Teboka famantarana #6

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#6 – FIAINANA ENY AMIN’NY LALANA SY NY FIOVANA EO AMIN’NY FOTOANA?

Ny tondrolalana miova voalohany rehefa tonga eny amin’ny lalana dia ny fotoana. Ny tontolo androntsika dia voamariky ny fotoana hifohazana, hatoriana ary ny fotoana hisakafoanana. Ahafahana miaina amin’io tontolo io, dia miezaka manaraka ny famantarana ny rafitry ny fomba fiaina ny vatana.

Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :

  • Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
  • Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo

Ny fiovan’ireo zavatra hiainana andavanandro ireo dia mahatonga ny fotoana tsy mety tapitra : very ny rafitry ny fotoana, tsy misy intsony ny ankehitriny sy ny ho avy hanamarihana ny fotoana. Mikorontana ny famantarana ny rafitry ny fomba fiaina.

 

Inona no fandraisana an- tanana tokony hatao manoloana izany?

Tena ilaina ny mamerina indray ny rafitry ny fotoana. Hamerenana izany dia efa misy ora mazava napetraka ao amin’ny trano fandraisana vonjimaikan’ny fikambanana : ora fisokafana, ora fisakafoanana, ora fatoriana sy fifohazana ary ora fialana.

 

Teboka famatarana #3

Teboka famatarana #3

Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Mizara ho sokajy 3 ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :
1 – Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory (…)

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT → Asa ifanomezan-tanana 2017 Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga...

Lire aussi :   Zo fototra ho an'ny ankizy ny miaina anivon'ny fianakaviany
Portrait Arsène

Portrait Arsène

Ra tsikiky lava no ahafantarana an’i Arsène. Iray amin’ireo mpanabe ao amin’ny Fandaharanasa momba ny Fiarovana ny Ankizy Miaina eny amin’ny Lalana (PPER) izy hatramin’ny taona 2017.

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

Tonga teto ny volana febroary 2018 i Laura, nanapa-kevitra ny hampiasa ny traikefa azony momba ny serasera izy mba entiny hanampiany ny fikambanana Grandir à Antsirabe mandritra ny taona iray (…)

MG

Teboka famantarana #6