Portrait: Ursula « la petite fée des soins » ao amin’ny CHT sy mandritra ny « maraude »

PORTRAIT : Antsoina amin’ilay anaran’angoty hoe « la petite fée des soins », i Ursula,  tonga tao amin’ny Grandir à Antsirabe izy ny volana janoary teo. Izy no ilay mpitsabo sy mpanara-maso ny fahasalam’ny ankizy miantrano ao amin’ny  CHT sy mandritra ny maraude. Sady mpanasitrana ny ferin’ny ankizy : ara-batana aloha,fa koa(ary indrindra)ny fanahy (saina).

Favicon Grandir Ailleurs Manahoana i Ursula ! Afaka mba lazainao anay ve ny mombamomba anao sy ny lalana nolalovanao?

Manahoana i Pamella ! Handray 27 taona aho izao, avy eto Antsirabe ary manan- janaka lahy kely iray . Tany Antananarivo  aho no nianatra ho mpitsabo mpanampy. Avy eo nanao stage tato amin’ny fikambanana Grandir à Antsirabe,ny volana Aogositra 2018,nitohy ny volana Novambra sy Desambra . Tao anelanelan’izay no nanaovako stage  famaranana ny fianarako tao amin’ny hopitalim-panjakana « hopitaly Atsimo »teto Antsirabe . Rehefa nifarana ny stage –ko ny volana desambra dia voaray ho lasa mpiasa raikitra aho : asa voalohany handraisana karama ho ahy

Favicon Grandir Ailleurs Ahoana no nahafantaranao an’ny Grandir à Antsirabe ary inona no nanintona anao  tamin’ny vinany?

Efa mpanabe sy tompon’andraikitry ny ekipa Accompagnement Social taloha tato amin’ny fikambanana anadahiko, Kleofasy. Miresaka momba ny asany am-pitiavana sy am-pifaliana foana izy ao an-trano ! nanampy ahy hahazo kokoa ny fiainan’ireo ankizin’ny lalana izany. Indray andro,nanontany azy aho sao mba mila mpitsabo mpanampy iGrandir à Antsirabe hikarakara ireo ankizy ireo. “Maninona moa?”hoy izy rehefa nieritreritra kely teo, “Mandehana,alefaso ny dossier-nao, ahaliana ny ao amin’ny “maraude” na any amin’ny CHT mihitsy izany izany!”.

Vao niditra voalohany tao amin’ny CHT (Centre d’Hébergement Temporaire) aho nazava Tamiko avy hatrany fa raha tiako tokoa ny hanampy , ny fomba tokana hahazoako manao  izany dia ny manolotra ny fahaizako rehetra hanampiako  ireo madinika indrindra.

  Mpitsabo I Ursula, sady ato amin’ny CHT no any amin’ny maraude, mba ifampazarao aminay hoe ry mpitsabo mahafatra-po ny tontolo andronao ato amin’ny CHT?

Mikarakara izay mahakasika rehetra  ny fahasalaman’ny ankizy aho: antsoin’ny mpiara miasa hoe : “la petite fée des soins”! Manaraka nyEquipe Mobile d’Aide any amin’ny Maraude ihany koa aho isaky ny Alatsinainy sy Alakamisy  hariva  manao fitsaboana tsotsotra, raha ilaina. Ao amin’ny CHT kosa ny Talata sy Asabotsy.Izay ny fotoana raikitra fa raha mbola mila ahy anefa ny CHT amin’ny andro hafa dia mandeha foana aho.

Ny tontolo androko ao amin’ny CHT: tonga aho amin’ny 5 hariva,toy ny ankizy aho. Atomboka amin’ny famakiana ny tatitra aloha ijereko raha misy zaza marary mila fikarakarana manokana. Avy eo, mijery aho sao misy tsy ampy ao amin’ny boatim-panafody: ny fanafody tena ilaina toy ny paracetamol na koa ny gouttes fatao amin’ny maso, pansement,cotton, alcool ,sns. Ilaina feno foana io boaty io. Afaka manatona hozahana tsirairay avy eo ny ankizy. Amin’ny ankapobeny,ny ratra kely ;ny kohaka sy ny sery, ny aretin-kibo na nify  no tena anatonany ahy. Fa nahitana trangana kitrotro maromaro kosa tamin’ny voalohan’ny taona teo, somary sarotra ny asa tamin’ireny satria saika voa avokoa ny ankizy. Raha misy mila fizahan’ny mpitsabo  dia izaho no mitondra azy any amin’ny hoptaly na any amin’ny dentiste.

Fanaoko ny mitantara trangan’aretina mitovy amin’ny azy efa hitako na nositraniko no sady manome torohevitra azy mba hahafantarany ny mahazava-dehibe ny fitandremana ny tena sy ny fahasalamana. Ankoatry ny fizahana ny aretina dia manara-maso ny fahasalamany amin’ny ankapobeny aho : mandanja sy manome vitamines na odi-kankana…

Mitovy amin’ny ankizy rehetra ihany ireo ankizin’ny CHT ireo rehefa miaraka amiko! Tsapako hoe efa zatra ny fisiako izy ireo ka dia matoky ahy. Mahavita mamorona aretina mihitsy izy mba hanatonany ahy fotsiny!(mihomehy). Ny tena marina, mba te ho henoina fotsiny izy indraindray. Izany rehetra izany dia efa hery entiko miatrika ny asako hanao  ny asako isan’andro.

 Favicon Grandir Ailleurs Betsaka izany asa izany!!! hoy ianao teo hoe mila mahay mifandray amin’ny rehatra amin’io asanao io. Aminao, inona ary ireo toetra tokony hanana amin’izany ?

Ohatry ny ao amin’ny CHT ihany,ny fanaraha-maso ny fanafody ao ho entina no anombohako azy. Avy eo dia mikarakara sakafo miaraka amin’ny ekipan’ny maraude; dia manamboatra ilay toeram-pitsaboana kely ao aorian’ny minibus.

Ny fandaharam-potoanako any  amin’ny maraude rehefa andavan’andro: miantso an’ireo ankizy marary aho hanatona ahy dia avy eo mizaha azy ireo. Rehefa tsy misy dia mandinika ny fihetsiny sao misy fa manafina. Anombohana ny resadresaka amin’izay marary foana ilay fanontana hoe: “fa naninona ianao?” Sady mitarika azy hiresaka. Raha toa ka sarotra ny aretina dia ataoko fotsiny aloha izay hampitony azy avy eo asaiko izy ho ao amin’ny CHT na omena fotoana ny apitso hitondrana azy any amin’ny hopitaly.Tsy adinoina koa ny manome azy ilay torohevitra kely mahazatra!!Izaho ihany koa no miandraikitra ny fizarana ny tickets ASF(Aromathérapie Sans Frontières) : ahafahan’ny ankizy mahazo fitsaboana maimaimpoana ao amin’ny fikambanana io.

Amin’izao fotoana izao anefa, miatrika areti-mifindra lagaly izahay, izay mila fanaraha-maso akaiky: miova tanteraka noho izany ny fandaharam-potoana rehetra.

Tamin’ny voalohany aloha, tsy sahy niteny izany taminay akory ny ankizy avy eny Vatofotsy(faritra iray be mponina amin’ny avaratr’Antsirabe); ny marina nafeniny mihitsy ilay izy. I Noro no nahatsikaritra fa lasa niova ny fihetsik’ireo ankizy; lasa toa miatakataka  fa  tsy toy ny mahazatra. Fantatra ihany anefa fa lagaly ireto mahazo azy ary nampatahotra tokoa na ny nijery izany fotsiny aza.

Noresenay anefa ny tahotra ka natombokay ny fitsaboana. Voalohany,tsy maintsy ampandroina amin’ny savony voatokana aloha ny ankizy tsirairay, indrindra eo amin’ny faritra misy fery. Ny toy izao indrindra no namoronanay ilay toerana kely voatokana ao aorian’ny minibus. Vita izay vao hosorana ilay menaka (huile essentielle maro nanfangaro) io no  fanafodynitsaboana ny lagalin’ny ankizy. Fanafody avy any amin’ny ASF hatrany, aminy farany dia soloina avokoa ny akanjony.

Manome savony ho azy ireo koa izahay  mba ahafahany misasa foana amin’ny fotoana tsy maha eo anay. Ampahafantaranay azy ireo hatrany ny maha ratsy an’io aretina io mba hanarahany tsara  ny fitsaboana. Afaka mody ao amin’ny CHT ireo ankizy efa sitrana.

Favicon Grandir Ailleurs Manana fahatsiarovana nanamarika anao ve ianao tao amin’ny Grandir à Antsirabe?

Fahatsiarovana “Ivelan’”ny fikambanana angamba no nisy raha ny marina kokoa! Vao nanomboka ny stage  aho  ny volana Aogositra  dia efa nifanarahana fa ao anatin’ny 3 volana tsy ankiato. Nisy fiovam-potoana anefa satria iray volana nanaovana stage aho,izany hoe tamin’ny Septembre, dia tsy maintsy niverina tany Antananarivo hanao fanadinana sy hanomana ny mémoire famaranana ny fianarako. Tsapako  indrindra raha vao tonga tao andrenivohitra fa tsy nahatsiaro ny ankizy aho! Tany vao tsapako fa niraiki-po tanteraka tamin’izy ireo aho. Noho izany antony izany indrindra no nahatonga ahy hiangavy tao amin’ny tomon’andraikitra handray ahy indray nony vita ny mémoire. Dia izao voaray miasa ato izao!

Favicon Grandir Ailleurs Fanontaniana farany ary e! Toetra manao ahoana no tokony hanananao amin’ny asa ataonao?

Fahaizana mikarakara,fahaizana miresaka am-pitoniana amin’ny ankizy,fahaizana miheno tsara sy mandray izay tian’izy ireo avoaka. Raha tsy izany dia tsy hahatoky ahy mihitsy izy ireo. Laharampahamehana indrindra eo amin’ny asako nefa izany fitokisana izany.

Portrait chinois…

Favicon Grandir Ailleurs Raha biby ianao dia ?

Bitro vavy: tsy mipetrapetraka fa mahita hietsehana foana no sady kinga

Favicon Grandir Ailleurs Toetra tsara/toetra ratsy ?

Mijery ny lafiny tsara foana : na eo amin’ny olona izany na zavatra ra toetra ratsy indray dia somary mandainga izay aho indraindray!

Favicon Grandir Ailleurs Raha zava-maniry ?

Akondro : maro anaka 🙂 ! 

Favicon Grandir AilleursAry raha teny filamatra kosa ?

“Tia ny namana tahaka ny tena”: aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hatao aminao.

Favicon Grandir Ailleurs Inona no zavatra nataonao nahafaly anao indrindra?

Na dia teo aza ny hakelezako dia niteraka ny zanako ara-dalana aho,tsy nodidiana,toa an’ireo rahavaviko.

Misaotra betsaka an’I Ursula tamin’ny resadresaka sy ny fifampizarana, dia misaotra an’i Pamella nananao ny fanadihadihana!

 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Fandaharan'asan'ny Trano fampiantranoana vonjimaika (CHT)
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Portrait: Ursula « la petite fée des soins » ao amin’ny CHT sy mandritra ny « maraude »