…lasa izao

Ny zoma faha 15 jona lasa teo dia andro tsy toy ny andro rehetra ho an’ny ankizin’ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana. Nihazo ny lalana mankany amin’ny toeram-piompiana Tombontsoa izy ireo. I Njaka izay mpiofana tao amin’ny ekipan’ny PPER, niaraka tamin’ireo mpilatsaka antsitra-po  julie sy i Marion ary koa ny mpanabe Arsène no niara-nisalahy nanomana ny tontolo andro tany amin’ny toeram-piompiana izay tena nahafaly tanteraka ireto ankizy.

Fitsidihana ny toera-mpiompiana eny Tombontsoa

Vao maraina, niditra tao anatin’ny fiara ireo mpandray anjara ary hita soritra teny amin’ny endrik’izy ireo ny hafaliana. Ankizy, mpanabe, mpanontrona sy mmpiasan’ny fikambanana no nifampotoana teny Tombontsoa, toerana izay ahitana toeram-pambolena sy toeram-piofanana ihany koa. Eo amin’ny 400 eo ireo ankizy misitraka izany fiofanana izany, manomboka any amin’ny ambaratonga fahatelo katramin’ny fampianarana ambony, fiofanana izay mifandraika amin’ny resaka fambolena sy fiompiana.

GisaJardin potager

 

 

 

 

 

 

Fandaharam-potoana tamin’ny maraina : fitsidihana ireo fotodrafitrasa izay notarihin’ny mpianatra iray ao an-toerana. Nofantarina tamin’izany ireo atrik’asa, ireo zaridaina fambolena ary ireo tranom-biby. Nanaraka ny fandaharana nataon’ny mpitarika ireo ankizy ary nankafy ny fiarahana. Nisy tamin’ireo ankizy no nanana fanontaniana, maro ireo liana tamin’ny hetsika ary tsy nisalasala izy ireo nametraka fanontaniana mahakasika ireo biby na momban’ny fampiofanana. Mety ho hisy tokoa ireo ankizy hisafidy ny hamboly sy hiompy tamin’ny alalan’iny fitsidihana iny.

Tohin’ny fotoana sy ny fisakafoanana

Rehefa vita ny fitsidihana dia naka aina ny rehetra ary nisy fizarana mofo. Rehefa velombelon’aina iny dia raikitra ny fanafanan-tena narahan’ny filalaovana baolina kitra.

Tonga ny mitatao vovonana, fotoana hisakafoanana izay nankafizana ireo nahandron’ireo mpahandro roa eto amin’ny fikambanana. Ny sakafo tamin’izany ? : riz cantonnais niaraka tamin’ny saosisy sy lasary laisoa izay tena nakafizin’ny ankizy miaraka amin’ny tsindrin-tsakafo akondro. Nisy koa ny fizarana ranom-boankazo nandritry ny fisakafoanana mba hanamarihana tsara ny lanonana.

Danse avec les enfants

 

Fandravahana tarehy, fakana aina sy fisaintsainana

Rehefa voky tsara ny kibo dia nitohy indray ny fanentanana. Julie sy i Marion no nanentana ny fandokoana tarehy. Niova ho fotoana nakana aina nankafizin’ny ankizy ity fandokoana tarehy ity. Naneho ny fahaizana mamorona tokoa ireo mpanentana : Pirates, mpanjaka vavy kely, voninkazo, biby no nadravaka ny tarehin’ireo ankizy.

maquillage avec JulieMaquillage

 

 

 

 

 

 

Deux garçon du CHT

Nibaliaka ny masoandro izay nanome hafanana ny tontolo andro, namaranana izany ny hetsika nataon’i Julie momban’ny fakana aina sy fisaintsainana, atrik’asa izay tena ankafizin’ireo ankizy ary tian’izy ireo ny mampihatra azy.

détente des enfants

Veloma farany

Iny fotoana iny ihany koa no nahafahan’i Nathanaël, tale lefitry ny fikambanana, nanambara ny fandehananay tamin’ireo ankizy. Fotoana feno fihetseham-po. Mba hampitony ny fo dia nofaranana tamin’ny fankafizana chocolat sy akondro ny fotoana.

Nathanaël avec les enfants

Fodiana nakany amin’ny CHT narahin-kira, fahatsiarovana vaovao no miraikitra ao an-doha.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Portrait Tsitoha : Talen'ny fikambanana Grandir à Antsirabe
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

…lasa izao