Teboka famantarana #4 : Lalana, tontolon’ny herisetra

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#4 – LALANA : TONTOLON’NY HERISETRA

Ireo ankizy izay nametraka paik’ady hivelomana eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3) dia miatrika herisetra amin’ny endriny isan-karazany.

Tsy misy fiarovana izy ireo ary tsizarizary manoloana ny tontolon’ny lalana.

Ireo karazana herisetra :

1/ Herisetra amin’ny fitsarana ivelany sy ny fanilihan’ny fiaraha-monina

Ny fitsarana ivelany ny ankizin’ny lalana (tsarain’ny fiaraha-monina hoe ratsy taiza sy maditra) dia avy amin’ny tsy fahalalana ny zavatra iainan’ireo ankizy.

Voailika izy ireo noho ny famaritana izay napetraka taminy.

2/ Herisetra ao anatin’ny vondron’ireo ankizy

Ireo herisetra amin’ny samy ankizy ireo – mahery setra, sinto-mahery, mifanompa na mifamono – dia avy amin’ny alalan’ny fiovan’ny fijeriny ny tenany sy ny fijeriny ny hafa.

Io fiovana io dia fiovana tsy afa-miala amin’ny fiainana eny amin’ny lalana ary tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialy, izay hitantsika ao amin’ny teboka famantarana manaraka.

3/ Herisetra ateraky ny tsy fitoviana

Io endrika herisetra io dia tsy hita ary tsy hay faritanamazava anefa izy no anisan’ny ratsy indrindra ary tena manimba tanteraka rehefa mandeha ny fotoana. Izany dia vokatry ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’nyhafa, ireo izay tsy avy « eny amin’ny lalana ».

4/ Herisetra vokatry ny hery famoretan’ny mpitandro filaminana

Io herisetran’ny mpitandro filaminana io dia miseho amin’ny endriny isan-karazany arakaraky ny firenena.  Teraka avy amin’ny alalan’ny fitsarana ivelany ataon’izy ireoamin’ireo ankizy.

 

Teboka famatarana #3

Teboka famatarana #3

Rehefa tonga eny amin’ny lalana ny ankizy iray dia mametraka paik’ady hivelomany

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

Mizara ho sokajy 3 ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :
1 – Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory (…)

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT

Mpiofana ho injeniera manome tanana amin’ny fananganana ny CHT → Asa ifanomezan-tanana 2017 Tamin’ity taom-pialan-tsasatra ity dia misy mpianatra sivy izay avy amin’ny taona voalohany sy faharoan’ny ivotoeram-piofanana CESI any Nanterre Frantsa sy la Réunion, tonga...

Lire aussi :   Portrait: Ursula "la petite fée des soins" ao amin'ny CHT sy mandritra ny "maraude"
Portrait Arsène

Portrait Arsène

Ra tsikiky lava no ahafantarana an’i Arsène. Iray amin’ireo mpanabe ao amin’ny Fandaharanasa momba ny Fiarovana ny Ankizy Miaina eny amin’ny Lalana (PPER) izy hatramin’ny taona 2017.

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

Tonga teto ny volana febroary 2018 i Laura, nanapa-kevitra ny hampiasa ny traikefa azony momba ny serasera izy mba entiny hanampiany ny fikambanana Grandir à Antsirabe mandritra ny taona iray (…)

MG

Teboka famantarana #4 : Lalana, tontolon’ny herisetra