Teboka famantarana #5

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#5. DINGAN’NY FIVAONANA AMIN’NY RAFITRA SOSIALY

Fanarahana ny rafitra sosialy : io fanarahana ny rafitra sosialy io dia « dingana izay lalovan’ny zaza iray handraisany ny zava-misy eo amin’ny fiainana manodidina azy ( sata, ny kolon-tsaina, ny fomba amam-panao sy ny fitondran-tena) ka mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny fiainana ara-tsosialy » eo anivon’ny fianakaviany na ny fireneny.

Fivaonana amin’ny rafitra sosialy : eny amin’ny lalana dia zavatra mifanohitra no mitranga, ireo tondrolalana sy ireo fomba amam-panao fototra dia very tsikelikely, rafitra hafa no manolo izany.

Ireo fiovana ireo dia mifandray amin’ny fomba entina mivelona napetrak’ireo ankizy tonga eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3). Ireo izay miaina eny amin’ny lalana dia tsy maintsy miatrika izany avokoa. Na izany aza dia samy hafa io dingana io eo amin’ny tsirairay, na voamarika kokoa, na haingana kokoa.

Ny hafainganan’io dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialyio dia miankina amin’ny :

  • Mombamomba ilay olona amin’izy vao tonga eny amin’ny lalana, izany hoe hatraiza ny fiantraikan’nyzavatra niainany teo aloha.
  • Ny fotoana niainana teny amin’ny lalana : arakaraky ny halavan’ny fotoana hijanonana eny amin’ny lalana no manamafy io dingana io ary miha-tsy azoialana.
  • Ny toetran’ny tsirairay
Teboka famatarana #3

Teboka famatarana #3

Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Mizara ho sokajy 3 ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :
1 – Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory (…)

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT → Asa ifanomezan-tanana 2017 Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga...

Lire aussi :   "Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina" : fanentanana tao amin'ny CHT
Portrait Arsène

Portrait Arsène

Ra tsikiky lava no ahafantarana an’i Arsène. Iray amin’ireo mpanabe ao amin’ny Fandaharanasa momba ny Fiarovana ny Ankizy Miaina eny amin’ny Lalana (PPER) izy hatramin’ny taona 2017.

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

Tonga teto ny volana febroary 2018 i Laura, nanapa-kevitra ny hampiasa ny traikefa azony momba ny serasera izy mba entiny hanampiany ny fikambanana Grandir à Antsirabe mandritra ny taona iray (…)

MG

Teboka famantarana #5