IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)
Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.
#1 – IZA MOA IZY IREO?
Mizara ho sokajy telo ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :
– Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory. Tafasaraka, ampahany na tanteraka, amin’ny fianakaviany.
– Ankizy eny amin’ny lalana : ankizy mitsoaka ary mijanona maharitraritra. Mandalo fotsiny
– Ankizy ao amin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Mody ny hariva. Tsy misy fisarahana amin’ny fianakaviana ary manampy ny fivelomana ao antrano. (NB: misongadina ny fisian’ny ao amin’ny lalana noho ny ankizin’ny lalana. Mbola somary manjavozavo anefa ny fanavahana azy ireo)
Voambolana :
– 1990 : noresahana ny “Ankizy tsy zarizary”
– 2000 : R. Lucchini dia niresaka ny atao hoe “Ankizy miaina eny amin’ny lalana”
– 2011 : ny “Communauté international” dia toy ny nanaiky ny filazana farany “Ankizy miasa na/sy miaina eny amin’ny lalana”
Teboka famantarana #4 : Lalana, tontolon’ny herisetra
IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE) Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998 Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i...
Teboka famatarana #3
Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany
Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT
SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...
Teboka Famantarana #2 : Fa maninona izy ireo no eny amin’ny lalana ?
Ireozava-nitranga nanimba saina ka tsy zaka no mahatonga ny ankizy mitsoaka ny fianakaviany. Mahatsapa izy fa ny fandehanany no manavotra azy (…)
Araho an-tsary ny fananganana ny trano fampiantranoana vonjimaikan’ny fikambanana
Araho an-tsary ny fananganana ny trano fampiantranoana vonjimaikan’ny fikambanana → Asa fampandrosoana ifotony - Asa ifanomezan-tanana 2017 Nanomboka tamin’ny taona 2008, isan-taona, ny fikambanana Grandir à Antsirabe dia mametraka asa fanorenana...
Ireo mpilatsaka antsitra-po mihetsika eto Madagasikara
Ho azy ireo, ny fandraisan’andraikitry ny fikambanana amin’ny fiarovana ny ankizy eny amin’ny lalana dia ahafahany mahazo traik’efa lehibe
Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT
Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT → Asa ifanomezan-tanana 2017 Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga...
Hetsika fanentanana momba ireo ankizy miaina eny amin’ny lalana
Isaky ny fivahinianana Grandir Aventure eto Madagasikara dia misy tapak’andro natokana ho amin’ny fanentanana ireo tanora momba ireo ankizin’ny lalana (…)
Fandaharan’asan’ny Trano fampiantranoana vonjimaika (CHT)
Isan’andro, ny Alatsinainy ka hatramin’ny Sabotsy, ny trano fampiantranoana vonjimaika na ny CHT dia nametraka fandaharan’asa izay sady fampianarana no (…)
Fandraisan’ny ekipa Grandir à Antsirabe anjara amin’ny hazakazaka arahin-tsakana Mandrevo
Ny Zoma 24 jona no notanterahina ny andiany faharoa amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahan-tena Mandrevo, tao Androvakely. Mandrevo izay hetsika (…)














