialy mihintsy?
Ie, araka ny maha serasera ama-monina ny lalam-pihofanana narahiko dia nitodika manokana tany amin’ireo ONG ny fikarohana asa nataoko. Fa ity asa ity tsy nampoiziko mihintsy : tsy nanampo mihintsy aho fa ahita asa toy ity eto Antsirabe . Tena kisendrasendra no nahitako ilay tolotr’asa. Rehefa nitsidika ny tranok’ala ny Grandir à Antsirabe aho dia tena vao maika tena nazoto tokoa nandefa ilay fangatahana.
4 volana ianao izay no niasa tato amin’ny fikambanana, ahoana ny fahitanao ny asanao, inona no tena hiandreketanao amin’izany ?
Mikirakira ireo fitaovan-tserasera rehetra : manentana ny ao amin’ny tranok’ala sy ny tamba-jotra sosialy ny fikambanana, manoratra lahatsoratra sy mandika izany amin’ny teny frantsay- malagasy, mamorona na manavao ireo fitaovan-tserasera ampiasina, manomana sy mikarakara ireo hetsika ataon’ny fikambanana ihany koa. Ankoatra izany dia manao ny fanentanana ho an’ireo mpitsidika avy amin’ny Grandir Aventure sy Grandes Latitudes koa aho.
Miandraikitra ihany koa ny serasera anatiny ato amin’ny fikambanana. Mila mahafantatra ny vaovao rehetra ato mba ahafahana mampita izany amin’ny ekipa sy ny mpamatsy vola na ireo mpiara-miasa any ivelany.
Ny fifandraisan’ny fikambanana amin’ireo sehatra hafa ihany koa dia izaho no miandraikitra azy. Zava-baovao amiko io. Raha oharina amin’ireo asako hafa ireo dia io no manahirana ahy indrindra. Kanefa i Grandir à Antsirabe dia mila mitady fihara-miasa manokana ho azy amin’izao : tena fanamby lehibe ho ahy izany. Fa mandeha tsikelikely sady manampy ahy amin’izany i Claire, Mathilde sy Tsitoha.

Betsaka izany asa izany!!! hoy ianao teo hoe mila mahay mifandray amin’ny rehatra amin’io asanao io. Aminao, inona ary ireo toetra tokony hanana amin’izany ?
Ngamba ny fitiavana mikarokaroka te ahafata-javatra. Mila anao mikarokaroka mba ahazoana ireo vaovao mahakasika ny tetikasa mandeha rehetra . Ary mila mahay miheno ihany koa tsy adino.
Nandritra izany volana vitsivitsy izay, inona ny fahatsiaravana nanamarika anao indrindra ?
Tamin’ny andro voalohany nahatongavako tato, nanatrika atrikasa fanentanana : mifanena amin’ireny ankizy eny amin’ny lalana ireny foana aho, kanefa tsy azoko an-tsaina na tsapako mihintsy ny zava-misy iainan’izy ireny. Nandona ny foko loatra ilay tantara fangalana ny toeran’ny ankizin’ny lalana iray sy ilay Slam nanaraka azy. Vao maika aho nientam-po hamampy an’ireo ankizy ireo : teo dia tena tsapako ny antom-pisiko ato.

Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Tanalahy : afaka manaraka izay fihovahovana rehetra mitranga. Kanefa izy rehefa mandeha dia misy fihetsika kely hataon’ny lohany ohatran’ny hoe mijery tsara aloha,aloha vao mandroso. Zaho anefa tena mifanohitra tanteraka amin’izany: tsy mandinika fa tonga dia mitsoraka. Fa efa mihezaka tsikelikely aho miala amin’izany toetra izany.
Toetra tsara/toetra ratsy ?
Tena mafy looha aho ! izany no mahatonga ahy mora tapa-kevitra rehefa misy zavatra tokony atoa. Sarotra amiko koa ny mandray baiko. Fa raha toetra tsara indray dia ny fandraisana andraikitra, hoy ny manodidina ahy.
Raha hira ?
Hira malagasy izay (hiran’ny tarika Levelo) : « Angola vaitra ». Tiako ny feony sy ny kilalaon-teny ao anatin’ny lohateny. Fiteny efa tsy dia fampiasa intsony io indrindra fa ny tanora : « angola », midika hoe hatsarana ary raha ampiarahina amin’ny hoe « vaitra » dia midika hoe « tena tsara tarehy loatra »
Raha film ?
« La triologie du Seigneur des anneaux ». Tiako ny fomba nanatontosana azy, ilay izy toy ny angano. Ny herim-pon’i Frodon mitondra ilay peratra, ny finamanana … Tena tiako io sary mihetsika io, tena tsy haiko ho hazavaina fa ny hamehezako azy dia hoe « FENO »
Raha zavatra indray ary ?
Boky : tiako ny mamaky boky. Manampy ahy hiaina any anaty tontolo hafa mihintsy. Vao mamaky boky aho dia tonga dia miaina ao, sady mampianatra zavatra maro ihany koa.
Ary raha teny filamatra kosa ?
“Connais-toi toi-même”. Amiko dia misy harena miafina any amin’ny tsirairay ka mila karakaraina izany. Indraindray dia tsy dia matoky tena aho, somary very izany, fa jereko izay zava-bitako taloha afaka mandroso ihany. Tena zava-dehibe ny fahafantarana ny tenanao ary ny fahatsapana ny maha izy anao ahafahanao mihatrika ireo sedra.
Ny « péché mignon » anao ?
Rehefa mijery film mitohy (serie), tsy mety tafajanona mihitsy ! Misy fotoana aho tsy matory fa mijery an’iny, dia tsy mijanona raha tsy tapitra tanteraka.
Raha « Héro » ?
Oh la la ! tena tsy hitako izay holazaina amin’izay.
Inona no tena zavatra nataonao nahafaly anao indrindra?
Efa tany amin’ny « collège » aho no tapa-kevitra fa hianatra ny Serasera. Nanao fifaninanana hiditra Oniversitem-pajakana aho fa tsy afaka. Nahita Oniversite tsy miankina aho avy eo, fa hoy ny ray ama-dreniko hoe lafo loatra ny sarany sady izaho mbola manana iray tampo maro.
Nefa tena tiako io Oniversite iray io ary, nanapa-kevitra ny hianatra teo ihany aho avy eo. Noho izany dia tsy maintsy niasa aho rehefa farany herinandro sy ny fialan-tsasatra hanampiana ny saram-pianarana. Nahazo naoty ambony ihany tamin’ny faran’ny fianaran nataoko : afaka miteny aho hoe “efa vehivavy lehibe”.
Ianao sady mafy loha nefa mandray andraikitra. Fa firy marina irai-tampoa aminao ?
Enina mianadahy izahay : 2 lahy ary 4 vavy, izaho ny vavy matoa fa zaza faharoa kosa. Ny zandriko farany indrindra dia vavy 14 taona, any ambanivohitra miaraka amin’ny ray ama-dreniko izy. Any tsy dia misy asa firy ka mifanampy izahay miaraka amin’ny zokiko lahy amin’ny saram-pianaran’ireo zandriko ireo. Mifampizara izahay : ny zokiko lahy miantoka ilay zandrinay lahy ary izaho ny zandrinay vavy.
hitako amin’izay ilay “super-hero” “super-grnade-soeur” (hehy)
Angamba! Tsy dia tsapako loatra fa misy fotoana ny zandriko miteny ahy hoe : « Raha manambady izany Pamella dia ahoana izahay » dia valiko fotsiny eo foana foana aho .

“Maraude” : andao ho resahantsika !
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!
Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
“Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina” : fanentanana tao amin’ny CHT
SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !
Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !
Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT.
Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA
Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!