« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zav-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT nataon’ny SOLIMEDA

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.

I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Sary miaina kely ary aloha hanombohana azy !

« Alatsinainy ny andro, voalohan’ny volana jolay, nipaika ny tamin’ny 6 ora sy sasany, efa ela no maizina ny andro! Ririnina tokoa ny andro! Ireny fa nivoaka ny trano fidiovana ny ankizy: manodidina ny folo eo izy ireo, nangatsiaka angamba fa niazakasaka haingana hiditra ato ato antrano, somebiseby ery manao ny akanjo mandriny avy.

Efa ireo i Agathe, i Anaïs , i Hélène ary i Maureen, mpikambana 4 avy ao amin’ny fikambanana SOLIMEDA, fa efa vonombonona miandry ny ankizy, io eo koa i Nandrianina, mpiandraikitra ny fanentanana ato amin’ny fikambanana : ity no fanentanana fahefatra sady farany ataon’ireto tanora avy ao amin’ny SOLIMEDA ireto amin’ny ankizy ato amin’ny CHT. Hiresaka momba ny zava-mahadomelina: sigara, toaka ary rongony izahay anio hariva.

Natomboka tamin’ny fandefasana sary miaina fohy fanentanana  : nandeha moramora ity vorona iray ary nahita zavatra (voankazo) iray boribory miloko mavomavo toa volamena. Nisotro ny ranon’ ilay izy iza ka nanjary niova loko sy nanidina teny amin’ny habakabakaba niloko mavo, rotsirotsian’ny mozika malefaka; nitontona moramora tamin’ny tany indray izy avy eo ary niverina tamin’ny tontolony izay mainty sy fotsy. Nanohy ny diany hatrany izy ary nahita an’ilay zavatra boribory indray, mbola nogohany indray io dia finaritra ery izy nankafy ny fafinaretana naterakan’izany teo eo amin’ny tenany sy ny tontolony indray. Tsy dia naharitra toy ilay teo aloha instony anefa ilay fafinaretana. Haingana dia tapitra ilay izay sady  toa niverina tampoka tamin’ny tontolo tena izy. nitohy hatrany ny horonan-tsary. Niha miloko volondavenina ilay vorona, niha fohy dia fohy ny fahatsapany ilay fafinaretana, lasa nanenjika ilay zavatra miloko mavo sisa no nataony, farany niha-maizina ny tontolo nisy azy.

Fizarana voalohany : Ny sigara

Natombokan’i Agathe tamin’ny fanontaniana an’ireo ankizy ny resaka : efa nifoka sigara ianareo? Inona no antony? Ny iray nitantara ny areti-nifiny izay tsy nitony raha tsy nihinana paraky, ny hafa indray, ny fitarihan’ny namany. Nampisehoana sarina nify mainty sy efa simba tanteraka izy ireo avy eo: nankaloiloy ahy ny nijery izany fa nampihomehy kosa an’ireo ankizy! Nijanona tampoka ny hehin’izy rehetra  nampisehoana ity sarina havokavoka mainty sy efa godraka. Nanontany ny ankizy iray hoe : « Toy izao ihany koa ve ny voka-dratsiny na dia tsy atelina aza ny setroka rehefa mifoka sigara ? », iray hafa kosa nanontany raha mbola afaka averina amin’ny taloha ireny fahasimbana ireny : tsapa mihintsy hoe voakasiky tanteraka izy ireo.

I Anaïs indray no nandray ny fitenenana teto amin’ity fizarana faharoa ity. “Iza avy no efa nisotro toaka?”, nitsangana avy hatrany ny tanana maro izay efa tsy taitra amin’io fanontaniana io intsony. Ny antony? Betsaka ary matetika tsy ampoizina: ny hanoanana, ny hatsiaka, ny iray nisotro izany ho toy ny fanafody, ny sasany indray faly be avy nampiady akoholahy! Eto koa dia hitako ho tena mahalala zavatra tokoa izy ireto: hainy tsara ny mitantara ny hafanana misoko ao amin’ny tratra, ny fiovan’ny famindra rehefa avy nisotro betsabetsaka izay.

Avy eo dia azavain’i Anaïs toa an’ilay lohahevitra momba ny sigara teo ihany koa ny voka-dratsy sy ny loza mifandraika amin’ny fisotroan-toaka. Nasehony ara-tsary ny faritra miasa amin’ny ati-dohan’olona iray mamo izay hita vitsy anisa tokoa mitaha ny ao amin’ny ati-dohan’olona salama tsara. Gaga ity  ankizy iray: “ izaho nefa, rehefa misotro dia mahatsiaro zavatra be dia be.” Samy mitantara eo ireo ankizy, tsara izany sady ahafahana manitsy ireo hevi-diso fantany.

 

Ny rongony

Roa na telo amin’ireo ankizy ihany no voakasik’ity lohahevitra izay entin’I Maureen ity. Ny rongony amin’ny ankapobeany, dia mahatonga azy ireo hahatsapa ho toy ny matanjaka be ary manampy azy amin’ny filanjana zavatra mavesatra izany, rehefa miasa izy; dia toy ny sigara ihany koa, ny namany ihany no nianaran’ireo izay efa nanandrana ireo.

45 minitra izay no lasa, manomboka reraka ny ankizy ka fotoana tokony ijanonana amin’izay angamba izao.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin'ny lalana
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy.

MG

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT