
PORTRAIT : Nanomboka tamin’ny taona 2013 no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe i Toky. Misy an’i Toky avokoa ny toerana rehetra.
Hatrany any birao amin’ny maha mpanampy amin’ny fitantanan-draharaha sy ara-bola azy. Hita miaraka lalandava amin’ny ankizy ihany ko amin’ny maha ekipa mpilatsa an-dalambe amin’ny alina azy (EMA) amin’ny « maraude » sy ny maha tompon’andraikitra ny CinéRue azy. Fiantsoantso sy fiangaviana amin’ireo asa madinidinika hafa ihany koa. Ankoatra ny sehatry ny asa dia mankafy mahandro sy mikirakira mozika ranamana.
Zarao aminay aloha Toky ny miafina ao ambadikan’izany andraikitra maro sahaninao izany ?!
Ampahany amin’ny asako ny mandoa ireo fakitora , ny mandrindra ny fandeham-bola na ihany koa mandeha any amin’ireo biraom-panjakana samihafa amin’ny fikarakarana ireo taratasy isankarazany. Somary mampivezivezy kely io andraikitra io, indraindray eto Antsirabe ihany indraindray miakatra any Antananarivo. Ankoatra izay, isaky ny alatsinainy sy ny alakamisy alina, mandeha manao « maraude » izahay ao amin’ny Ekipa Mpilatsa An-dalambe amin’ny alina (EMA) : manentana sy manao ireo kilalao iarahana amin’ny ankizin’ny lalana tsidihanay eny. Anisan’ny tena tiako io asakao io. Mbola misy ilay fanomanana ny CinéRue ihany koa, izay atao isaky ny zoma hariva. Mandefa horonan-tsary na dessin animé na horonan-tsary fanadihadihana eny an-dalana izahay.
Mahakasika an’io asa farany io ahoana no ifidiananao ny zavatra alefa ?
Afaka mijery daholo aloha na ny kely na ny lehibe. Araka izany dia mila mety ho an’ny rehetra ny zavatra alefa. Mifototra amin’ny fanabeazana sy fampialana voly hatrany ny horonan-tsary alefa. Miezaka ihany koa hoe horonan-tsary vao vaovao no ampijerena. Tiako ihany koa hoe mampahafantatra zavatra maro ho azy ireo ny horonan-tsary fidina.
Misy fotoana tokoa hono mahandro Toky…
Ie ! Alohan’ny andeha « maraude », miaraka misakafo daholo aloha ny ekipa. Matetika hoe izaho no eo alohan’ny vilany mikarakara ny nahandro. Mila atoa matsiro mba hampazoto homana ny rehetra.

Nahoana kay Toky no nisafidy hiasa ato amin’ny Grandir à Antsirabe ?
Mpametaka ireny « paraboles » ireny ny asako taloha, no sady nanao mpanentana sy DJ tamina karaoke iray. Nisy fotoana ihany koa aho nanao mpanentana ara-pananahana tamin’ny tanora ; ankoatra izay dia efa niasa tamina orina iray izay aho, mpanao pompin-drano tamina toerana misitaka an’Antsirabe, afaka nifanakalo tamin’ireo mpisitraka aho tamin’izany. Tamin’izany no nahafantarako hoe aleo miasa amina zavatra tiana sady manampy ny mpiara-belona : dia Grandir à Antsirabe tafiditra tsara ao anatin’izany !
Inona ny fahatsiarovana iray tsara indrindra ho anao tato amin’ny fikambanana?
Takariva iray izay, niarahana tamin’ny ankizy sy ny mpanabe ary ireo mpitsidika avy amin’ny Grandir Aventure. Niara-nihira sy nikalokalo teo amoron’afo izahay tamin’izay. Nisy fitonotonona hena sy masikita ihany koa. Takariva nahafahana nifanakalo sy nihomehy niaraka : tena mbola tsaroako foana !

Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Boloky! satria tiako ny mampiomehy olona amin’ny famerenako ny fomba fitenenany
Zava-maniry ?
Hazo, ialokalofana raha sendra hain’andro. Hangalan’aina raha sendra havisanana. Iresadresahana sy ifanankalozana.
Ary raha héros ?
Kyle XY, mahay manamboatra ireo zavatra simba rehetra.
Zavatra mamy ?
Chocolat amin’ny Saint Valentin. Tonga dia mitsonika avy hatrany ao am-bava, mampatsiaro zavatra maro ny tsirony.
Toetra tsara ary e?
Tia manampy olona aho!
ary toetra ratsy ?
Tsy mahatapaka-hevitra aho, misy fisalasalana foana.
Hamaranana azy ary?
Hoy aho hoe ” l’avenir appartient à ceux qui se lèvent tôt ” ! Afaka manomboka alohan’ny rehetra ianao raha mifoha maraina.

“Maraude” : andao ho resahantsika !
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!
Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
“Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina” : fanentanana tao amin’ny CHT
SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !
Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !
Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT.
Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA
Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!