BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,…

BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fifandraisana, fialam-boly, ...

Marion, bénévole avy amin’ny Grandir Ailleurs masoivohony ato amin’ny Grandir à Antsirabe no mifampizara amintsika momba ny BiblioPousse natrehany, izy no mitantara eto.

 » Alakamisy maraina, somary nanjombona ny andro, fa tsy maninona io : tsy mahasakana ny bibliopousse izany. Sady ny toetr’andro eto Antsirabe ange, tsy hitahita toy ny nahatongavan’ireo rahona ireo teo koa no mampiala azy teo e ! (ririnina ny andro e ! tsy mena-mivadika toa andro ririnina).

Somebiseby ery i Hanta, tompon’andraikitra ny « Activités Jour » manomakomana. Navoaka aloha ny posy mareva-doko aoka izany, efa namboarina ho lasa toy ireny fitoera-boky ireny. Mifantoka mihintsy izy mandamina ny boky ao anatiny araka ny karazany avy : BD, boky tantara ho an’ny ankizy, boky feno sarisary, sns. Iny koa i Toky tamy avy any mitondra « bidon » mavo feno rano : atao inona ary?

Tamin’ny 9ora25, niainga !

Maromaro izahay no tafiaraka tamin’io : Hanta, Claudine, Toky, Princia de izaho (Marion) ireo izahay no avy ao amin’ny Grandir à Antsirabe fa nisy vahiny mpitsidika 4 mianaka avy amin’ny Grandes Latitudes, izay hanaovana ny fanentanana momba ny ankizin’ny lalana sy mandray anjara amin’ireo atrikasa ataon’ny fikambanana. Dia niara nizotra ary ny rehetra namonjy ny terrain pédiluve eo akaikin’ny CHT eo ihany mo io. Isaky ny alakamisy maraina toy izao ny fanaovana ny bibliopousse, miovaova toerana isaky ny erinandro! fa tsy hoe eto akaikinay eto ihany : amin’izay, tsy misy mifampialona !

Fa inona tokoa aloha ilay hoe BiblioPousse e ?

Iray amin’ireo « Activités Jour » izy ity, natao ho an’ireo ankizy eny amin’ny lalana eny. Mandritra ny andiny 2 no hanaovana ireo « Activités Jour » tsirairay : « DanselaRrue », « CinéRue », « BiblioPousse ». Fa eto aloha « BiblioPousse » no resahana. Tanjona amin’azy ity ny hitondrana ireo boky manatona ireo ankizy eny amin’ny toerana misy azy ireo. Eto izany dia ny boky no manatona ! Fanazarana azy ireo ihany koa izatra boky sy hamoafoha ny fitiavany mamaky, haintsika tsara ny soa entin’ny famakiana boky ! Tsy ireo ihany ny vokatsoa kendrena rehefa alalinina…

Ara-potoana tsara satria nipaika ny tamin’ny 9ora30 tonga teo amin’ny fipetrahana mahazatra. Efa fantatran’ireo ankizy tsara vao avy izahay dia efa indreo izy rehetra nitangorongorona naka toerana, teo amin’ny 20 teo angamba ! Dia navelatra ny jiafotsy hipetrarana. Avy eo, nandahatra ny ankizy i Toky : tsy niandry baiko ela dia tafalahatra ry zareo, efa hita mihintsy hoe efa zatra e ! Niainga avy any ny « bidon » mavo ! Ay kay izy ity misy rano hanasana ny tanan’ny ankizy, dia iny i Princia mambosaka ny rano anaty zinga kely dia misosana ny ankizy manasa tanana miaraka amin’ny savony tsy adino.

Indray andro ony…

Maka toerana amin’izay rehefa madio ny tanana. Fa alohan’ny fitantarana tantara aloha dia nanao fanentanana fohifohy momba ny finamanana i Hanta sy Claudine, lohahevitra amin’ity volana ity. Samy mandray anjara amin’izay na ny ankizy na ny mpanentana : inona rankizy ny atao hoe finamanana ? Manao ahoana izany namana izany ? Dia raikitra ny adihevitra, afaka miteny daholo fa tsy mahazo mifanapa-teny, izay miteny dia henoina tsara.

Manaraka… « 1, 2, 3 chttttt » : mangina ! raikitra amin’izay ny tantara, tantarain’i Hanta sy Claudine. Tena oatran’ireny mpilalao tantara ireny mihintsy izy roa vavy, miaraka amin’ny lanto-peo sy ny fihetsika, tonga liana avy hatrany ny mpihaino. Manasa ny ankizy ihany koa ry zareo handray anjara, ohatra hoe mamerina ny ataon’ilay ao anaty boky na mamerina ny resaka. Mbola tanjona amin’ny « BiblioPousse » koa ny mikolokolo ny fitadidian’ny ankizy sy ny fahaizan’izy ireo mamintina : rehefa vita mantsy ny tantara dia mifampizara ny zavatra tadidiny tamin’izay henony teo ny tsirairay.

Vita izay, lasa amin’izay maka boky ao anaty « BiblioPousse » ny tsirairay. Kinga ery izy rehetra maka boky jerena, fa mila milamina tsara satria soa dia manimba boky ! Betsaka amin’ny boky no amin’ny teny frantsay fa tsy manakana azy tsy hamaky izany, satria ny sary ihany no jerena dia mazava ny tantara. Ny lehibe rahateo moa tsy lavitra manazava azy ireo ny soratra raha ilaina.

Avy mamaky dia milalao !

Rehefa tapitra ny fotoana famakiana dia averina tsara amin’ny toerany ny boky, avy eo lasa manao boribory fa hilalao ! Kilalao voalohany « killer » : manao fihetsika mitovy daholo ny ankizy rehetra, fihetsika asain’ny « chef » atao, dia ilay « détective » eo afovoan’ny borobory mamantatra hoe izy ilay « chef ». Rehefa in-3 tsy mahay ny « détective » dia mandihy, arahan’ny orakorakan’ireo namany ! Kilalao hafa indray « tomate » : manao boribiry ihany, dia misy ankizy roa mifanenjika maka ny toeran’ny iray; dia misy « bombe » miaraka amin’izay, hatolotra ny eo akaiky haingana dia haingana. Raha mitaraikiraiky eo dia mipoaka ny baomba ! Rehefa avy nampiasa saina kely dia manala azy !

Tonga ny tamin’ny 11ora30, vita ny kilalao farany, toy ny fanao mahazatra, mifanao veloma, lazaina ny fandahara-potoana amin’ny erinandro ho avy, any amin’ny toerana hafa indray. Amin’io ihany koa no hampantsiahivina sy hanasana ny ankizy hijery ny « CinéRue » ny apitso, isaky ny zoma hariva. Mody any amin’ny « asso » amin’izay avy eo.

Fanolokolona ny fitiavana boky …. Tsy izany ihany fa!

Tapak’andro maraina tena nahafinaritra tokoa iny ! Tsapa mihintsy oe efa misy fifankazarana sy fifandraisana eo amin‘ny ankizy sy ny avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe : efa mifankafantatra tsara ry zareo tsy misy fifampiafahafana intsony.

Araka ny efa nambarako tery ambony dia hanaitairana ny fitiavana boky eo amin’ny ankizy, hanamorana ny fahitany boky ihany koa, ny tanjona amin’ny BiblioPousse. Tsy mijanona amin’izay fotsiny anefa, katsahana ihany koa ny hametraka fifandraisana, fihaonana sy fifanankalozana amin’ny ankizy, miaraka amin’ireo fombafomba kely ifankazarana. Ny fifanomezana fotoana isaky ny erinandro aloha voalohany. Dia ireo hetsika fanao rehetra rehefa mihaona : fanasana tanana, famakiana tantara miaraka, famakiana boky isan’olona, ireo kilalao.

Ny votoatin’ireo boky vakiana na ny fanentanana atao dia mikendry fanabeazana ho an’ny ankizy ankoatra ny famakiana boky : toy ny, fahadiovana, amin’ny alalan’ny fanasana tanana. Na ny fanajana : mila manaja ny boky, mihaino rehefa misy miteny sy mangina, mifantoka.

Hamaranana azy, ny tanjon’ny BibliPousse, sy ireo « Activités Jour » rehetra dia entina hampafantarana an’i Grandir à Antsirabe. Eo amin’ny ankizy aloha ; ary indrindra eo amin’ireo ankizin’ny lalana izay mirenireny eny mety ho liana amin’ireo asan’ny fikambanana : ny Trano Fampiantranona Vonjimaika (CHT) na ny Fanaraha-maso ara-tsôsialy (AS) ohatra.

Hanta a ! aiza ndray ny BiblioPousse amin’ny manaraka ? »

Isaorana Marion amin’ny fifampizarana feno nataony mahakasika ny BiblioPousse.

Lire aussi :   Zo fototra ho an'ny ankizy ny miaina anivon'ny fianakaviany
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,…