Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran’ny ankizin’ny CHT

→ Ny sabotsy 29 oktobra 2017

Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami

ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana vonjimaika na CHT. Niarahana tamin’ny fikambanana Foulosophe izay mampivondrona mpanakanto malagasy.

NY fampisehoana izay notanterahina tao amin’ny La Palette, nanoloana olona teo amin’ny efapolo teo, dia nahafahan’ireo ankizin’ny CHT nampiseho ny fampianarana mozika azon’nizy ireo nandritry ny efa-bolana.

Fanomanana ny fampirantiana niarahana tamin’ny ekipa sy ny mpanakanto Farahaingo

Ny maraina dia nisy ny ekipa nanomana ny fampirantiana sary izay tsara indrindra an’ny fikambanana sy ireo teboka famantarana ny ankizin’ny lalana. Nandritra izany fotoana izany i Farahaingo izay mpanao sary ary koa mpamorona ny Foulosophe dia nanomana ny toerana izay nampirantiany ny sary miteny na BD izay nataony farany.

Tetsy andaniny ireo ankizy

Nifampotoana tamin’ny 11h atoandro tao amin’ny CHT izy ireo mba hiara-hisakafo amin’ireo mpanabe tao amina fivarotana iray teo amin’ny manodidina. Avy eo dia niomana tamin’ny fihaingoana : nanao akanjo vaovao ary nametaka kojakoja madinika ho an’ny dihy izay nomanina.

Raikitra ny fampisehoana !

Rehefa avy naka aina ireo ankizy dia nanomboka ny fampisehoana. Hira malaza efatra no nanombohana ny hetsika : ny ankizy sasany mihira sy mandihy ary ny sasany mively aponga. Nanampy an’ireo Foulosophe izy ireo avy eo tamin’ilay hira heo « Si j’étais président » ary nofaranana tamin’ny Slam mitondra ny lohateny hoe « un autre regard ». izany rehetra izany dia nanoloana ireo mpanatrika tonga navitrika izay voakasiky ny hafaliana nozarain’ireo ankizy. Ankizy mpianatry ny Foulosophe (ivelan’ny CHT) matihanina telo no nanohy ny hetsika ary andray ny djembé nanaovany hira roa. Ny ankizin’ny lalana teo dia nahita ny vokatry ny fiezahana tamin’ny alalan’ny fahaizan’ireo ankizy, izany dia natao hambitomboana ny fikirizan’izy ireo mba ho lasa matihanina ihany koa.

Nofaranana tamin’ny fizarana sakafo maivana ho an’ireo ankizy ny fotoana, sakafo izay nomanin’ny fikambanana foulosophe ho azy ireo. Nahatsapa hafaliana tanteraka ireo ankizy tamin’ny alalan’iny hetsika iny.

Nanapa-kevitra ny tsy hijanona hatreo ireo foulosophes, rehefa nahatsapa izy ireo ny vokatry ny fampianarana nataony sy nahita ny talentan’ireo ankizy. Nametraka fampianarana matihanina ho an’ireo ankizy in-1 isan-kerinandro izy ireo.

Ary rahoviana ny fampisehoana manaraka ?

« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

lire plus
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

lire plus
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

lire plus
Lire aussi :   Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin'ny lalana

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.