IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE LA RUE)
Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU “Tanora sy ankizin’ny lalana” avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

#2 – FA MANINONA IZY IREO NO ENY AMIN’NY LALANA ?
Antony voalohany : zava-nitranga nanimba ny sainy teo amin’ny fianakaviany avy amin’ny antony maro :
- Fahafatesana tampoka, herisetra ara-batana na ara-tsaina
- Tsy firaharahiana
- Fahatsapana fitondrana mitanila
Ireozava-nitranga nanimba saina ka tsy zaka no mahatonga ny ankizy mitsoaka ny fianakaviany. Mahatsapa izy fa ny fandehanany no manavotra azy, mahatsiaro tena ho nieren-doza izy ary mahita fialofana eny amin’ny lalana. Mahatsapa izy fa tsy manana ny anjara toerany intsony eo anivon’ny fianakaviany, mahatsapa fanavan-kavahana.
Ny fisitahan’ny ankizy eo anivon’ny fianakaviany dia voafaritra kokoa avy amin’ny “ fahatsapana tsy fanana toerana eo anivon’ny fianakaviana” noho ny hoe “fahatsapana fahaverezan’ny toerany teoanivon’ny fianakaviana”
Ilaina noho izany ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fametrahana azy amin’ny toerany eo anivon’ny fianakaviany.
Teboka famantarana #6
Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :
– Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
– Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo (…)
Teboka famantarana #5
IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE) Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998 Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i...
Teboka famantarana #4 : Lalana, tontolon’ny herisetra
IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE) Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998 Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i...
Teboka famatarana #3
Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany
Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?
Mizara ho sokajy 3 ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :
1 – Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory (…)