Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana

Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana

Isaky ny fivahinianana Grandir Aventure eto Madagasikara dia misy tapak’andro natokana ho amin’ny fanentanana ireo tanora momba ireo ankizin’ny lalana eto Madagasikara.

Fandaharam-potoana amin’izany, fifaninanana mamaly fanontaniana, lalao ahatsapana ny fiainan’ny lalana, fijerena Slam ary fandalinana.

1/ Fifaninanana mamaly fanontaniana

Mizara ekipa maromaro ireo tanora ary miezaka mamaly ny fanontaniana apetraka aminy toy ny hoe : “Ampahany firy amin’ny ankizy maneran-tany no mbola tsy mahazo rano fisotro madio sy fidiovana?”, “Firy amin’ny ankizy latsaky ny dimy taona maneran-tany no matin’ny aretina azo sorohana?”

Tanjona : fampidirana amin’ny olana mianjady amin’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjariana maneran-tany.

 

2/ lalao ahatsapana ny fiainan’ny lalana

 

Amin’ity lalao ity, ireo tanora dia miezaka miditra ao anatin’ny fiainan’ny ankizy miaina eny amin’ny lalan’Antsirabe. Asaina misafidy izy ireo arakaraky ny toe-java-mitranga, avy eo mitohy ny tantara ka mety mihatsara izany na miharatsy arakaraky ny safidiny.

photo de groupe durant la sensibilisation

Ohatra: Misy safidy mitondra mankany amin’ity tohiny ity:

“ Tsy manam-bola homena ireo Ray aman-dReny ianao: ny Dadanao miteny anao ho tsy misy ilavana azy, olona kamo ka noroasina ny trano ianao sady mampitandrina izy fa tsy misy dikany ny hiverenana eo raha tsy mahatondra vola kely akory. Mirenireny eny amin’ny lalana ianao manontany tena hoe aiza no hatory.

Mieritreritra ianao amin’izay tokony hatao :

  • Ny misy ny tsena dia mbola dia an-tongotra mandritry ny 40 minitra anefa any no fantatrao hoe afaka hatoriana. Manapa-kevitra ianao ny ho any. (Vakio ny takelaka 4c)
  • Reraka ianao ary tsy te handeha tongotra intsony. (Vakio ny takelaka 4d)

Raha misafidy ny faharoa ireo tanora dia toy izao ny tohin’ny tantara:

“ Nitady toerana mangingina amin’ny lalan-kely ianao ary natory teo, tsapao ny vintanao (manipy kodiakely), raha mihoatry ny 4 dia mahita baoritra sy gony ianao mba hanamboarana toerana milamina. Raha latsaky ny 4 dia matory amin’ny tany ianao ary rehefa mifoha dia mararirary avokoa ny vatanao rehetra (miala isa iray ny Aina). Ny maraina…(Vakio ny takelaka 5) »

 

Tanjona : Mampahafantatra ireo tanora ny fiainan’ny ankizy eny amin’ny lalana, ny andavan’androm-piainan’izy ireo, ireo fahasarotana misy, ny ahiahiny, ireo safidy tsy maintsy atao, fa ihany koa ireo fahalalana azony eny amin’ny lalana.

Miovaova ireo tanora tonga, samy hafa ny safidin’izy ireo mandritra ny lalao ary tena mahaliana tokoa ireo fanazavana ka ahafahan’ny ekipa mahazo tsara ny fanontaniana.

3/ fijerena Slam izay nataon’ireo ankizin’ny lalana eto amin’ny fikambanana

Miverina ny filaminana taorian’iny lalao iny. Ireo tanoran’ny Grandir Aventure dia ampahafantarina ny slam izy nosoratan’ireo ankizin’ny lalana izay mandalo ao amin’ny trano fandraisana vonjy maika (Araho eto ny Slam). Slam izay miantefa amin’ny olona tsirairay izay mifanena amin’ireny ankizy ireny andavanandro.

Mampiseho ny olana misy eny amin’ny toerana misy azy izy ireo: ny fijerin’ny fiaraha-monina ireo zanaky ny lalana… “Mba mitaraina aza dia soketaina hoe mpangalatra Mbola zaza izahay toy ny zanakao ihany” “Zahay ilay zanaky ny lalana Mba mila akanjo tsara, mila vatana madio Saingy indrisy fa ianao no miteny Zaza maloto, zaza mpangalatra, zaza maditra ianao”

4/ Fandalinana

Mandrity ny lalao ahatsapana ny fiainan’ny lalana dia miady hevitra ireo tanora mba hametrahana ny safidy izay tokony ho raisin’ny ankizin’ny lalana. Mandritra izany ady hevitra izany dia misy mpanentana madray an-tsoratra ireo fehezan-teny misongadina.

“na ho any na tsy ho any efa tsisy azo antenaina intsony”

“rehefa tsy nihinan-kanina nandritry ny tontolo andro ianao dia aleo mangalatra”

“Ny hanina androany tadiavina androany”

écoute du groupe pendant la snsibilisation

Tanjona : Mitondra fieritreretana lalina manoloana ireo fehezan-teny ireo, hahazoana ny toe-java-misy, ny antony nahatonga ireo mpandray anjara namoaka ireo hevitra ireo. Tombony ahafahana mamantatra misimisy hatrany ny ankizin’ny lalana.

  • Mampahafantatra fa ireo fanapahan-kevitra dia miankina amin’ny toe-java-misy hiainana.

 

 

 

5/ famakiana ireo zo fototry ny ankizy nalaina tao amin’ny “Convention Internationale des Droits des Enfants (CIDE)”, izay nosoniavin’I Madagasikara tamin’ny taona 1991

6/ fampahafantarana ireo atrik’asan’ny fikambanana

Rehefa avy nampafantarina ireo olana misy ny tanora dia lazaina azy ireo ny vahaolana izay aroson’ny fikambanana, ary amphafantarina azy ireo fa ny fitsidihany an’I Madagasikara dia efa fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny asan’ny fikambanana ankoatran’ny fanomezan’izy ireo tanana amin’ny hetsika fanentanana ireo ankizy.

Mahaliana ireo tanora tokoa ity hetsika ity ary ny sasantsasany tamin’izy ireo aza moa dia nangataka ny hitsidika ny trano fandraisana vonjimaika. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fizahan-tany ifanomezan-tanana ary hahatonga azy ireo any aoriana ho olona mandray andraikitra sy ho tonga saina amin’ny maha zava-dehibe ny fifanampiana.

Lire aussi :   Teboka famantarana #6
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana