Portrait/ Noro, olon’ny asa sôsialy

PORTRAIT : I Noro, tompon’andraikitra ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-dalambe (PPER) Grandir à Antsirabe nanomboka ny taona 2015. Mampahafantatra antsika azy izy tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy.

Favicon Grandir Ailleurs Noro, mba lazalazao fohy aminay hoe ny lalana efa nizoranao ?

Mpanabe, io asa niandraiketako tamin’izaho niasa voalohany tato amin’ny fikambanana ny taona 2007. Avy eo dia lasa tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fitantanana ny kilasy mandry (internat) tato amin’ny fikambanana aho, izay efa nisolo ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy miaina an-dalambe (PPER). Amin’izao fotoana izao kosa aho dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandrindrana io Fandaharanasa io (Activités Jour, Equipe Mobile d’Aide, Centre d’Hébergement Temporaire, Accompagnement Social). Manampy ihany koa amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo ekipa mandrafitra ny Fandaharanasa.

Favicon Grandir Ailleurs Fa inona ary no nanosika anao hiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe e ?

Indray andro izay a ! nanao « entretien » tamina asa hafa izay aho. Rehefa vita ilay izy dia nentin’ilay lehibe nitsidika trano iray izay aho. Nony nandroso tao amin’ilay trano izahay dia nahita zaza narary natory teo ambony fandriana. Tena narary mafy ilay zaza, hany ka vao niditra tao amin’ilay efitra dia fofona ratsy aoka izany no niainana. Rehefa nivoaka tao izahay dia lasa nisaiko, nandona ahy loatra ny zavatra hitako. Nizara roa ny saiko avy eo, ny iray nanao hoe « zory ny lalanao » ny iray nanao hoe « ampio izy ». Nanomboka teo dia nitsiry tato anatiko ny fahavonona hanampy ny mpiara-belona amiko ary iny sehon-javatra iny no manosika ahy nisafidy asa manampy ny madinika.

 Favicon Grandir Ailleurs Ho avy manao ahoana no irianao ho an’ny fikambanana ?

Mirary an’ny Grandir à Antsirabe aho hihalehibe, hihalehibe sy hitombo hatrany araka ny anarany. Maniry koa ny mba hisiana fikambana hafa toa azy any amin’ireo renivohitra hafa. Ary frany dia indray andro any enga anie mba ho afaka hanokatra ivon-toeram-panofanana isika mba ahafan’ireo ankizintsika mandray an-tanana feno ny ho aviny.

Favicon Grandir Ailleurs Misy fahatsiarovana nanamarika an’i Noro ary ve hatramin’ny niasan’i Noro tato ?

Ny iray tsara indrindra ve ? Hum, ny fandraisako anjara tamin’ny fananganana sy ny fametrahana ny Fandaharanasa ho Fiharovana ny Ankizy miaina eny an-dalanambe (PPER). Taloha, kilasy mandry ihany no nisy, nefa rehefa nisy fikarohana natao dia naverina nojerena ny filana sy ny tanjona ary napetraka tao arinan’izay ny fandaharanasa vaovao.

 

Portrait chinois…

Favicon Grandir Ailleurs Raha biby ianao dia ?

Jaguar noho ny hatsaran’ny  endriny, ny volony sy ny hafainganany.

Favicon Grandir Ailleurs Ary raha héros ?

Ny tenako ihany angamba, isika rehetra izao mantsy dia tokony ho izany avokoa, hiasa ho an’ny filaminana sy fampandrosoana ny toerana misy antsika.

Favicon Grandir Ailleurs Raha zava – maniry indray ?

Bozaka maintso, tsara ery ny mandeha eny amboniny tsy manao kapa na kiraro. Mafianaritra aoka izany ihany koa ny matoritory eny amboniny. Sady tena tiko ny mijery azy ireny.

Favicon Grandir Ailleurs Toetra ratsy sy toetra tsara ?

Olona tsy dia mba be resaka aho fa rehefa afaka entitra tsara kosa amin’ny fotoana ilaina azy.

Favicon Grandir AilleursAry raha teny filamatra kosa ?

« Jamais un échec, toujours une leçon. »

 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Noely teny anivon’ny tontolo, tany amin’ny toeram-pambolen-kazo ho an’ny ankizy tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika !
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Portrait/ Noro, olon’ny asa sôsialy