Zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anivon’ny fianakaviany

Zo fototra ho an'ny ankizy ny miaina anivon'ny fianakaviana: ray, reny irai-tampo

Tsy manam-piaro ny ankizy miaina eny an-dalambe. Misokatra amin’izy ireny avokoa ny endrika tsy filaminana rehetra miseho eny an-dalana : herisetra amin’ny endriny rehetra, fanararaotana, fanilikilihana. Namolavola ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-Dalana i Grandir à Antsirabe entina handraisana an-tanana azy ireny. Tanjona amin’izany ? Hampisitraka ny ankizy miaina eny an-dalana ireo zo fototra maha ankizy azy.

Zo: miaina anivon’ny fianakaviana

Ankoatry ny misakafo, mitafy, matory am-pilaminana, milalao dia manan-jo feno hiaina anatina fianakaviana ny ankizy, ny zaza. Araka ny voalaza ao amin’ny « Convention Internationale des droits de l’enfant » (CIDE) dia zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anaty fianakaviana. Satria, antoka hisitrahany ireo zo rehetra ny ao anivon’izany.

Nahoana hoy ianao ? Anjara asan’ireo ray aman-dreny ny mihaino ny zanany, manome fitiavana, manoro lalana azy, manampy sy mankahery azy handroso hatrany, mampita aminy ihany koa ireo soatoavina maha olona. Io zo miaina anaty fianakaviana io ihany koa no mahafeno ireo zo fototra toy ny zo ho arovana, beazina, tsaboina sy ireo zo hafa rehetra.

Ankizin’ny lalana ?

Ireo ankizy mivelona eny an-dalana anefa tsy misitraka izany zo izany intsony. Izany indrindra no namolavolana ny tetikasa Fanaraha-maso ara-tsôsialy na « Accompagnement Social » (AS) ho ao anatin’ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-Dalana. Kendrena ao anatin’izany ny fanesorana azy ireo eny amin’ny lalana sy hitondrana fanatsarana maharitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo ekipa miasa ao anatin’ny AS dia miaraka amin’ireo ankizy amin’ny fanohizana sy famerenana ary fanamafisana indray ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny.

Fanaraha-maso ara-tsosialy : fomba fiasa

Manao fanadiadihana maharitra mahakasika ny fianakavian’ilay ankizy ny ekipa AS. Atao izany mba handalinana ny antony nahatonga ilay ankizy teny amin’ny lalana. Hahafantarana ihany koa raha mbola azo atao ny mamerina azy indray hiaina eo anivon’izany fianakaviana izany. Miara miasa amin’ny Bureau d’Action Sociale (BAS) eto Antsirabe ihany koa izy ireo amin’ny fanatontosana ny asa :  fampafantarana azy ireo ny ankizy tsy tafiditra anatin’ny sivana raisin’ny fikambanana. Tafiditra amin’ny fiarahana miasa amin’ny BAS ihany koa ny na fanolorana ireo ankizy tsy azo tanterahina ny famerenana azy any amin’ny fianakaviany noho ny antony maro.

Miasa miaraka ny mpanabe sy ny ankizy ary ireo fianakaviana ao amin’ny « Accompangement social ». Asa atao amin’izany ny firesahana mitokana amin’ilay ankizy ahafahana mamakafaka tsara ny momba azy. Tsy vita anatin’ny firesahana indray mandeha izany fa atao matetika. Manaraka izany ny fanaovana fanadihadihana any amin’ny fianakaviany hahafantarana ny fiarahamonina misy azy sy ny zava-misy rehetra. Jerena ao anatin’izany ny endrika rehetra ahafahana manatsara ny fifandraisan’ilay ankizy sy ny ray aman-dreniny. Tonga manao fitsidihana any amin’ny tokatranon’ireo ray aman-drenin’ilay ankizy mihintsy ny ekipa AS amin’ny fanatontosana ny dingana rehetra. Mitohy hatrany izany fitsidihina any an-tokatranon’ny fianakaviana izany mandrapaha ahitana ny vahaolana.

Fiaraha-miasa : ray aman-dreny, ekipa AS, ankizy

Mila miasa miaraka sy mirindra ny ray aman-dreny sy ilay ankizy ary ny ekipa. Miaraka mamaha ny olana. Rehefa samy vonona na ny ray aman-dreny na ny ankizy dia miroso amin’ny fizàrana an’ilay ankizy hody any aminy. Rehefa tratra soa amn-tsara ny tanjona dia misy hatrany ny fanaraha-maso mandritra ny taona iray ataon’ny AS.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anivon’ny fianakaviany