Sary : Ny sekoly EPP Ivory talohan’ny fanamboarana sy rehefa vita

Sary : Ny sekoly EPP Ivory talohan’ny fanamboarana sy rehefa vita

Ity tetik’asa fanamboara ity dia niarahana tamin’ny fikambanana SAKAFO. Io fikambanana io dia miara-miasa amin’ny fikambanana Grandir Ailleurs / Grandir à Antsirabe nanomboka ny taona 2011 tamin’ny alalan’ny fizarana sakafo maivana isan’andro ho an’ny mpianatra 1500, izay ahitana mofo sy akondro mba hazotoany mianatra.

Niitatra nakany amin’ny asa fanatsarana efitrano fianarana izany tetik’asa izany tamin’ny taona 2017, izay nahitana :

  • Fandokoana
  • Fanamboarana ireo varavarana simba
  • Fanamboarana ireo dablio rehetra simba
  • Fanoloana ireo solaitrabe miisa 19
  • Fanamboarana ny valin-drihana simba
  • Fanamboarana ireo tafo goaka

Sakafo sy Grandir à Antsirabe dia nahazo tolo-tanana avy amin’ny mpianatra miisa 9, ny salan-taonan’izy ireo dia 19 katramin’ny 21 taona. Ny tanjon’izy ireo : Nanangona vola izay betsaka indrindra tratra mba hanamboarana ny efitranon’ny sekoly Ivory izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asa fampandrosoana ifotony an’ny fikambanana . Ny vola azo dia nitentina 7,8 tapitrisa Ariary.

Ny asa dia nanomboka ny taom-pialan-tsasatra 2017. Ireo mpiasa sy ireo matihanina malagasy dia nampian’ireo mpianatra injeniera 9 hafa avy any amin’ny sekoly CESI Parisy sy tanora mpitsidika avy amin’ny Grandir Aventure izay tonga nifandimby.

Ny tanjona ? Hanatsarana ny seha-pampianarana eny amin’ny sekolim-panjakana mba ahafahan’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana misitraka fanabeazana manara-penitra amin’ny toerana mendrika izany ary mba ahavitany ny fianarana eny amin’ny ambaratonga fototra fa tsy miasa eny amin’ny lalana.

Nanomboka tamin’ny faran’ny volana janoary 2018, ireo mpianatra 1500 sy mpampianatra ao Ivory dia afaka misitraka ireo efitra 19 izay navaozina ahafahana mianatra sy mampianatra tsara. Mendrika tokoa izany ary mankasitraka ireo rehetra nanome tanana tamin’izany !

 ARAHO AN-TSARY : 

Porte et fenêtre avant après

 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin'ny lalana
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Sary : Ny sekoly EPP Ivory talohan’ny fanamboarana sy rehefa vita