Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Fotoana mipetraka ho tantara

Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !

Tontolo andro feno fihetseham-po, nihaonan’ireo tompon’andraiki-panjakana teto an-toerana, ireo orin’asa, ny fikambanana mpiara-miasa, ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe rehetra ary tsy hadino indrindra indrindra ireo ankizin’ny trano fampiantranoana.

 

 

 

Ny trano no vaovao fa ny asa tsy miova

Ny taona 2016 no nandrafetana ny rafitra vaovaon’ny fikambanana ary nametrahana ny tetik’asa fiarovana ireo ankizy miaina eny an-dalam-be, niaraka tamin’ny fanokafana ny trano fampiantranoana vonjimaika izay trano nofan’ny fikambanana. Ny taona nifanesy manaraka dia nahitana fahavitrihana hirosoana mankany amin’ny fizakan-tenan’ny fikambanana izay manana ny trano fandraisana sy birao ankehitriny.

Trano vaovao, loko vaovao sy toerana vaovao ihany koa fa ny asa tsy miova : ny trano fampiantranoana vonjimaika dia mandray ireo ankizin’ny lalana 10 katramin’ny 15 taona, miaina eto Antsirabe. Manomboka amin’ny 5 ora hariva katramin’ny 7 ora sy sasany maraina no hisokafan’ny trano fandraisana ahafahan’ireo ankizy misitraka ny filana fototra : misakafo, misasa, henoina teny ary matory am-pilaminana.

fisaorana ho an’ireo niasa sy nikely aina tamin’ny fananganana

Ny lanonam-panokafana ihany koa no nahafahana nanome fisaorana mitafotafo ireo olona rehetra nandray anjara tamin’ny fananganana, na ny akaiky na ny alavitra : mpiasa 30 teto an-toerana, mpiofana injeniera 9 avy amin’ny sekoly CESI any Paris, vondrona tanora 7 nitsidika an’i madagasikara avy amin’ny mpandraharaha ara-pizahantany Grandir Aventure, ireo akipa izaiy nanaraka akaiky ny fananganana, nanomboka tamin’ny fanaovana ny drafitra katramin’ny famindrana entana. Farany, ireo mpiara-miasa sy mpandray anjara izay raha tsy nisy azy ireo dia tsy tanteraka ny fananganana.

vahiny mihaino kabary

Ny fanohanana sy ny fandavan-tenan’ireo mpiara-miasa dia tonga lanitra manga sy tontolo andro mahafinaritra tamin’iny fanokafana iny, nitondra fifaliana sy fanantenana.

Ny fandaharan’asan’ny tapak’andro maraina :

⇒ kabary fiarahabana nataon’i Franco Mahery, mpiandraikitra ny serasera sy fiaraha-miasa Grandir à Antsirabe

⇒ kabary ofisialy nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana

⇒ fitsidihana ny toerana sy fijerena ireo sary nampiratiana (nahitana ny fandaharan’asa roa eto amin’ny fikambanana sy ny fivoaran’ny asa fanamboarana)

⇒ tsakitsaky sy fanalana hetaheta sy fifanankalozana teo amin’ny ekipa sy ireo vahiny nasaina

Ankizy roa lahy CHT   fitsidihana   fialana hetaheta

ekipa mandihy

Mba hamaranana an-kafaliana iny lanonana iny, dia niara-nadnihy ny ankizy sy ireo ekipan’ny fikambanana ! Hafaliana, fifampizarana ary fiainana ! ireo no nipetraka tsy ho adino ao anatin’ny mpikambanana tsirairay sy ny ankizy !

Ary ny tohiny?

Ary farany, iny lanonam-panokafana iny ihany koa no nampilazana ireo vinan-kasa manaraka : ny 2018 dia ho voamariky ny fanitarana ny trano amin’ny fanampiana rihana iray : handraisana birao vaovao, ahitana toerana fakana aina, ary efitra afaka hanatanterahina hetsika maro, natokana ho an’ny fampiofanana, fivoriana sy hetsika fialam-boly sy fitaizana ho an’ireo ankizy.

Mbola mamerina ny fankasitrahana lehibe izahay ho an’ireo mpiara-miasa rehetra, ary ho an’ireo izay nanolo-tena rehetra izay nahavitana tetik’asa  tsara tahaka izao ary mino ihany koa fa hitohy hatrany izany fiaraha-miasa izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe