Ara-dalana #3 : mozika sy dihy, ankizin’ny CHT

Araka ny efa nampanantenana dia tamin’ny 15 desambra 2018 lasa teo no natao ny fampisehoana « Ara-Dalana » andiany faha-3 notontosain’ny ankizy ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika.

Taorian’ny seho izay natao tao amin’ny B’art Haingo tamin’ny volana oktobra lasa teo, dia tao amin’ny Alliance Française d’Antsirabe indray ireo mpanakanto vao misandratranay no nampiseho ny talentany.

Niaraka tamin’ireo mpampianatra mozika 3 mianadahy azy ireo izay avy amin’ny tarika Gasy M’Sova sy ny mpanao BD Tsila, nambabo ireo mpijery maro tonga nanatrika ny seho nataon’ny ankizy.

Natao miendrika fampisehoana manamarika ny noely ny seho izay nahitana fahombiazana tokoa ! Indray isaky ny erinandro tao anatin’ny volana maromaro no nianaran’ny ankizy ny mozika teo ihany koa ny fanaovana sary izay natao tao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika, nampisehon’ny ankizy ampahibemaso ny talentany sy ny fivoarana vokatry ny ezakan’izy ireo. Somary nihamafimafy kely ny fanomanana rehefa nihatomotra ny fampisehoana, lasa nanao famerenana in-4 isaky ny erinandro izy ireo. Na dia teo aza ny fahatahorana teo amin’izy ireo ny omalin’ny fampisehoana, vonona ny ankizy, teo ihany koa moa ny famerenana farany hanatsarana ny pitsopitsony.

Mahakasika ny fampisehoana !

Ny maraina no nanaovana ireo fanomanana faramparany teo amin’ny lafiny ara-pitaovana. Ireo ekipa tao amin’ny Grandir à Antsirabe no niaraka nandamina ny toerana sy nandray ireo mpanatrika. Nanomboka teo amin’ny tamin’ny 11 teo no nanomankomana ny zava-maneno ny avy ao amin’ny tarika Gasy M’Sova. Teo amin’ny tamin’ny 1 tolak’andro teo kosa no tonga ny ankizy. Nisy ny fiomakomanana kely maromaro toy ny fandokona ny tarehy talohan’ny niankarana an-tsehatra. Nanomboka tonga tsikelikely ny mpijery teo amin’ny tamin’ny 2 :30 tolak’andro teo nameno ny trano.

Na dia teo aza ny fahatarana, vonona tokoa ny ankizy, niakatra an-tsehatra amin’izay ny mpanankato kely niaraka tamin’ireo mpampianatra azy ireo, tsy adino ilay namana tsy foy « djembés ». Naharitra 1h teo ny fampisehoana nataon’izy ireo izay kanto tokoa, nanao hira vaovao roa hafa vao nianarana izy ankoatran’izay efa nataony tao amin’ny B’art Haingo. Noravahan’izy ireo dihy manentanentana sy hira maredona ny fampisehoana. Nanafana ny sehatra teo ihany koa ny tarika mpandihy Hip Hop All in Street izay sady mpandihin’ny Alliance Française tamin’ilay famoronana « comédie musicale Roméo et Juliette » amin’ny endrika Hip Hop. 

Ny ampaham-potoana faha-3 dia natokana feno ho an’ireo hira nolalaovina sy noforonon’ny tarika Gasy M’Sova, hira izay anatin’ny gadona maha gasy tanteraka. Nanasa ny ankizy hampiharam-peo sy mozika aminy farany izy ireo tamin’ny hira famaranana. Babo aoka izany ny mpanatrika, tehaka manakoako no setrin’ny seho rehetra. Taorian’ny fampisehoana dia nisy ny fizarana ody ambavafo izay nomanin’ny ekipa ho an’ny mpanatrika sy ny mpandray anjara rehetra.

Nahavita zavatra tsara ny ankizy, niarahaba azy ireo tamin’izany ny mpitanatana ny Alliance Française, Mr Félix. Amin’ny anaran’ny fikambanana manontolo no hanolorana ny fisaorana feno fankasitrahana ny mpanakanto nampianatra sy ho an’ny Alliance Française tamin’ny fandraisany. Hisaorana ihany koa ny Monde par la main tamin’ny tohana rehetra nataony tamin’iny hetsika tsara iny.

Vao maika mitombo hatrany ny fahavononan’ny ankizy hanohy ny fianarana mozika sy ny sary manomboka amin’ny vola janoary 2019 ary hampiseho izany ezaka sy fianarany izany indray amin’ny taona miditra. 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Noelin’ny Ankizin’ny lalana ao amin’ny CHT
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Ara-dalana #3 : mozika sy dihy, ankizin’ny CHT