L'Équipe Mobile d'Aide

Programme de protection des enfants des rues (PPER)

Ny Ekipa Mpilatsaka amin’ny Alina (EMA) dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny firotsahanana an-dalambe amin’ny alina izay atao indroa isaky ny erinandro.

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina, ny EMA dia mirotsaka eny an-dalambe (maraude) mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana. Mandritra izany dia mampisitraka azy ireo fanampiana maro samihafa ny ekipa toy ny fitsaboana, fifampiresahana mivantana, toro-lalana makany amin’ny toeram-pitsaboana na fikambanana hafa ; misy ihany koa fizarana dite mafana. Indray isambolana kosa dia manomana resadresaka sy fanentanana mahakasika ny fananahana na koa iray amin’ireto lohahevitra ireto : ny fahadiovana, ny toaka , ny sigara, ny rongony, ny herisetra izy ireo.

Rehefa voahadihady tsara ny mahakasika azy reo dia asana iantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika (CHT) ireo ankizy 8 hatramin’ny 16 taona. Ao izy ireo no misitraka ireo zo fototra rehetra.

L’Equipe Mobile d’Aide (EMA) permet aux enfants de la rue de bénéficier d’un service médical, éducatif et social sur leur lieu de vie, grâce à des maraudes organisées deux soirs par semaine.

Tous les lundis et jeudis, l’EMA effectue des maraudes pour identifier et rencontrer les enfants de la rue et leur offrir différents services : petits soins médicaux, entretiens individuels, orientations (dans un dispensaire médical ou une autre association, par exemple) et distribution de thé chaud. Une fois par mois sont organisées une causerie et une sensibilisation à la sexualité ainsi qu’à l’un des thèmes suivants : hygiène, alcool, tabac, drogues, violence.

Après étude de leur situation, les enfants de 8 à 16 ans peuvent intégrer le Centre d’Hébergement Temporaire (CHT) pour la nuit et bénéficier de l’ensemble des services associés.