
PORTRAIT : Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
Mamy, ahoana no nahatongavanao tato amin’ny fikambanana ?
Tao amin’ny OSCAPE no niatomboka ny tantara. Niditra ho mpilatsaka antsitrapo tao amin’ny OSCAPE no nanombohako, nanampy an’i Madame Manou, mpandrindra ny tambazotra OSCAPE. 2 volana ihany no nanaovako an’izay dia voaray hiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe aho. Voaray ho mpanampy an’i Elysé sy Toky tamin’ny fikirakirana ny ara-taratasy sy ny ara-bola. Niasa ho an’ny Grandir à Antsirabe sy ny « agence de voyages solidaires » Rencontre avec Dago nanomboka hatreo.
Tahaka ny ahoana marina ary ilay hoe mikirakira tarehimarika e ?
Manampy eo amin’ny fitantanam-bola, manara maso ny fovoahan’ny vola amin’ny fividianana ireo entana samihafa, mandoa ny volan’ireo mpiara-miasa, manara-maso sy mikarakara ny fanalavàna ireo « visas » mpilatsaka an-tsitrapo vahiny miasa ato.

Mba izarao fahatsiarovana nanamarika an’i Mamy tato amin’ny fikambanana ary hoe !
Anisany amin’ireo fahatsiarovana nanamarika ahy tato ny fiarahana amin’ireo ankizy ao amin’ny CHT tamin’ny alin’ny fanokanana ny trano vaovaon’i fikambanana. Tamin’izay mantsy dia nahandro sakafo matsiro be mihintsy ny mpahandro mafinaritra ato dia niaraka nisakafo daholo ny mpiasa sy ny ankizy. Nofaranana an-kira tamin’izay ny fiarahana misakafo. Fotoana tena mamy sy nafana aoka izany.
Nahoana ary no ity fikambanana ity no nofidin’i Mamy fa tsy hafa e ?
Anisan’ny firenena mahantra indrindra eto antany i Madagasikara, ny fahatsapako an’izany no nanosika ahy hanampy ireo mpiara-belona amiko.
Ohatry ny ahoana no ahitanao ny ho avin’ny fikambanana ?
Faniriako hoe mba hiverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviana indray ireo ankizy raisina ao amin’ny CHT, sady mba ahatsapa fa tiana.


Portrait chinois…
Raha biby ianao dia iza ?
Voromahery, manana ny hasiny mantsy izy ireny.
Ary raha zavatra ?
Finday, satria sahirana be mihintsy aho ra tsy misy azy
Ny toetra tsara sy toetra ratsy ary e !
Ny fahasahiana ilay voalohany dia fahasarota-kenatra ilay faharoa. Satria izao a ! mitaky fahasahiana be amiko mihintsy izany hiteny imason’olona izany.
Hafatra farany avy amin’ i Mamy ?
Faly be aho miasa ato amin’ity fikambanana ity. Miasa mafy sy miezaka daholo ny mpiasa ato mba hanatanterahana ireo tetikasa maro entina hanampiana ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana. Mba hanohy hatrany ny lalana anie i Grandir à Antsirabe.

Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin’ny lalana
Izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
Alakamisy 22 martsa 2018 : fitokanana ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe
Fotoana mipetraka ho tantara Mipetraka ho tantara mipetraka sy dingana lehibe ho an’ny fikambanana ny nanokanana ny trano fandraisana vonjimaika ny alakamisy 22 martsa 2018 tao amin’ny fokontanin’Ampatana Antsirabe, asa izay notanterahina tao anatin’ny enim-bolana !...
Ny fanomanana ny maraude
(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...