
PORTRAIT : Nazava ho azy tato amiko hoe hiasa ho an’ny manodidina ahy aho. Misahana ny ekipa mpilatsaka an-dalambe amin’ny alina ao amin’ny Grandir à Antsirabe hatramin’ny taona 2013 i Felana. Mizara amintsika ny tantarany ary izy amin’ity lahatsoratra ity.
Hono hoy aho ry Felana, rehefa misahana ny ekipa mpilatsaka an-dalambe (EMA) amin’ny alina ianao, dia toy ny ahoana ny tontolo andronao ?
Raha ohatra ka ny Alatsinainy no resahina, dia manomboka izany amin’ny fametrahana ny fandaharam-potoana ny herinandro . Avy eo manao ny fanomanana ny maraude : ny hetsika atao, manaramaso ny entana rehetra tokony ho entina, ny fiara, ny trousse de soin. Vita ny fanomanana rehetra dia mikarakara sakofa ho an’ny ekipa handeha. Tsy adino ny dite izay ho zaraina ho an’ny ankizy izay hita eny an-dalana. Manomboka ny maraude amin’ny 08h alina ary mifarana amin’ny 11h. Misy mpanabe, mpiasan’ny fahasalamana sy mpitsidika ihany koa indraindray miaraka aminay. Ny ampitson’io dia dia manao tsoan-kevitra tamin’izay hita rehetra ny alina ny mpitsidika sy ny ekipa, mifampizara ny zavatra rehetra hita tany mba ahafahana manaraka ireo ankiz. Ankohatra ny asako amin’ny maha mpiandrikitra ny EMA ahy dia miaraka amin’ny ekipa ny Fanarahamaso ara-tsosialy (AS) koa aho.
Mba hazavao aminay aloha ilay atao hoe « maraude » e ?
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina no manao azy io izahay. Mandeha eny an-dalambe mijery ireo ankizy matory eny an-dalana. Mihezaka mamantatra ny antony nahatonga azy teny mba ahafahana manampy azy ireo hiverina indray any amin’ny fianakaviany sy ny firaha-monina na any amin’ny toerana afaka mandray azy hafa. Mihaino azy ireo izahay, mitsabo ihany koa ireo tsy salama, mampilalao azy ireo sy manabe azy amin’ny alalan’ireo fanentanana samihafa.


Inona no antony nisafidianana hiasa ato amin’ny Grandir à Antsirabe ?
Ohatra ny hoe antso angamba ! Rehefa avy niasa tamin’ny fampianarana sy ny resaka informatique taona vitsivitsy aho dia tsapako fa misy faniriana hafa ao amiko. Tia hiasa hanampy ny manodidina ahy aho. Izany no nahatonga ahy hiasa amin’ny Fikambanana.
Inona ny fahatsiarovana iray tsara indrindra ho anao tato amin’ny fikambanana?
Ny iray tsara indrindra ve ? Hum, ny fandraisako anjara tamin’ny fananganana sy ny fametrahana ny Fandaharanasa ho Fiharovana ny Ankizy miaina eny an-dalanambe (PPER). Taloha, kilasy mandry ihany no nisy, nefa rehefa nisy fikarohana natao dia naverina nojerena ny filana sy ny tanjona ary napetraka tao arinan’izay ny fandaharanasa vaovao.
Ahoana ny fihitana ny fikambanana any ahoriana any ?
Tsara ! Misy fahavitrihana miavaka ato amin’ny fikambanana. Mila tohizana sy tazomina izany. Isika ihany koa dia mitondra fanantenana ho an’ny ankizy miaina eny an-dalambe, maninona moa raha asiana maraude maromaro anaty herinandro iray ?


Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Liona vavy : tena tsara tarahery izy ireny sady mahavita mihatrika ady mafy, mamaritra tsara ny toetrako izany.
Ary raha héros ?
Nelson Mandela. Tena nijaly izy ho an’ny mpiray tanindrazana aminy ary niady mafy mba hanaovana ny tsara manodidina azy.
Raha zavatra indray ?
Finday, aminy alalany dia afaka mitoetra amin’ny toerana roa ianao. Sady afaka hanaovana zavatra maro tena ilaina hafa ko izy.
Toetra ratsy sy toetra tsara ?
Izaho tena tsara fanahy fa indraindray mahitsy loatra rehefa miteny dia mandratra ny olona sasany.
Toetra tsara ?
Tia karokaroka, ilaina be mihintsy amin’ny maha mpaka sary ny tena. Mila mandry ilika sy mandinika tsara ary mikaroka vao mahavita maka sary tsara.
Ary raha teny filamatra kosa ?
Ity dia avy aty amiko : « Araho izay lazain’ny fonao fa aza manaiky hararaotina fotsiny »
Ary raha taovam-pandrenesana iray amin’izy dimy ?
Ny maso, Izy no mahita ny zavatra rehetra, ahafahako mandinika ary ahafaako miasa avy eo
Hafatra farany ary Felana a!
Misaotra ny rehetra miasa hanatsara ny Fikambanana. Tena mahafinaritra ahy ny miasa ato isan’andro miaraka amin’ny ekipa.

“Maraude” : andao ho resahantsika !
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!
Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
“Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina” : fanentanana tao amin’ny CHT
SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !
Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !
Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT.
Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA
Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!