Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

→ Asa ifanomezan-tanana 2017

Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga hifanolo-tanana amin’ny fananganana ny trano fampiantranoana vonjimaika vaovao na CHT eto anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe.

Tena ilaina ny manatanteraka ny traik’efa azo amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa manampy ny mpiara-belona toy izay any amin’ireny orinasa tsy miankina ireny

Nathan

Ny fifanampiana amin’ny mpiara-belona no tena zava-dehibe amin’ireto tanora ireto ary izany no antony voalohany nahatongavany eto Antsirabe. Fa antony hafa koa amin’ny fahatongavan’izy ireo ny famantarana an’I Madagasikara sy ny kolon-tsaina Malagasy.

Ankoatran’ny asa fanorenana ataon’izy ireo sy manampy ny mpiasa eto an-toerana dia mandray anjara ihany koa izy amin’ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’ny fiarovana ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana toy ny BiblioPousse, ny CinéRue, DanseLaRue na koa ho an’izay maniry ny Maraudes.

Mpianatra sy mpiasa eto an-toerana miara-miasa

Traik’efa ahazoana tombon-tsoa na ara-kasa na araka ny maha-olona

Raha ny salan’isa no jerena dia mizara toy izao ny fotoam-piasan’izy ireo, 30% natokana ho an’ny fandalinana ary 70% ho an’ny fananganana. Tombony ho azy ireo izany satria dia mahafantatra ireo fomba fiasa eto an-toerana amin’ny resaka fananganana fotodrafitr’asa izy ireo izay tsy hitany any amin’ny firenena misy azy.

Efa misy ihany amin’izy ireo no miasa amin’ny fifanomezan-tanana any Frantsa fa traik’efa voalohany ity ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Miteraka fahalalahan’ny toe-tsaina amin’ny fiainan’izy ireo any Frantsa ity fivahinianana ity ho an’ireo zatovo ireo, fahatongavan-tsaina amin’ny fiainan’izy ireo ankapobeny. Nampametra-panontaniana azy ireo ny fiainany any ampita noho ny fahitany kolon-tsaina vaovao.

Fitsidihan-toerana vaovao

Ny fahatongavan’izy ireo tao andrenivohitra no somary nanohina ireo sasantsasany ; fiovan-toerana tanteraka. Ny fahamaroan’ireo mpangataka, ny fahantrana ary ny fahamaizinan’ny toerana no nandona azy ireo, nefa na izany aza dia namafisin’izy ireo fa tsara ny fandraisana na tany Antananarivo na teto Antsirabe. Misy ny fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny Malagasy sy “Vazaha” ary ankafizin’izy ireo ny hetsika misy eto an-toerana.

Tiako ny sakafo eto ary mahafinaritra ireo mponin’Antsirabe, tsara fanahy zareo

Cyriac

Mbola tsy teto Madagasikara mihitsy ireo tovolahy ireo. Nieritreritra izy ireo hoe tsy dia hangatsiaka loatra ny andro, kanefa ny ririnina eto Antsirabe dia mangatsiaka tokoa tsy araky ny nieritreretan’izy ireo azy. Ho an’ny sasany dia ireo zava-maniry no nahagaga azy, ary tsy noeritreretiny ho maina be ny tany rehefa tsy avy orana.

mélange pour faire le béton Ny tena nanamarika an’i Jérémy izay anisan’ireo hivoaka injeniera atsy ho atsy dia ny fanodinana ireo akora efa avy nampiasaina, fomba iray ahafahana miaro ny tontolo iainana sy ny olana misy eo amin’ny fanjifana izay adino tanteraka any Frantsa saingy efa miverina tsikelikely izany.

Mitsidika ny tanana izy ireo rehefa faran’ny herinandro, efa nitsidika an’i Tritriva izy ireo izay toerana mampalaza an’Antsirabe ary koa nanamboatra antsy izay notefen’izy ireo ihany tany amin’ny toerana fanefena vy eto an-toerana. Mikasa ny mbola hitsidika ny nosy zy ireo ato anatin’ny volana manaraka.

 

 

Lire aussi :   Fandraisan’ireo ankizin’ny fikambanana tamin’ny hetsika « Danse pour la paix »
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT