Le Programme de protection des enfants des rues (PPER)

Miaro ny zon’ny ankizy, mijery ireo tsy fitoviana misy , mamantatra ireo  antony mahatonga izany ary miasa hanoitra izany tsy fitoviana izany no anisan’ny antom-pijoroan’ny Grandir à Antsirabe.

Ho fanatanterahany ireo tanjona ireo, Grandir à Antsirabe dia nametraka ny Programme de Protection des Enfants des Rues na Fandaharanasa ho fiarovana ireo Ankizy Miaina eny an-dalambe izay mamondrona tetikasa efatra :

  • Ireo hetsika andavan’andro (AJ) izay atao isaky ny herinandro amina toerana samihafa eto Antsirabe, hetsika ahitana ny : « BiblioPousse », « DanselaRue » sy ny « CinéRue ». Manatona ireo ankizy eny amin’ny toerana misy azy ireo. Ireo tanjona ? Mizara hafaliana, mitondra fanabeazana sy mampiala voly azy ireo.
  • Ny ekipa mpilatsaka an-dalambe amin’ny alina (EMA) dia manome fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy ho an’ireo « Enfants de la rue », ireo ankizy mivelona sy matory eny an-dalana, eny amin’ny toerana misy azy eny. Isaky ny Alatsinaina sy Alakamisy no hanatontosana izany.
  • Ny trano fandraisana vonjimaika (CHT) izay mampiantrano ireo “enfants de la rue” 8 ka hatramin’ny 16 taona amin’ny alina. Ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika no hampisitrahana ireo ankizy ireo filana fototra toy ny misakafo, midio, henoina ary matory am-pilaminana. Ankoatra izay dia ao ihany koa no hampisitrahana azy ireo zo fototra maha ankizy.
  • Ahafahana mitondra fampivoarana maharitra amin’ny fiainan’ireo ankizy raisina ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika sy hanalana tsikelikely azy ireo tsy hiaina eny amin’ny lalana intsony dia napetraka ny tetikasa fanarahana ara-tsosialy. Tanjona napetraka amin’io tetikasa io araka izany ny famerenana indray ireo ankizy eny anivon’ny fianakaviany.

Défendre les Droits Fondamentaux des enfants, prendre en compte les inégalités, en comprendre les causes et agir pour les combattre sont les principes fondateurs de l’association.

Pour mettre ces principes en action a été mis en place le Programme de Protection des Enfants des Rues* qui agit à travers 4 dispositifs :

Les Activités Jour (AJ) ont lieu chaque semaine. Grâce au BiblioPousse, à l’atelier DanselaRue et au CinéRue, les enfants des rues d’Antsirabe bénéficient d’activités éducatives et ludiques qui viennent directement à leur rencontre. Ces activités touchent principalement les enfants dans la rue.

L’Équipe Mobile d’Aide (EMA) permet aux enfants de la rue de bénéficier d’un service médical, éducatif et social sur leur lieu de vie, grâce à deux maraudes nocturnes hebdomadaires.

Le Centre d’Hébergement Temporaire (CHT) accueille les enfants dela rue âgés de 8 à 16 ans, la nuit, à Antsirabe. Ces jeunes peuvent s’y ressourcer et répondre à leurs besoins primaires : manger, se laver, être écoutés et dormir en sécurité.

Afin d’aider les enfants du CHT à sortir de la rue et d’améliorer leur situation sociale durablement, l’équipe d’Accompagnement Social (AS) travaille dans un objectif de renouement familial. Au besoin, cette équipe prend le relais de l’équipe du CHT en journée pour le suivi médical des enfants ; et elle s’occupe des orientations scolaires, lorsque cela est possible.

Le projet PPER bénéficie du soutien d’Illis Monaco, d’Amis des Enfants du Monde et de Grandir Ailleurs.