Portrait/ Faranah, ilay ao ambadikin’ny fakan-tsary

PORTRAIT : Ny volana jona 2018 i Faranah no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe, maso vaon’ny fikambanana. Tsy misaraka amin’ny fankan-tsary ny tovolahy satria iny no angady entiny miasa. Izy no mandrakitra ho sary ireo hetsika sy atrikasa maro ataon’ny fikambanana. Tsy izay ihany, fa maka ireo sary ilain’ny « agence de voyage solidaires Rencontre avec Dago » (agence eto an-toerana izay mandrotsaka manontolo ho an’ny Grandir à Antsirabe ny tombombarotrany) ihany ko izy sy ny réseau OSCAPE.

Favicon Grandir Ailleurs Inona daholo ry Faranah no tena anjara asanao ?

Mandrakitra ho sary na horonan-tsary ireo atrikasa sy hetsika rehetra karakarain’ny fikambanana. Rehefa vita ny fangalana sary dia mandamina sy mifantina ary manatsara azy ireo, io no tena andaniako fotoana lava. Tena zava-dehibe tokoa io asa io satria manampy be dia be ireo mpiara-miasa ahita mora ny sary ilainy hampiasana amin’ireo tatitra maro samihafa na alefa any amin’ireo tambazotra sosialy.

Favicon Grandir Ailleurs Fa inona no nanosika anao hiasa ato amin’ny fikambanana ?

Rehefa nahavita fianarana momba ny multimédia izay nataoko nandritra ny 3 taona aho, dia naniry ny hampihatra ny fahaizana noratoviko amin’ireny fikambanana miasa ho an’ny fiarahamonina ireny. Nanaitra sy nahasarika ahy mihintsy ny asa ataon’ny Grandir à Antsirabe ka izany no mahatonga ahy eto !

Favicon Grandir Ailleurs Ho avy manao ahoana ary no irinao ho an’ny fikambanana ?

Maniry aho hoe ho fantatra manerana an’ny Madagasikara ny asa ataon’ny Grandir à Antsirabe !

Portrait chinois…

Favicon Grandir Ailleurs Raha biby ianao dia ?

Hoy aho hoe, Soavaly. Sady afaka miara-miasa amin’ny olona ny soavaly no tsy very koa raha miasa irery, fahaiza-manao ananako tsara.

Favicon Grandir Ailleurs Ary raha héros ?

Mety hoe tsy dia miavaka loatra ny valin-teniko fa « Superman » ny ahy, hamonjy ny olona.

Favicon Grandir Ailleurs Raha zavatra indray ?

Penina, ahafahako mametraka ho tadidy ny zavatra tsapako rehetra.

Favicon Grandir Ailleurs Toetra ratsy ary e ?

Saro-kenatra.

Favicon Grandir Ailleurs Toetra tsara ?

Tia karokaroka, ilaina be mihintsy amin’ny maha mpaka sary ny tena. Mila mandry ilika sy mandinika tsara ary mikaroka vao mahavita maka sary tsara.

Favicon Grandir AilleursAry raha teny filamatra kosa ?

Misy, mitovy amiko tsara : « les folies sont les seules choses qu’on ne regrette jamais »

Teny farany ary e!

Mahafinaritra ny miara-miasa amin’ny ekipa ato satria sady mahay mifampitondra dia mampazoto miasa no mahay mijery ny lafin-javatra tsara amin’izay atao ! Mazotoa be daholo !

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Teboka famatarana #3
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Portrait/ Faranah, ilay ao ambadikin’ny fakan-tsary