IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)
Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.
→ Cliquez ici pour la traduction malagasy
#4 – LALANA : TONTOLON’NY HERISETRA
Ireo ankizy izay nametraka paik’ady hivelomana eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3) dia miatrika herisetra amin’ny endriny isan-karazany.
Tsy misy fiarovana izy ireo ary tsizarizary manoloana ny tontolon’ny lalana.
Ireo karazana herisetra :
1/ Herisetra amin’ny fitsarana ivelany sy ny fanilihan’ny fiaraha-monina
Ny fitsarana ivelany ny ankizin’ny lalana (tsarain’ny fiaraha-monina hoe ratsy taiza sy maditra) dia avy amin’ny tsy fahalalana ny zavatra iainan’ireo ankizy.
Voailika izy ireo noho ny famaritana izay napetraka taminy.
2/ Herisetra ao anatin’ny vondron’ireo ankizy
Ireo herisetra amin’ny samy ankizy ireo – mahery setra, sinto-mahery, mifanompa na mifamono – dia avy amin’ny alalan’ny fiovan’ny fijeriny ny tenany sy ny fijeriny ny hafa.
Io fiovana io dia fiovana tsy afa-miala amin’ny fiainana eny amin’ny lalana ary tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialy, izay hitantsika ao amin’ny teboka famantarana manaraka.
3/ Herisetra ateraky ny tsy fitoviana
Io endrika herisetra io dia tsy hita ary tsy hay faritanamazava anefa izy no anisan’ny ratsy indrindra ary tena manimba tanteraka rehefa mandeha ny fotoana. Izany dia vokatry ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’nyhafa, ireo izay tsy avy « eny amin’ny lalana ».
4/ Herisetra vokatry ny hery famoretan’ny mpitandro filaminana
Io herisetran’ny mpitandro filaminana io dia miseho amin’ny endriny isan-karazany arakaraky ny firenena. Teraka avy amin’ny alalan’ny fitsarana ivelany ataon’izy ireoamin’ireo ankizy.
Fivoriam-be voalohan’ny mpikambana ao ami’ny tambazotra OSCAPE
Ny fikambanana grandir à Antsirabe dia nandray anjara tamin’ny lanonam-panokafana nokarakarain’ny tambazotra OSCAPE ho an’ny andiany voalohany amin’ny fivoriam-be hiraisan’ny fikambanana eto Antsirabe. Ny tambazotra izay nosokafana (…)
Bourse aux projets France Volontaires : en 2017, où en sommes-nous ? (FR)
En 2015, Grandir à Antsirabe s'est vu accorder une subvention de 3 112 500 ariary grâce à la Bourse aux Projets France Volontaires, 2ème édition (2015). Alors en 2017, où en sommes-nous ? Retour sur l'évolution de notre programme de Centre d'Hébergement Temporaire de...








