Noely teny anivon’ny tontolo, tany amin’ny toeram-pambolen-kazo ho an’ny ankizy tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika !

Noely teny anivon’ny tontolo, tany amin’ny toeram-pambolen-kazo ho an’ny ankizy tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika !

Ary raha somary hitondra kely anao hiverina any amin’ny 2018 fotsiny amin’ity lahatsoratra ity? Tamin’ny 20 desambra, vory lanina nifety ny noely niaraka ny ankizy rehetra ao amin’ny trano fandraisana vonjimaika sy ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe manontolo ! andro tsara aoka izany teny anivon’ny tontolo, tsiahy fohy mahakasika iny tontolo andro nahafinaritra iny.

Tontolo andro teny amin’ny natiora, « Pépinière d’Ambatolahy »

Raha teny amoron’ny farihin’Andraikiba no nankalaza ny noely tamin’ny taon-dasa, 2017. Nisitaka kely tany anaty natiora izany tamin’ity taona ity ! Somary mihataka kilometatra vitsivitsy ny renivohitra Antsirabe, « Pépinière d’Ambatolahy » toerana nety tsara nilalaovana sy nanaovana fety anaty kianja malalaka.

Famantarana ireo karazan-java-maniry, dihy sy baolina kitra

Tonga teny an-toerana tamin’ny 9ora sy 30, natomboka tamin’ny fitetezana ny faritry ny fambolen-kazo izany, notarihin’ny mpiasa iray. Afaka nanararaotra tsara namantatra ireo karazan-java-maniry maro, sady namantatra ihany koa ny mampiavaka azy ireny tsirairay avy sy ny ilaina azy. Taorian’izay dia nifidy toerana malalaka ny ekipa, avy eo tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanomboka ny dihy manentanentana ho an’ny sasany, ny hafa kosa nanitsana kely tamin’ny baolina kitra. Ampilaminana sy tao anaty hafanana no niridanan’ny ankizy nanararaotra ny toerana.

Sakafo !

 

Tsy ela dia nipaika ny mitatao-vovonana. Tonga nivimbana izato sakafo ireto mpahandro mahafatram-po. Nanao ladina an-tany teny ambony bozaka ny rehetra! Sakafo mafilotra nilaoka kotoleta sy legioma sy akondro natao tsindri-tsakafo. Matsiro aoka izany !

 

Ireo kilalao sy ireo fanomezana

Rehefa vita ny fandevonana ny sakafo, niaraka nirona amin’izay nanao kilalao nitambaran’ny rehetra, kilalao nifototra amin’ny fifampizarana. Naoraka tamin’izany ny kilalaon’ny « épervier » : tsy nila fanazavana ela akory fa avy hatrany dia hain’ny ankizy. Nizara ekipa 2, dia samy nanao izay hampandresy ny tarika misy azy, tsiky sy hehy no nanamasaka ny lalao.

Tamin’ny 3 ora tolak’andro. Fizarana izato fanomezana. Nodidininin’ny rehetra tao anaty boribory i Dadabe Noely, nisosana tsirairay ny ankizy nandray ny anjara fanomezany, nahazo vatomamy avokoa fa ho an’ny madinidinika « peluche », ny vaventy kosa nahazo satroka, ireo tovovavy nahazo pôketra.

Vetivety dia nody ingahy be masoandro… tava miramirana no netina namonjy fodiana tany amin’ny trano fandraisana vonjimaika, pika sary tsy ankijanona sy tsiky no nisoritra teny amin’ny tavan’ny rehatra.

« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Noely teny anivon’ny tontolo, tany amin’ny toeram-pambolen-kazo ho an’ny ankizy tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika !