Fandraisan’ireo ankizin’ny fikambanana tamin’ny hetsika « Danse pour la paix »

Fandraisan’ireo ankizin’ny fikambanana tamin’ny hetsika « Danse pour la paix »

Ny asabotsy 10 martsa lasa teo, ny Alliance française teto Antsirabe dia noentanin’ny mozika sy ny dihy ! Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro katramin’ny 6 ora, dihy no nandravaka ny sehatry ny Alliance, mpandihy izay avy eto Antsirabe avokoa.

Ny fihetsiketsehana dia nokarakarain’i Yushihiro Takata (mpilatsaka antsitra-po ao amin’ny CFAMA : Centre de Formation et d’Application du Machinisme Agricole), izay efa niara-niasa tamin’ny fikambanana nandritrin’ny fetin’ny noely 2017, izay nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizin’ny trano fandraisana.

Tamin’ity hetsika voalohan’ny Madagascar – Joie de danse ity, fifaninanana mandihy tsiroaroa no natao : Hip-hop, break, krump, dancehall… hita tao daholo ireo karazana dihy ! noho ity fiaraha-miasa ity dia afaka nampiseho ny talentany ihany koa ireo ankizy tamin’ny alalan’ny dihy sy hira izay efa fantatry ny rehetra « Grandira », niarahana tamin’ny DJ Maztouky Sound, mpanabe ato amin’ny fikambanana.

break dance

Ireo mpijery dia nisitraka ihany koa ny fampisehoana « danse contemporaine » niarahana tamin’i Master Jah, izay nanome ihany koa fampianarana io dihy io nandritry ny herinandro.

Nisy ny loka nozaraina tamin’ireo telo voalohany :

  • Loka voalohany : 100 000 Ar
  • Loka faharoa : 30 000 Ar
  • Loka fahatelo : 10 000 Ar

Miisa telo ireo mpitsara ny fifaninanana, izay mpandihy efa fanta-daza : SAI H, Thierry de Master jah sy Bboy Noumih. Ireo ekipa nivoaka mpandresy tamin’iny hetsika iny dia nahitana an’i TAZ sy Bibzaza.

Mpandresy ihany koa tamin’iny fotoana iny ireo ankizin’ny trano fandraisana ! 56 000 Ar ny vola azon’ny fikambanana izay azo tamin’ny fametrahatra boatin-drakitra teo amin’ny trano hevan’ny fikambanana izay nisy an’ireo  ekipa. Yushihiro ihany koa dia nanome Akanjo, kiraro sy fitaovam-pianarana. Ny ekipa mpiseraseran’ny Grandir à Antsirabe no niakatra teo ambony sehatra nisaotra sy nankasitraka an’i Yushi sy ireo tonga rehetra tamin’ny anaran’ireo ankizy sy ny ekipa rehetra.

les équipes sur le stand

Faly ny fikambanana nizara iny fotoam-pifaliana iny tamin’ireo mpandihy sy ireo mpanatrika ! fankasitrahana lehibe ho an’ny Alliance française Antsirabe sy ho an’i Yushihiro Takata tamin’ny fandavan-tenany manoloana ireo ankizin’ny lalana sy ny fikambanana Grandir à Antsirabe.

 

Ny mombamomba an’i Yushihiro, mikarakara ny hetsika :

Yushi avec les enfantsIza moa ianao ?

Yushihiro Takata no anarako, 28 taona aho ary avy any Japon no fihaviako. Mpilatsaka antsitra-po ao amin’ny fikambanana CFAMA aho, mpampiofana sy mpanara-maso ny kalitao.

Inona no nahatonga anao nikarakara iny hetsika iny ?

Antony roa no nikarakarako iny hetsika iny : voalohany dia amin’ny fotoana ohatr’izao no ahafantarana ireo tanora mpandihy eto Antsirabe indrindra eo amin’ny sehatry ny Hip-hop izay hita fa tena ankafizin’ireo taora. Fa ihany koa te hnampy ireo ankizin’ny lalana eto Antsirabe aho, tiako mba afaka maneho hevitra ko aizy ireo amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy.

Inona no antony nisafidiananao indray hiara-hiasa amin’ny Grandir à Antsirabe ?

Nosafidiako ny fiaraha-miasa aminareo satria hitako ny fahavitrian’ny ekipa sy ny fahaiza-manao eo amin’ny fandraisana an-tanana an’ireo ankizin’ny lalana. Tiako ihany koa ny tetik’asa fampiantranoana ireo ankizy. Faly aho mahita fikambanana ohatry ny anareo izao.

Ahoana no nahafantaranao ny fikambanana ?

Tamin’ny taona 2016 no nahafantarako ny fikambanana tamin’ny alalan’ny tranon-kalan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe. Nankany amin’ny biraon’ny fikambanana aho avy eo ary nihaona tamin’ireo ekipa. Ary farany dia nandray anjara tamin’ny iray amin’ireo hetsika atao an-davanandro, DanseLaRue.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Ara-dalana #3 : mozika sy dihy, ankizin'ny CHT
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Fandraisan’ireo ankizin’ny fikambanana tamin’ny hetsika « Danse pour la paix »