Nanomboka ny taona 2013 i Elisée no niasa teto amin’ny Grandir à Antsirabe. Miandraikitra ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanana ara-bola izy. Andeha ary ho fantarintsika eto ambany ny anjara asany, ny momba azy ary ny maha izy azy.
Elisée, afaka mba soritsoritanao aminay ve ny lalana efa nizoranao ?
Niasa eritaona mahery tamina ONG miasa ho an’ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora aho. Taorian’izay dia voaray ho mpitantana mpanampy, sady nandrindra ny ara-taratasy no nitantana ihany koa ny ara-bola. Anjara andraikitro nisongadina tamin’izany ny fanaovana ny fafana Excel izay ahafahana mamaritra amin’ny fomba tsotra ny haben’ny vato, fasika, … ilaina amin’ny asa fanorenanana foto-drafitrasa maro. Asa izay tsy dia nety tamiko loatra io.
Dia rehefa tonga teto amin’ny Grandir à Antsirabe…
Izay indrindra, tamin’ny 2013. Taona ray taorian’io dia nahazo ny mari-pahaizana momba ny fitantanana aho. Mahakasika indrindra ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa sy ny fandaminana ny « visa de courtoisie » an’ireo mpilatsaka antsirapo sy ireo mpanao « services civiques » ny asako. Andraikitro ihany koa ny manara-maso tetikasa sasantsasany toy ny fanorenana ny « Centre d’Hébergement Temporaire ». Amin’ny maha mpiandraikitra ny fitantanan-draharaha ny tenako dia ao anatin’ny asako ny fanaraha-maso ireo taratasy ara-panjakana, ny fanambarana ara-tsôsialy sy ny hetra. Misy fotoana ihany koa aho manampy ny mpandrafitra raha ilaina.
Tamin’ny 2015, efa niandraikitra ny fanaraha-maso asa fanorenana lehibe iray enao…
Ie, tena nametraka tsiaro tsara maro ho ahy mihintsy izay. Izaho mantsy tamin’izany no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fananganana ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) eny Miaramasoandro. Voalohany tamin’ny fiainako tamin’izany ny hoe nanangana zavatra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, mipetraka ho tantara ho ahy mihintsy iny !
Manao ahoana ny ahitanao ny ho avin’ny fikambanana ?
Tiako hoe hanokanantsika fotoana bebe kokoa ireo ankizin’ny lalana. Eo ihany koa ny tokony hanampiantsika azy ireo hahita ny lalana ombany eo amin’ny fiainana sy izay ho asany any aoriana, ao anatin’izany koa ny fampifandraisana azy ireo amin’ny fianakaviany indray. Ireo ankizy ireo mantsy no ho avin’ny firenena !
Portrait chinois…
Raha biby ianao dia ?
Raha biby aho dia « dauphin » amin’izy ireny tsy tia sehoseho. Sady tia manampy ny olona tra-doza izy no manana ilay toetra tia miombina sy tia mamonjy izay itoviako aminy.
Ary raha « héros » ianao ?
Ilay « héros » an’ilay horon-tsary mitohy amerikana Person of Interest : Reese. Mpiasa taloha tao amin’ny CIA izay noheverina ho maty izy, avy eo dia nampiasana olona manan-karena iray ka namorona « logiciel » iray ahafahana mamantatra izay olona voarohirohy anaty asa ratsy isan’andro. Anjaran’i Reese avy eo no manao ny fanadihadihana sy miaro izay olona ho vonona. « Héros » iray izay miafinafina nefa miaro ny tsy manan-tsiny.
Ary raha hira ?
Dia HiraGasy. Vakoka Malagasy izy io sady mifono fahendrana sy mitahiry ny fomba ama-panao ny firenana. Tena ankafiziko !
Ny toetra tsaranao ary e ?
Fahamailona.
Ary ny toetra ratsy ?
Tsy dia ahitan-teny, mangina
Raha teny filamatra ?
Ny tena tiako dia ilay hoe : « S’unir pour bâtir, c’est grandir ensemble ».
Teny farany?
Nisy lehilahy manam-pahendrena izay namerimberina tamiko foana hoe mila mametraka marika eto an-tany isika amin’ny fandalovana eto, ny fiainana mantsy mandalo dia miserana
Mino aho fa efa nanomboka nametraka marika ianao amin’ny asanao eto amin’ny fikambanana. (hehy)
“Maraude” : andao ho resahantsika !
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!
Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
“Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina” : fanentanana tao amin’ny CHT
SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !
Seho Ara-dalana #4 : seho ho an’ny ankizy !
Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT.
Fahasalamana no voalohan-karena, fanentanana SOLIMEDA
Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!