Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA

Fahasalamana no voalohan-karena : fanofanana nataon'ny SOLIMEDA

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.

Ekipa matotra miara-miasa anaty tetikasa maharitra

Mpianatra ho mpitsabo taona faharoa sy taona fahatelo no mivondrona ao amin’ny SOLIMEDA. Ireo zoky, ao amin’ny taona fahatelo dia efa nanao izao iraka izao teto Antsirabe ny taona 2017-2018, tamina fikambanana maro. Ireo zandry kosa, ao amin’ny taona faharoa dia nomanina ho mpandimby sy mpitarika ireo ekipa manaraka amin’ny taona 2019-2020. Fomba fiasan’izy ireo ny miara-miasa amin’izay fikambanana nofidiany ao anatin’ny roa taona mba ahafahany manara-maso ny fipakan’ny fiofanana nomeny. Amin’ny taona miditra izany dia mbola hiara-hiasa amin’ny Grandir à Antsirabe indray izy ireo.

Fampiofanana mifanaraka amin’ireo vondron’olona tiliana

Tao anaty tolak’andro in-2 no nanofanana ireo mpanabe momba ny “fanabeazana ara-pananahana” sy ny “vokadratsin’ny zava-maha-domelina” : ireo mpahandro ato amin’ny fikambanana kosa dia niofana momba ny “fahadiovan’ny sakafo”; ary farany dia nahazo fanofana momba ny “vonjy taitra” ireo ekipan’i Grandir à Antsirabe rehetra.

Ho an’ny ankizy raisina ao amin’ny CHT kosa indray dia lohahevitra efatra no nanentanana izy ireo: “ fampahafantarana mahakasika ny zava-mahadomelina”, “ny fanabeazana ara-pananahana”, “ ny  fialan-tsakana” ary ny “fahadiovan’ny vatana”. Notsindrina mafy nandritra ny fanentanana ny lagaly izay aretina nahazo ireo ankizy matory eny Vatofotsy.

I Aude, mpanabe matihanina miara-miasa amin’ireo ekipan’ny CHT, dia nanatrika ireo fiofanana rehetra :

“ Raha ny tokony ho izy, ny fanentanana dia natao  ho an’ny ao amin’ny CHT : ho an’ny mpanabe sy ny ankizy. Hita kosa anefa fa ny fiofanana momba ny vonjy voina dia mahakasika ny rehetra : may , olona sondrovaka na nijanona tampoka ny fitempon’ny fo, mety ho hita eny rehetra eny izany fa tsy ao amin’ny CHT irery  ihany. Nahafinaritra ny fiofanana ary nahaliana ny rehetra.

Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!

Nanomana fomba fanofanana ho an’ny ankizy koa ry zareo!

Tsy mihoatra ny adiny iray. Arakaraky ny lohahevitra dia sarahana ny kely sy ny lehibe: sady koa raha  25 indray miaraka, be loatra! Ankoatra izay ny zavatra resahana amin’ny ankizy kely dia tsotsotra ihany, fa ireo lehibe efa tena mahatakatra lavitra tokoa. Nampirisika ny ankizy handray anjara ireo mpampiofana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana; niezahana napetraka tsara mihintsy hoe tsisy fady sady tsy misy mahamenatra : Tsy tonga hitsara izahay fa tonga hampianatra sy hanampy.

Ny fanentanana momba ny  fahadiovana dia niompana manontolo amin’ny zava-misy amin’izao: lagaly , maro ny ankizy tsy tonga ao amin’ny CHT intsony  noho io aretina aretina io. Natomboka tamin’ny fanazavana ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ny vatana iray manontolo mba hiarovana amin’ny loto sy ireo aretina vokatrin’ny loto. Nampijerena horonan-tsary mampiseho ny bacteries sy ny olatra ary ny bibikely isankarazany, tahakan’ ireo izay miteraka ny lagaly. Farafaharatsiny aloha mba efa fantany : zava-dehibe ny nampisehona izany amin’izy ireo mba haharesy lahatra azy kokoa.

Avy eo dia miditra amin’ny fampiharana. Atondro azy ireo ny faritra tena mila sasana sy ny fomba fisasana : ny tanana, ny nify, ny “vody” rehefa avy any amin’ny trano fivoahana. Izany hoe, ireo pitsopitsony kely rehetra nefa koa tsy azo atao hoe tsisy dikany. Niara-miasa ihany koa amin’ny mpanabe ao amin’ny CHT mba ho entitra  eo amin’ny fanaraha-maso mandritry ny fotoana fandrona: misy amin’ireo ankizy mantsy no tsy manala akory ny akanjo ambany, izany hoe tsy misasa tsara. Olana tokoa izany satria aretina maro no mety ho azo amin’ny faritra saropady. Farany, nomarihina manokana ny maha zava-dehibe an’ilay hoe: “mampiasa ny zava-misy”: ohatra, tsara ny manana savony mba hisasana, nefa na tsy misy aza ny savony dia ilaina hatrany ny misasa amin’ny rano. Ilaina hatrany ny mampifanaraka ny resaka atao amin’ ireny ankizin’ny lalana ireny amin’ny zavatra iaianany.”

Fa tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fahazotoan’ireo ekipa SOLIMEDA!

“ Nizara tarika roa izahay: ny iray nampiofana ny mpanabe , ny iray kosa ho an’ny ankizy, mba hahazona antoka ny fampitana ny fampianarana amin’ny mpiofana tsirairay avy. Nametraka fanontaniana maro ny mpanabe ary hita tamin’izany ny fahazotoany te hahalala!

Tamin’ny nahatongavanay voalohany tato amin’ny CHT dia gaga izahay raha nahita fa faly tokoa ireo ankizy ireo ato amin’ny ivon-toerana. Ny fampahafantarana momba ny ankizy miaina eny an-dalana izay natrehanay rahateo dia nanampy anay hanova ny fijerinay azy ireo: afaka naka sary an-tsaina ny toerana misy azy izahay tamin’ilay lalao nandraisainay ny toerany. Tena nandona anay sy nanova ny fijerinay izany.

Ho an’ireo ankizy dia tsy maintsy nanova ny fomba fampiofananay mahazatra izahay, nitady fomba mampiala voly kokoa sy sarisary  mba hahaliana azy kokoa. Tsapanay fa betsaka ny zavatra tiany ho fantarina ary matetika izy ireo no mametraka fanontaniana mafonja sy mivantana. Mino izahay fa efa nety ny ezaka natao hifandray tsara tamin’izy ireo ary manantena koa fa azony tsara ny hafatra tianay ampitaina amin’izy ireo. Eto izahay dia misaotra indrindra an’ireo ekipan’ny fikambanana nanatrika izay nandika teny tamin’ireo ankizy sy niezaka nanampy fanazavana.

Tianay rehetra tokoa ny niasa teto, ary tsapanay fa misy tokoa ny fifandraisana eo min’ny fikambanana roa tonta: amin’ny heritaona indray e!”

Lohahevitra mifandraika amin’ny andavanandron’ny ankizin’ny lalana sy ny andraikitry ny CHT

Araky ny tenin’i Aude, “mameno betsaka ny hetsika efa misy ao amin’ny CHT ny fampianarana nentin’ny SOLIMEDA, ao anatin’izany ohatra ny fanabezana ara-pananahana iandraiketan’ i Nandrianina isam-bolana; eo koa, vao tsy ela akory izay, ny fanentanana momba ny fikolokoloina ny nify izay nataona mpitsidika iray.”

Tsy maintsy averimberina rahateo ireo lohahevitra ireo. Ary mahomby tokoa izany! Mahazo tsara ireo ankizy, farany lasa mahalala zavatra maro, betsaka noho ny hain’ireo izay mankany am-pianarana aza indraindray! Ilay izy rahateo olana efa iaianan’ izy ireo ireny matetika. Ny toaka, sy  ny zava-mahadomelina, ny fananahana, zavatra iainan’izy ireo eny amin’ny andavan’androm-piainany eny, matetika aza moa diso aloha loatra, alohan’ny faha 10 taona. Hita mihintsy ny fiatraikan’izany amin’izy ireo, ny faharatarany ara-pitomboana ohatra. Voamarika rahateo fa kely tokoa ireo ankizy ao amin’ny CHT ireo raha mihoatra amin’ny ankizy tsy miaina eny an-dalana.

Afaka milaza izahay fa nahita vokatra tsara tamin’ireny fahatongavan’ny SOLIMEDA teto. Na ny ankizy na ny mpanabe dia samy hita ho liana avokoa, betsaka ny fanontaniana napetraka ary nalalaka  tamin’ny fifananakalozan-kevitra; nahomby tokoa ny fampitana an-tsary, hita hoe tena velona sy mandresy lahatra ilay fanentanana.

Lire aussi :   Ny fanomanana ny nahandron'ny mpikambana
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA