Isan’ireo stagiaire nametraka ny anjara birikiny tato amin’ny Grandir à Antsirabe I Sylvain sy I Princia. Ankoatry ny hetsika maro efa nandraisany anjara tato amin’ny fikambanana dia mbola faly tokoa izy ireo nanolotra zava-baovao ho an’ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hébergement Temporaire (CHT). Hetsika iray mampiala voly sy manampy ny ankizy hivelatra ara-batana sy ara-tsaina ny fanatanjahan-tena. Izany indrindra no nanosika an’izy mianadahy hanao ilay hetsika baolina kitra, efa in-droa miantoana sahady izay no niara-nilalao teny ambony kianja ny ankizy!
Fotoana iray ahafahana miala kely ny mahazatra.
Ny Alakamisy 10 Jolay no voatondro nanombohana ny hetsika. Efa nafarana avokoa ny ankizy mba ho tonga amin’ny 1 ora atoandro tsy diso ao amin’ny Grandir à Antsirabe fa hanao baolina. Tsy diso tokoa satria 30 min talohan’izay aza dia efa nisy niandry sahady teo antokotany. Zava-baovao rahateo moa izy ity ka na ny mpanabe aza mba tsindrin-daona ihany. Nifanindra an-dalana tamin’ny lalao fifanintsanana nataon’ny Barea tany Egypte koa ka tsy mahagaga raha somebiseby avokoa ny rehetra raha vao resaka baolina kitra.
Tamin’ny 1 sy sasany teo : roso ny dia ho eny amin’ny kianjan’ny FOFAMA rehefa avy nifanisika tamin’ny fisasana teo antokotany teo. Faly aoka izany ny ankizy, mipelika etsy sy eroa ka sahirana mihitsy ny mpanabe nandamina azy ireo teny an-dalana. Miisa 19 izy ireo no tonga mavitrika hanao ny match: I Roget, Faly, Dadahery, Lovatiana, Elvis, Erica, Joël, Narovana, Nantenaina, Jessica, Frank, Mickaël, Olivier, Fandresena, Tongasoa, Naivosoa, Patrick, Njara, ary i Faniry izay vavy tokan’ny mpanao baolina kitra aloha hatreto!
Fotoana iray ahafahana miala kely ny mahazatra tokoa izy ity. Saika niara-nirona nanotrona azy ireo avokoa ny mpanabe rehetra narahan’ireo bénévoles mafana fo an’ny Grandir à Antsirabe.


“Zay tsy kely zoky an!”
Vatany vao tonga teny an-toerana dia nifandrombahana sahady ny baolina ho lalaovina. Araka ny maha lalao sady fanabeazana azy ity anefa dia nampianarina azy ireo aloha ny atao hoe fifandaminana. Efa may ihany ny ain’izy ireo raha vao nahita ny kianja be ka maro ireo namaly boraingona fotsiny ny mpanabe izay niezaka nanome ny toromarika. Efa zatra sy mahay mifampiresaka amin’izy ireo ny mpanabe ka zary lasa fifamaliana mahatsikaiky indray aza no niafaran’ny resaka.
Natomboka tamin’ny fanafanan-tena aloha ary ny lalao. Tsy mahazo mandray baolina mihitsy raha tsy efa samy mafana tsara avy niazakazaka manodidina ny kianja.
Raikitra amin’izay avy eo ny fizarana ekipa. Sarahana aloha ny kely sy ny lehibe mba ampisy ny fifandanjan-kery. “ Iza no lazain’ny zoky fa kely?” hoy ny sasany. “ Za aza ve bokona be de!” hoy ny hafa rehefa voasokajy ho ao amin’ny kely izy. Misy moa ny midongy fotsiny tsotra izao hiaraka amin’ny lehibe. “Raha vodonan’ireo anie ianareo maivana kely ireo ka hipitika torana ery e!!” hoy I Zoky Toumba miaraka amin’ilay fiteniny entitra arahana sarin-teny mahatsikaiky. Nanaraka moramora ry zalahy ny farany. Mbola hita taratra eny ilay fatahorana raha vao miala ao anatin’ ny vondrona misy ny mpiaro.
Ao ihany koa ireo izay efa miady avy any ivelany any ka tsy manaiky hiray vondrona amin’ny “fahavalony”. Eo indrindra no miasa ny mpanabe mampiray ireo izay fantatra fa tsy mifankahazo. Rehefa iray tarika ao mantsy izy ireo, tsy maintsy hiara-hiasa hampandresy ny ekipany. Ary dia mihavana ny farany.

Lalao manara-pitsipika no tanjona
Rehefa samy nahazo ny anjara fitafiany avy ny rehetra dia roso amin’izay hilalao. Ny kely aloha no miakatra voalohany, ny lehibe kosa miandry. Ao anatin’ny fampianarana azy hahay hiandry tantana rahateo izany.
Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy. Ny tabataba moa tsy lazaina intsony, somary arahany teny maloto kely aza eny antsefatsefany eny. Ireny anefa ilay maha ankizin’ny lalana azy, eo no ilaina ny mpanabe hanitsy.
Omena azy ireo ny fitsipika tokony arahana ao anatin’izany baolina kitra izany. Sady mitarika azy tsikelikely hahay hanaraka ny fitsipika rehetra misy amin’ny fiainanana andavanandro, izay hita fa mbola mila ezaka be ho an’izy ireo. Naneno ohatra ny kiririokan’ny arbitre: “main!!”, dia rotitra akory izato izy nanao hoe : “mandeha ny lalao fa ny antsika tsy misy an’izany main izany!”. Mifono fanabeazana sy fitezana ity hetsika ity fa tsy lalao fe lalao fotsiny.

Hanangana “Barea” kely isika !
Ankoatry ny maha lalao ara-panabeazana sy fialam-boly azy izay, ity baolina kitra ity ihany koa dia natao indrindra hivelaran’ny ankizy amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny maha- ankizy azy moa, manana tanjaka sy vitrika be dia be izy. Matetika anefa eny amin’ny fiainany andavanandro eny, tsy dia hitany loatra izay hampiasany izany tanjany izany. Izany matetika no mahatonga azy ireo somary mahery setra sy tia ady na dia mbola zaza aza. Fomba iray ahafahany mamoaka izany heriny izany ny filalaovam-baolina. Hamenoana ihany koa ny banga eo amin’ny hetsika ara-panatanjahan-tena tsy ampy ao amin’ny CHT.
Manana talenta ihany koa ireo ankizy ireo saingy mijanona fotsiny any anatiny any ireny. Ezahana trandrahana araka izany ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hahafahana manangana ekipa iray hitondra ny anaran’ny Grandir à Antsirabe. Vao maika mampitombo ny fahavitrihany aza moa ny fieretreretan’izy ireo ho tonga Barea rahatrizay!
Namaranana ny firahana ny fizarana ady ambava fo ho an’ny mpilalao sy ny mpijery.
Na lasa aza i Princia sy i Sylvain dia mitohy hatrany ny filalaovana baolina!


