Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana

PORTRAIT : Nanampy tao amin’ny « administration » no nanombohan’i Nandrianina tato amin’ny fikambanana. Ankoatran’izay dia mpiandraikitra ny asa fanentanana mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana nandritra ny « maraude » ihany ko izy. Amin’izao fotoana izao kosa dia izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.

Favicon Grandir Ailleurs Mba lazaoa anay kely hoe ry Nandrianina ny atao amin’izany « manentana sy mampahafantatra momba ny ankizy miaina eny an-dalana » eny anivona sekoly sy rafitra samihafa izany ?

Ity tetikasa ity aloha dia vao napetraka ny faraparan’ny taona 2018 teo. Tanjona kendrena amin’izany ny hampahafantatra ny olona sy ny firaha-monina ny « zava-misy » iainan’ireny ankizin’ny lalana ireny. Izay fampahafantarana izay avy eo no « hanentanana » azy ireo hanova fijery (sy fihetsika na fomba fanao) manoloana ireny ankizy ireny.

Talohan’ny namolavolana ilay « endrim-panentanana » ho atao amin’ny olona sy eny anivon’ireo sekoly, dia nanao fanadihadihana teny ifotony aloha ny tenako, hahafantarana ny hevitra sy ny fandraisan’izy ireo ireny « ankizin’ny lalana » ireny (be fanontaniana be). Ireo angon-kevitra tamin’izany no nandrafetana « ny fanentanana » avy eo.

Somary maha lava tongotra kely ilay asa smile!

Favicon Grandir Ailleurs Dia ohatry ny ahoana ny dingana atao rehefa andeha hanentana any amina sekoly iray ?

Mila manatona any amin’ilay sekoly aloha voalohany indrindry. Ho an’ireo sekoly tsy miankina dia tsy dia sarotra ny dingana atao satria miresaka amin’ny talen’ny sekoly fotsiny dia mety : mila mahay miresaka tsara. Fa ho an’ny sekolim-panjakana dia tsy maintsy nangataka alalana tany amin’ny « chef CISCO Antsirabe I, fa efa azo ilay izy (rehefa niandry maharitra).

Rehefa mahazo alalana avy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia miroso amin’ny fanentanana. Raisina isaky ny kilasy ny ankizy na arakarakin’ny fandaminana amin’ny ora eo. Harindra mifanaraka amin’ny fotoana ihany koa ny halavan’ny fanentanana atao.

 Favicon Grandir Ailleurs Dia Nandrianina ve izany tonga dia miresaka be fotsiny sa manao ahoana ny atao ?

Tsy miresaka be ka, fa atao amina endrika kilalao ilay izy, amin’izay tsy mora mankaleo. Misy « quizz » atao ohatra hanombohana azy. Avy eo misy kilalao izay hangalan’ny ankizy toerana ankizin’ny lalana iray. Dia hamaranana azy ilay « slam : handao hanova fijery ».

Tsy mitovy ny endrikin’ny fanentanana atao amin’ny ankizy kely sy ny tanora : efa manana endrika fanentanana maro. Raha any amin’ny fikambanana indray dia somary lalindalina kokoa.

 

 Favicon Grandir Ailleurs Mahaliana izy izany, fa ono oa e, inona no nifidiananao an’ny Grandir à Antsirabe ?

Te hanampy ireo ankizy tra-pahasahiranana aho.

 Favicon Grandir Ailleurs Mba zarao aminay ary hoe ny fahatsiaravana nanamarika anao tato amin’ny fikambanana ?

Ny fihaonako tamin’ireo ankizy matory eny an-dalana nandritran’ny « maraude » voalohany ntaoko. Nampihetsimpo ahy tokoa ny fomba nandraisana ahy.

Favicon Grandir Ailleurs Inona kosa ary ny firariny ataon’i Nandrianina ho an’ny fikambanana amin’ny taona ho avy rehetra e ?

Manantena aho hoe : Hahavita hanala ireo ankizin’ny lalana eny an-dalambe ny fikambanana. Tsy midika akory izany hoe tsy hisy intsony ny fikambanana fa ho tanteraka ny nofiny sady afaka hanampy olona.

Portrait chinois…

Favicon Grandir Ailleurs Raha biby ianao dia ?

Vorona ! (manidina), afaka mibanjina ny tontolo avy eny ambony eny e ! Mahita ny zava-misy sady afaka miasa haingana.

Favicon Grandir Ailleurs Sakafo ?

« Cafés gourmands » mitovy amiko mihintsy, afaka mifanaraka amin’ny zava-misy rehetra, ohatran’ny « cafés gourmands » tian’ny olona rehetra.

Favicon Grandir Ailleurs Raha film ?

Film « the Choice » ; tantaram-pitiavana olondroa, nanamarika be ahy tamin’ny tantaran’izy ireo ny hoe « mila misafidy ianao eo amin’ny fiainana » (ary miankina amin’izany ny ho avinao).

Favicon Grandir Ailleurs Toetra tsara sy toetra ratsy ?

Sarotra amiko ny mamerina fifandraisana efa tapaka : tsy mora mamela. Fa za kosa anefa dia olona tena mora ifandraisana.

Favicon Grandir AilleursAry raha teny filamatra kosa ?

Avy amiko ity fa tsy nindramako : « Tsy ho tanteraka mihintsy ny nofy iray raha tsy ianao ihany no manao ny ezaka rehetra ahatanterahan’izany. »

 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy.

Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana