Asa ifanomezan-tanana 2018 : Mpiofana injeniera frantsay manohana ny asa fanitarana ny CHT

Asa ifanomezan-tanana 2018 : Mpiofana injeniera frantsay manohana ny asa fanitarana ny CHT

Ho an’ity faha folotaonan’ny nametrahana ny asa fanorenana ifanomezan-tanana ity dia injeniera frantsay fito no niara-nisalahy nandritra ny telo volana ho an’ny fanitarana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana.

“Harena”, “feno” “mampangoraka” , maro ireo teny miraikitra an-dohan’ireo injeniera fito rehefa nandao ny fikambanana sy Madagasikara izy ireo. Tatitra ara-tsoratra sy sary ny traik’efa “malagay” teo amin’ny sehatra matihanina sy mahaolona niainan’izy ireo.

“Mahafinaritra ny fahafanarana hoe hiasa ho an’ny fikambanana manana ny fototra ijoroany sy ny lanjan’ny fikambanana” – Bérenger

Scott, Clarisse, Benjamin, Bérenger, Paul, Nicolas ary Aymeric. Avy any Frantsa avokoa izy ireo ary sady miofana no mianatra eo amin’ny tontolon’ny BTP. Samy manana ny traik’efany avy izy ireo ary avy amin’ny sekoly samihafa, teto Madagasikara izy ireo no nifankafantatra tao anatin’ny fivahinianana teto anivon’ny fikambanana.

 

Ingés à l'allé de baobab

Ny tanjon’izy ireo? Miasa ho an’ny fananganana ny rihana faharoan’ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana. Niara-niasa nivantana tamin’ireo mpiasa teto an-toerana izy ireo, nivoatra tsikelikely ny fiaraha-miasa ary namokatra ny fiaraha-miasa sy ny fifanankalozana fahaiza-manao teo amin’ny roa tonta nandritry ny 2 volana.

“Ny asa teny an-toerana dia nahitanay zava-baovao momban’ny asa fanorenana sy ny fomba fiasa izay an’ny eto an-toerana manokana” – Clarisse

atelier de ferraillage            préparation béton

Ankoatran’ny fiaraha-miasa isan’andro miaraka amin’ireo mpiasa Malagasy dia tafaray tamin’ireo mpiasan’ny fikamabanana ihany koa ireo injeniera ka izany no nahafahan’izy ireo nifandray sy nifanakalo tamin’ireo ankizin’ny CHT sy fokontany maro teto Antsirabe. Ireo hetsika atao an-davanandro DanseLaRue, CinéRue sy BiblioPousse no tena nanampy tamin’ny fifanankalozana teo amin’ny ankizy sy ireo mpiofana.

Fivahinianana voadinika sy tanaty fahavitrihana

Inona no nanosika hiaina ity traik’efa ity? Ny fikambanana, ny firehana voiziny sy ny toerana handehanana ihany koa. Mbola tsy nisy nitsidika ny nosy mena izy ireo teo aloha. Voalohany nitsidika ny firenena izy ireo, izay manana ny fomba amam-panao sy kolon-tsaina hafa noho ny any Frantsa.

“tiako ny niasa miaraka amin’ireo ekipa tanora sy mavitrika ao anatin’ny sehatra tena tsy mitovy, mampiasa izay misy tsy toy ny any Ftrantsa” – Benjamin

Photos Equipe GRANDIR A avec les ingés

Teo amin’ny lafiny teknika sy fomba fanao dia noezahana nampifandrindrana tamin’ny fomba fanaon’ny mpiasa eto an-toerana. Miaraka amin’ny fitaovana sy vola hoenti-miasa tena voafetra dia tsapan’izy ireo fa ny fikarokarohana sy ny fahaiza-manao eto an-toerana dia tena mahomby !

“Ity asa ity dia tena nanampy ahy tamin’ny fandavan-tena noentiko sy ny fahavitrihana napetrako” – Scott

Ny asa nataon’izy ireo andavanandro dia nahitany zava-baovao teo amin’ny haitrano ary mifanampy amin’ny fiofanana izay narahiny.

Firenena vaovao, kolon-tsaina vaovao, lavitry ny lamina Eropeana

Ny fandehanana aty Madasikara dia midika ihany koa fiovana tontolo izay mampivelatra ny toe-tsaina manoloana ny kolon-tsaina sy ny fomba amam-panao izay tsy mifandraika amin’ny fiainana isan’andro any Frantsa.

 

Deux éducateurs pendant la maraudeNanohina azy ireo ary nahatonga azy ireo handinika ny fomba fiainana Eropeana ny fahantrana, ny fangatahana sy ny fahalotoan’ireo toerana sasany eto Madagasikara. Tamin’ny vao tonga izy ireo dia efa nahatsapa ny elanelana misy, nefa tsikaritr’izy ireo ihany koa ny hafanana sy ny tsikitsikin’ireo mponina. Mila tsindrina ihany koa fa ny tanànan’Antsirabe dia malaza milamina sy mahavelombolo amin’ny alalan’ireo mponina mahay mandray vahiny sy te hiaina fiainana milamina kokoa noho ny tanan-dehibe.

 

Firobohana antoeran-kafa

Marina fa afaka namantatra an’Antsirabe ireo injeniera fito, fa ankoatr’izay dia afaka nitsidika ireo tanana manodidina ihany koa, nandritry ny faran’ny herinandro. Antsirabe dia tafiditra anatin’ny faritra avo voadidina tendrombohitra sy farihy. Toerana tonga lafatra hanaovana dia an-tongotra, hitsidihana ireo tontolo ambanivolo rakofan’ny tanimbary.

         

Nanampy ny fahitana zava-baovao sy ny fahafantarana misimisy kokoa an’I Madagasikara ny fivahinianana nataon’izy ireo tamin’ny fidinana ny reniranon’i Tsiribihina any atsimo andrefan’ny nosy, ny fitsidihana ny tsingy ary ihany koa ny fahitana ny trozona tany St Marie.

Fivahinianana ifanomezan-tanana izay tsy hitahita akory dia nifarana, malahelo noho ny fandehanana sahady ary nanao veloma ny fikambanana sy ireo mpiray monina tamin’izy ireo tao amin’ny Maison Grandira !

Amin’ny anaran’ny ekipa rehetra sy ireo mpanao ny trano no hanolorana fisaorana sy fankasitrahana ho azy ireo tamin’ny fandavantenany sy ny mahamatihanina azy ireo !

 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Portrait/ Pamella, mpiandraikitra ny serasera amin'ny lafiny rehetra
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Asa ifanomezan-tanana 2018 : Mpiofana injeniera frantsay manohana ny asa fanitarana ny CHT