Fivoahana niaraka tany Ranomafana Betafo

Fivoahana niaraka, tany Andranomafana Betafo, ny zoma 12 aprily lasa teo

Nivoaka kely ny renivohitra Antsirabe indray ny ekipa Grandir à Antsirabe sy ireo ankizy miantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika ny zoma 12 aprily lasa teo. Nifampitaona maraina ny rehetra io andro io handeha hitodi-doha ho any Betafo hilona rano mafana sy hiala voly. 

Lasa izao…

Vao nipaika ny tamin’ny 8 ora sy sasany dia namonjy ny toerany tao anaty fiara ny rehetra. Tsindrin-daona ery, ity indray mantsy ny fivoahana voalohany niarahan’ny ankizy sy ny ekipa tamin’ity taona ity. Nafana tokoa ny fiarahana teny ambony fiara. Tsy hita hita akory dia tonga. Lany vetivety ery ny lalana. Nanondro tamin’ny 9 sy sasany ny ora no tonga teny an-toerana. Nilamina ny rehetra niandry ny fandaharam-potoana. Tsara omana ery ity fivoahana indray mitoraka ity , vao telo andro mialohan’izao mantsy dia efa nahazo ny fandaharam-potoana ny ekipa rehetra. Mankasitraka ny mpikarakara !

Izaho no…

Nifankafantatra tsara aloha ny rehetra alohan’ny zavatra rehetra. Ny ankizy mila mahafantatra tsara ny ekipa, ny ekipa ihany koa torak’izany. Toa anaty hehy sy tehaka no nanatontosana izany. Tafiditra tsara tao anaty ny fiarahana ny mpitsangatsangana, tsy nisy nifampihafahafa. Nomena ny toromarika rehetra ny ankizy tao aorian’izay. Izay no ela dia…

Andeha hilalao rano mafana!

Hafaliana ny an’ny ankizy nitsoraka sy nitsambikina tao anaty « piscine ». Vao nahita rano izy rehetra dia nijoboka avy hatrany. Akory ny hagagan’ny mpanabe fa na ny tsy nahay nilomana aza tsy nisalasala kely akory. Dia nilomana, dia nihomehy, dia nilalao rano, dia nilona rano! Etsy andanin’izay tsy tapaka mihintsy ny fanafanana ny sehatra ataon’ireo mpideboka « tam-tam ». Niaraka tany ihany koa mantsy ny mpampianatra mozika azy ireo. Dia natokana manontolo ho an’ny filalaovana rano mafana tao amin’ny « piscine » ny tapak’andro maraina. Niakatra ny masoandro , nahatsiaro noana. Tsy tapaka akory ny tenin’ilay niteny hoe noana dia tonga ny koba mafana. Mmmhh koba mafana miaraka amin’ny voanjo sy akondro. Nankafy ny rehetra ! Niomana tamin’ny rehetra tokoa hoy aho ny mpikarakara e ! 

Hisakafo ô!

Rehefa afapo ny ganagana nahita rano kely rehetra dia niroso tamin’ny sakafo atoandro. Efa nanamboaran’ny tany antoerana alokaloka tsara hisakafoanana. Nahandro gasy nafilotra aoka izany no niainga avy any. Anandranon’i Betafo sy henakisoa ny loaka, ny vary amin’ny ilaina azy tsara, dia goavy ny tsindrin-tsakafo. Matsiro tokoa, hafa ihany ny sakafo andrahona amin’ny afo kitay, tsy nisy toy izany ny ranon’apango, tsara !

 

Andeha amin’izay hilalao

Raikitra amin’izay ny kilalao rehefa avy nandevi-kanina. Nandeha tongotra kely atsasakadiny namonjy ilay toerana malalaka ilalaovana. Nozaraina tarika 7 ny olona rehetra. Nampifandanjana tsara ny olona anaty tarika fa lalao hifaninanan’ny isaky ny tarika ity. Niisa 7 ny kilalao, misy ambaratongany ka izay ekipa mahamarika naoty be indrindra no maharesy. Nokendrena ihany koa mba ho kilalao mampifandray sy mampiombona ny ankizy no natao. Niiisa 5 na 6 ny iray tarika.

Ireo kilalao 4 voalohany

  •  Kilalao voalohany

Nifampitantana ny iray tarika nitady ilay « ruban » (efa samy manana ny lokony) nafatotra tany anaty hazo tany. Izay mahita aloha mirosa amin’ny manaraka.

  • Kilalao faharoa

Nanao lahara-manjohy ny iray tarika dia nampitazomana tady iray miaraka. Avy eo dia nampandehanana tamina lalana miolakolaka, kanefa tsy azo avotsitra ny tady. Tsy vitsy ny very naoty teo.

  • Kilalao fahatelo

« Tir au but » ao anaty sobika. Mazava hoa azy fa izay mahatafiditra baolina maro no mahazo naoty ambony.

  • Kilalao fahaefatra

« Ballon machine », hafahafa izy ity, manao lahara-manjohy hatrany ny iray tarika dia mifapipasy baolina avy ao anelakela-pe. Izay tsy mandatsaka mandresy. Sarotra be ilay tsy mandatsaka.

Ireo kilalao 3 farany

  •  Kilalao fahadimy

Manisy rano anaty tavoangy iray. Tsy entina amin’ny sotro na zavatra hafa ny rano, fa ny tanana no fitaovana. Refesina ny haben’ny rano anaty tavoangy avy eo. Izay mahavita be no nitondra fandresena.

  • Kilalao fahaenina

« Tsipy anneau », teto aloha tsy tavoangy misy ranom-boankazo no natao fa fantsika. Hain’ny ankizy tsara ny mikendry mampiditra ilay « anneau » amin’ilay fantsika. Aoka fotsiny !

  • Kilalao fahafito

« Hazakazaka anaty gony », rehefa tara ny olona iray anaty tarika amin’ny fanomezana ny gony amin’ny olona manaraka dia resy ny iray tarika rehetra.

Notolorana marika kely izay nandresy, fankasitrahana mariky ny ezaka. Feno tsara ny tapak’andro hariva. Faly, niomehy, nietaketana, ireo fihetsemp-po rehetra hita teo avokoa. Tsy tsapa akory ny harerahan’ny vatana. Afapo tanteraka. Fiarahana tsy nisy toy izany. Tsikitsiky no nentina namonjy fodina. Tena hoe : maromaroa ny toy ireny ! Nigadona tety amin’ny Grandir à Antsirabe ny rehetra tamin’ny 5 ora hariva. Fotoana voarindra, fiarahana nafana, kilalao tsara aoka izany. Hankasitrahana ny mpikarakara.

Lire aussi :   Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Fivoahana niaraka tany Ranomafana Betafo