BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,…

BiblioPousse : vaky boky, fanabeazana, fialam-boly,…

Fifampizarana nataon’i Marion momba ny biblioPousse natrehany, izy no mitantara eto.
Alakamisy maraina, somary nanjombona ny andro, fa tsy maninona io : tsy mahasakana ny bibliopousse izany. Sady ny toetr’andro eto Antsirabe ange, tsy hitahita toy ny nahatongavan’ireo rahona ireo teo koa no mampiala azy teo e ! (tsy mena-mivadika toa andro ririnina).

Zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anivon’ny fianakaviany

Zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anivon’ny fianakaviany

Ankoatry ny misakafo, mitafy, matory am-pilaminana, milalao dia manan-jo hiaina anatina fianakaviana ny ankizy, ny zaza. Araka ny voalaza ao amin’ny « Convention Internationale des droits de l’enfant » (CIDE) dia zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anaty fianakaviana.

Portrait/ Toky, olon’ny tsiky sy ny hehy

Portrait/ Toky, olon’ny tsiky sy ny hehy

Nanomboka tamin’ny taona 2013 no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe i Toky. Misy an’i Toky avokoa ny toerana rehetra.
Hatrany any birao amin’ny maha mpanampy amin’ny fitantanan-draharaha sy ara-bola azy. Hita miaraka lalandava amin’ny ankizy ihany ko amin’ny maha ekipa mpilatsa an-dalambe amin’ny alina azy (EMA) amin’ny « maraude » sy ny maha tompon’andraikitra ny CinéRue azy. Fiantsoantso sy fiangaviana amin’ireo asa madinidinika hafa ihany koa.

Fivoahana niaraka tany Ranomafana Betafo

Fivoahana niaraka tany Ranomafana Betafo

Nivoaka kely ny renivohitra Antsirabe indray ny ekipa Grandir à Antsirabe sy ireo ankizy miantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika ny zoma 12 aprily lasa teo. Nifampitaona maraina ny rehetra io andro io handeha hitodi-doha ho any Betafo hilona rano mafana sy hiala voly.