15 Febroary 2019, Varavarana misokatra ho an’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny ankizy eto an-toerana, Grandir à Antsirabe

15 Febroary 2019, Varavarana misokatra ho an’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny ankizy eto an-toerana, Grandir à Antsirabe

Nanokatra ny varavarany tamin’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny fiarovana ny ankizy, réseaux sahaza ny Grandir à Antsirabe ny zoma 15 febroary lasa teo. Nanaraotana ihany koa nanasana ireo fikambanana naniry te ahafantatra bebe kokoa ny asan’ny fikambanana, Zanak’Bira. Nasana tamin’izany ihany koa ireo solon-tena avy amin’ny fokontany misy ny fikambanana sy hanaovan’i Grandir à Antsirabe ireo hetsika maro, fokontany Antsimotsena sy Ampatana.

Tonga vahiny!

Vao maraina dia efa serintseriny ny mpikarakara tamin’ny fanomanana ny fandraisana ireo vahiny. Somary nisy ihany aloha ny ahiahy teny ampiandohana hoe ho avy ve ireo nasaina ? Saingy tony avy hatrany izany rehafa nahita ireo olona nandrasana tonga tsikelikely nameno ny efitrano. Na nisy aza ny tsy afaka noho ny fandaharam-potoana dia nahafapo tokoa ny nandray ireo tonga namaly ny antso.

Fandaharam-potoana

Tamin’ny 10 ora maraina no nanomboka ny fotoana nialohavan’ny kabary fiarabana sy fisaorana ireo vahiny. Vita ny lahateny fandraisana nataon’ny talen’ny fikambanana dia niroso avy hatrany tamin’ny votoatiny. Natao tamin’ny endrika kilalao no nisarihana ny sain’ny mpanatrika ahafantatra sy ahazo antsaina ny fiainana iainan’ny ankizy miaina eny an-dalambe. Nasana izy ireo haka ny toeran’ny ankizin’ny lalana iray ary hiaina sy hisaina toy ilay ankizy. Nandray anjara navitrika avokoa ny rehetra nandrindratry ny kilalao.

Fanehoan-kevitra nandraisan’ny vahiny anjara

Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fiarovana ireny ankizy tra-pahasahiranana ireny. Izany indrindra no nanentanana ny mpanatrika haneho hevitra momba ny fisorohana ny tsy ahatongavan’ny ankizy eny amin’ny lalana. Tsy izay ihany fa nasaina koa izy ireo hnaposaka ny heviny mahakasika ny fomba hiarovana ireo ankizy efa eny amin’ny lalana ary farany ny vahaolana arosiny amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy miaina eny an-dalambe. Nozaraina tarika 5 ny vahiny dia samy nikaon-doha sy nizara izay hevitra voangona tamin’ny mpanatrika rehetra.

 

Ny masaka azo naroso !

Tamin’ny tapany farany tamin’ny varavarana misokatra no nandraisan’ireo tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizin’ny Lalana, Grandir à Antsirabe anjara. Nanazava tsirairay ny fomba fiasa sy ny tanjona kendrena amin’ireo tetikasa ao amin’izany fandaharanasa izany. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra tao amin’ny Activités Jour, Equipe Mobile d’Aide, Centre d’Hébergement Temporaire ary ny Accompagnement Social.

Fiarahana niala hetaheta sy fizarana calendrier 2018 Grandir à Antsirabe no nanakatona ny varavarana misokatra.

Fisaorana sy fankasitrahana ho antsika tonga nanatrika!

Hisaorana sy hankasitrahana hatrany ny « Réseau SAHAZA », « Groupe Zanak’Bira », fokontany Atsimotsena sy Ampantana tonga namaly ny fanasana tonga namaly ny antso. Antenaina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fiaraha miasa.

Tsy adinoina ihany koa ny misaotra ireo ekipa Grandir à Antsirabe tamin’ny fiaraha-mientana nahafahana nanatontoso iny hetsika ho fampafantarana ny fikambanana iny.

Mbola hitohy ny varavarana misokatra hanasana ireo fikambanana mpiara-miasa mpikambana ao amin’ny tambazotra OSCAPE.

 

Lire aussi :   Teboka famatarana #3
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

15 Febroary 2019, Varavarana misokatra ho an’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny ankizy eto an-toerana, Grandir à Antsirabe