Tatitra ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny tambazotra OSCAPE !

Tatitra ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny tambazotra OSCAPE !

Faran’ny septambra teo no nanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny vondrona OSCAPE eto Antsirabe. Nandritry ny telo andro no nadraisana ireo ankizi’ny fikambanana mpikambana ao amin’ny vondrona ary anisan’izany ny ankizin’ny fikambanana Grandir à Antsirabe.

Fihaonana mampialavoly eo amin’ny samy fikambanana

Nitovy tamin’ny herintaona ihany, ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny « commission sport et loisir » ao amin’ny tambazotra. Ny tanjona nadritra ny telo andro ? mampiroborobo ny fihaonana amin’ny fikambanana ary manamafy ny fifandraisana efa misy eo amin’ny samy mpikambana, eo amin’ny samy ankiz ary eo amin’ny samy mpanabe ka tao no nisy tena navitrika tamin’ny filatsahana antsitra-po.

Enfants et éducateurs du cht

Samy nahazo ny anjara tandrify azy

Teo amin’ny kianja lehibe izay nampidramin’ny orinasa Star no nihaonan’ireo fikambanana 12 izay nahitana hetsika karazany 32 : fanatanjahantena, Lalao, fampisehoana sy dihy. Tsy hitahita akory dia tapitra ny telo andro !

Nanomboka tamin’ny fandaminana ny toerana ny maraina, narahan’ny filatroana nataon’ireo fikambanana sy ny kabarin’ireo manam-pahefana. Tsindrina manokana ny fanentanana tamin’ny alalan’ny tanisa sy dihy nataon’ny ankizin’ny fikambanana zaza mendrika.

olona telo milahatra Olona telo manao tanisa

Teo amin’ny lalao indray dia maro ireo safidy ka tsy hay izay safidiana : « échec », kanety na koa katro. Teo amin’ny fanatanjahan-tena ihany koa dia nalalaka ny safidy : baskety, kitra sy fifaninanana hazakazaka. Niforona ho azy ny ekipa mifangaro eo amin’ny samy mpikambana ary nanomboka nifandray izy ireo.

Kanety Ankizy-katro Basket

Ankizin’ny CHT tena nafana fo

Nosahanin’ireo mpanabe mpanao fanatanjahan-tena, Toky sy Arsène, miaraka amin’ireo mpilatsaka antsitra-po 6 ireo ankizy CHT miisa 20, izay afaka nisitraka iny fotoana feno ezaka sy fifanakalozana iny. Ny sasany tamin’izay ireo aza moa dia tena niavaka tokoa : ohatra tamin’izany ny nahazoan’ny mpilalaon’ny fikambanana voalohany tamin’ny toraka kapoaka !

Ankizy sy mpanabe misakafo

Sakafo ô !

Ny atoandro dia isy ny fiaraha-misakafo ! Ny fikambanana tsirairay no nitondra ny sakafo (mitovy ho an’ny rehetra mba hisian’ny fitoviana) sady nanararaotra ny fotoana mba hifanankalozana amin’ny hafa.

Ny tapak’andro hariva farany dia voamariky ny fizarana diplaoma ho an’ny tsirairay, ny fizarana yaourt avy amin’ny orinasa Socolait ary fanomezana ho an’ny ankizy tsirairay.

Fisaorana lehibe ho an’ny tambazotra OSCAPE dia amin’ny herin-taona indray ho an’ny andiany fahatelo !

Mizara loka ho an'ny ankizy

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Tatitra ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny tambazotra OSCAPE !