Asa fanorenana ifanomezan-tanana : Fanitarana ny trano fandraisana

Asa fanorenana ifanomezan-tanana : Fanitarana ny trano fandraisana

Ary raha ankalazaintsika ny faha folotaonan’ny asa fanorenana ifanomezan-tanana izay tetik’asa voizin’ny fikambanana Grandir à Antsirabe ?

Ny tanjona

Ity asa fananganana ity dia asa atao ao anatina firaisan-kina izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asa fampandrosoana ifotony ny fikambanana. Ny tanjona ? Fanavaozana na fananganana fotodrafitrasa ifotony eto amin’ny tanànan’Antsirabe sy ny manodidina.

Amin’ireo asa fanamboarana efa vita dia nisy ny fananganana sekoly, toeram-pitsaboana ho an’ny fitsaboana natoraly, ary ihany koa ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana izay natokana ho an’ny ankizin’ny lalana. Sehatra maro no voakasik’izany : Fahasalamana, ny ara-tsosialy ary ny fanabeazana.

Efa folo taona izay no nandefasan’ny mpandraharaha ara-pizahan-tany Grandir Aventure tanora mihoatran’ny 500 izay tonga mitsidika an’i Madagasikara ao antin’ny firaisan-kina ara-pizahan-tany. Mpandraharaha izay miara-miasa amin’ny fikambanana ary ny mpandraharaha ara-pizahan-tany Rencontre Avec Dago eto an-toerana no mandray an-tanana ireo tanora ireo. Ny fandaharan’asa amin’izany fivahinianana izany : Asa fanorenana ifanomezan-tanana, firotsahana amin’ny fikambanana ary fitsidihana ny nosy.

Ny fanatanterahana ity asa ity nandritra ny taona maro dia nahafahana nisitraka fahalalana lalindalina kokoa ary nahafahana namantatra ny olana misy eo amin’ny tany izay hasiana ny fananganana eto amin’ny tanànan’Antsirabe.

Asa fanorenana ifanomezan-tanana ho an’ny taona 2018 : fananganana ny rihana faharoa

Raha hiverenana kely, ireo asa efa natao dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo :

  • Ekipa eto an-toerana miasa ao anatin’ny fananganana
  • Mpisehatra ara-panjakana eto an-toerana
  • Ireo tanora mpitsidika avy amin’ny mpandraharaha Grandir Aventure izay miaraka amin’ireo mpiasa eto an-toerana sy ireo injeniera vahiny. Izany fiaraha-misalahy izany no nahafahana nanavao na nananganana ireo fotodrafitrasa.
  • Mpanohana ara-bola :
  • Ny Fondation Air France (rihana faharoa CHT-2018)
  • Amaris Fondation (rihana faharoa CHT-2018)
  • Ny Ambasady Soisy
  • Ny Ambasady Frantsay
  • Ny mpandraharaha ara-pizahan-tany ara-pirahalahiana Grandes Latitudes
  • Ny mpandraharaha ara-pizahan-tany ara-pirahalahiana Rencontre Avec Dago
  • Ny fikambanana Talents et Partage
  • Ny orin’asa Holcim
  • Ny famatsiana Via le monde avy amin’ny departemanta Saint-Denis
  • Ny mpandraharaha ara-pizahan-tany ara-pirahalahiana ho an’ny tanora Grandir Aventure

Nanomboka ny taona 2016 no nanana ny trano fandraisana vonjimaika ny fikambanana (CHT) ho an’ny ankizin’ny lalana eto Antsirabe. Mbola nofaina ny trano tamin’izany.

  • Ny taona 2017-2018 no nifantohana tamin’ny famatsiana ny trano fandraisana vonjimaika sy ny biraon’ny fandaharan’asa fiarovana ireo ankizy miaina eny an-dalambe. Fananganana izay mitondra mankany amin’ny fizakantenan’ny fikambanana. Tamin’ny taona 2017 dia ny ambany rihana sy ny rihana voalohany no voatsangana.
  • Ny 2018 dia natokana hoan’ny fananganana ny rihana faharoa

Amin’izao fotoana izao dia ireo mpiasa eto an-toerana miaraka amin’ireo injeniera frantsay no miara-misalahy amin’ny fananganana ny rihana faharoa izay ahitana :

  • Birao vaovao efatra
  • Toerana fakana aina sy fifanankalozana
  • Efitra natokana ho an’ny fivoriana, fiofanana ary hetsika ara-koltoraly, fialam-boly sy fanabeazana

Fisaorana lehibe ho an’ny mpiara-miasa amin’ny fanampiana sy ny fanohanana ataon’izy ireo ho an’ny fanitarana ny trano fandraisana vonjimaika.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   "Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina" : fanentanana tao amin'ny CHT
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Asa fanorenana ifanomezan-tanana : Fanitarana ny trano fandraisana