Andiany faharoa amin’ny « forum des associations » karakarain’ny OSCAPE

Andiany faharoa amin’ny « forum des associations » karakarain’ny OSCAPE

Roa andro ho an’ny fanentanana sy fifampizarana

Ny 28 sy ny 29 jona lasa teo no nanatanterahana ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika « forum des associations » karakarain’ny tambazotra OSCAPE. Roa andro nanomezana tombony ho an’ny fifanakalozana sy fifampizarana ary ihany koa nahafahan’ireo fikambanana mpikambana naneho hevitra tamin’ireo olom-pirenena liana. Fotoana nahafahana nanaraotana hanentanana ny fiaraha-monina momban’ny fiarovana ny ankizy.

stand de jeux visite stand

 

 

 

 

 

Ny tambazotra OSCAPE ?

Ny grandir à Antsirabe dia anisan’ny mpikambana mpiara-miasa amin’ny tambazotra. Niforona tamin’ny Aprily 2011 ny oscape, saingy kosa efa niasa nanomboka ny taona 2009, ny asan’ny tambazotra OSCAPE dia mampifandray, mampahafantatra ary mampiofana ireo fikambanana eto an-toerana misehatra ho an’ny ankizy tratran’ny tsy fahazariana eto amin’ny tanànan’Antsirabe.

28 jona isika izao. Amin’ny 8 ora maraina ny andro. Mifoha ny tanànan’y lapan’ny kolon-tsaina eto Antsirabe miaraka amin’ny fananganana ireo trano heva. Tonga tsikelikely ny olona, tafatsangana ireo trano heva ary vonona ny fanentanana ho an’ny ankizy.

Fandaharam-potoana feno

Tamin’ny 9 ora dia vonona ny rehetra. Ny hiram-pirenena no nanombohana ny hetsika. Nampandrosoana ireo solotenam-panjakana izay nahitana ny solotenan’ny Ben’ny tanàna, ny tao amin’ny ministeran’ny mponina sy ny sotenan’ny faritra vakinankaratra. Tao anatin’ny tranoben’ny kolontsaina dia nisy ny fampahafantarana ireo mpiandraikitra ao amin’ny tambazotra OSCAPE narahan’ny fandraisam-pitenenan’ireo manam-pahefana. Nisy ny mari-pankasitrahana natolotra ireo fikambanana, rehefa vita izany dia nitsidika ireo trano hevan’ny fikambanana ireo manam-pahefana.

Représentants institution publique

Hetsika maro isan-karazany no nanamarika iny roa andro iny ary anisan’izany ny famelabelaran-kevitra momban’ny fiarovana ny ankizy. Trano heva natao hilalaovan’ny ankizy : « face painting », jono, toraka kapoaka sns, hafaliana no azon’ireo ankizy izay nifampizara tamin’ny fikambanana ho an’iny fotoana nahafinaritra iny.

Photo des enfants dans des cadres face painting

 

 

 

 

 

Ny fikambanana mahasoa dia nikarakara hetsika momban’ny fanoratan’ny jamba izay nahaliana ireo mpitsidika. Nisy ihany koa ny fampianarana baiko moana.

Ireo ankizin’ny fikambanana dia nifiandimby niakatra sehatra : Dihy, hira, cirque ary kabary no hita tain’izany. Ny ihany koa ny fampisehoana ady totohondry izay tena nahatalanjona ireo ankizy koa dia variana sy tsy nahitan-teny izy ireo.

Danse des jeunes du CHT Démonstration boxe

 

 

 

 

 

Tatitra tsara sy mahafa-po no azon’ny fikambanana

Ny fikambanana Grandir à Antsirabe dia afa-po tanteraka tamin’ny hetsika izay nahitana fanentanana sy fifanakalozana niaraka tamin’ny trano heva izay nitondra ny lokon’ny fikambanana. Afaka nampahafantatra ireo fandaharan’asany ny fikambanana, namaly ireo fanontanian’ny mpitsidika ary nifampizara hevitra momban’ny fiarovana ny ankizy ; izany dia nahafaly tanteraka ny fikambanana, harena ho an’ireo mpiasan’ny fikambanana ary nankasitrahan’ny mpiara-monina.

L'équipe sur le stand

Ny fahazoana laharam-pifandraisana maro sy ny fangatahana hilatsaka an-tsitra-po ho an’ny fikambanana no maneho fa tafita ny hafatra ho an’iny roa andro iny.

Mitoraka voninkazo ho an’ny tambazotra OSCAPE tamin’ny fandavantenan’izy ireo sy ny fahalavorarian’ny fotoana! ireo fikambanana rehetra ao anatin’ny tambazotra tamin’ny asa nataon’izy ireo, Mankasitraka ireo ankizy tamin’ny tsikitsiky ary ireo olom-pirenena tamin’ny fanotronana sy ny finiavana te hamanta-javatra ary ny fandavan-tenan’izy ireo.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Fivoriam-be voalohan’ny mpikambana ao ami’ny tambazotra OSCAPE
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Andiany faharoa amin’ny « forum des associations » karakarain’ny OSCAPE