IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)
Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.
→ Cliquez ici pour la traduction malagasy
#5. DINGAN’NY FIVAONANA AMIN’NY RAFITRA SOSIALY
Fanarahana ny rafitra sosialy : io fanarahana ny rafitra sosialy io dia « dingana izay lalovan’ny zaza iray handraisany ny zava-misy eo amin’ny fiainana manodidina azy ( sata, ny kolon-tsaina, ny fomba amam-panao sy ny fitondran-tena) ka mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny fiainana ara-tsosialy » eo anivon’ny fianakaviany na ny fireneny.
Fivaonana amin’ny rafitra sosialy : eny amin’ny lalana dia zavatra mifanohitra no mitranga, ireo tondrolalana sy ireo fomba amam-panao fototra dia very tsikelikely, rafitra hafa no manolo izany.
Ireo fiovana ireo dia mifandray amin’ny fomba entina mivelona napetrak’ireo ankizy tonga eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3). Ireo izay miaina eny amin’ny lalana dia tsy maintsy miatrika izany avokoa. Na izany aza dia samy hafa io dingana io eo amin’ny tsirairay, na voamarika kokoa, na haingana kokoa.
Ny hafainganan’io dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialyio dia miankina amin’ny :
- Mombamomba ilay olona amin’izy vao tonga eny amin’ny lalana, izany hoe hatraiza ny fiantraikan’nyzavatra niainany teo aloha.
- Ny fotoana niainana teny amin’ny lalana : arakaraky ny halavan’ny fotoana hijanonana eny amin’ny lalana no manamafy io dingana io ary miha-tsy azoialana.
- Ny toetran’ny tsirairay
BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,…
Fifampizarana nataon’i Marion momba ny biblioPousse natrehany, izy no mitantara eto.
Alakamisy maraina, somary nanjombona ny andro, fa tsy maninona io : tsy mahasakana ny bibliopousse izany. Sady ny toetr’andro eto Antsirabe ange, tsy hitahita toy ny nahatongavan’ireo rahona ireo teo koa no mampiala azy teo e ! (tsy mena-mivadika toa andro ririnina).
Zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anivon’ny fianakaviany
Ankoatry ny misakafo, mitafy, matory am-pilaminana, milalao dia manan-jo hiaina anatina fianakaviana ny ankizy, ny zaza. Araka ny voalaza ao amin’ny « Convention Internationale des droits de l’enfant » (CIDE) dia zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anaty fianakaviana.
Tojo, tanoran’ny « internat » teo aloha, mpahandro miroso makany amin’ny maha matihanina
Tojononiaina, na « Tojo » no anarany. Tanora noraisina tao amin’ny kilasimandry (internat) Grandir à Antsirabe taloha izy. Eto dia mifampizara amintsika ny tantarany izy amin’ity resadresaka ity.
Portrait/ Toky, olon’ny tsiky sy ny hehy
Nanomboka tamin’ny taona 2013 no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe i Toky. Misy an’i Toky avokoa ny toerana rehetra.
Hatrany any birao amin’ny maha mpanampy amin’ny fitantanan-draharaha sy ara-bola azy. Hita miaraka lalandava amin’ny ankizy ihany ko amin’ny maha ekipa mpilatsa an-dalambe amin’ny alina azy (EMA) amin’ny « maraude » sy ny maha tompon’andraikitra ny CinéRue azy. Fiantsoantso sy fiangaviana amin’ireo asa madinidinika hafa ihany koa.
Fivoahana niaraka tany Ranomafana Betafo
Nivoaka kely ny renivohitra Antsirabe indray ny ekipa Grandir à Antsirabe sy ireo ankizy miantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika ny zoma 12 aprily lasa teo. Nifampitaona maraina ny rehetra io andro io handeha hitodi-doha ho any Betafo hilona rano mafana sy hiala voly.
Portrait/ Pamella, mpiandraikitra ny serasera amin’ny lafiny rehetra
Tamin’ny Desambra 2018 izy no nanomboka niasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe. Izy no misahana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola ny fikambanana , misandrahaka amin’ny sehatra maro ny asany : fikarakarana hetsika samihafa, fampivoharana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara – miasa, fametrahana paikadin-tserasera ho fampandrosoana ny asan’ny fikambanana
Portrait/ Noro, olon’ny asa sôsialy
PORTRAIT : I Noro, tompon’andraikitra ny Fandaharanasa ho Fiarovana ny Ankizy Miaina eny an-dalambe (PPER) Grandir à Antsirabe nanomboka ny taona 2015. Mampahafantatra antsika azy izy tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy. Noro, mba lazalazao fohy aminay hoe ny...
Portrait/ Felana, vehivavy mahefa
Toy ny nazava ho azy tato amiko hoe hiasa ho an’ny manodidina ahy aho. Misahana ny ekipa mpilatsaka an-dalambe amin’ny alina ao amin’ny Grandir à Antsirabe hatramin’ny taona 2013 i Felana. Mizara amintsika ny tantarany ary izy amin’ity lahatsoratra ity.
Portrait/ Mamy, tovovavy mpikirakira tarehimarika
Mpiasa tato amin’ny Grandir à Antsirabe nanomboka tamin’ny taona 2017, itantara amintsika ny lalana nizorany sy ny maha mpikirakira tarehimarika azy amintsika i Mamy.
15 Febroary 2019, Varavarana misokatra ho an’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny ankizy eto an-toerana, Grandir à Antsirabe
Nanokatra ny varavarany tamin’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny fiarovana ny ankizy, réseaux sahaza ny Grandir à Antsirabe ny zoma 15 febroary lasa teo.