Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

#1 – IZA MOA IZY IREO?

Mizara ho sokajy telo ny ankizin’ny lalana izay ahitana olana samihafa :

Ankizin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Eny no matory. Tafasaraka, ampahany na tanteraka, amin’ny fianakaviany.

Ankizy eny amin’ny lalana : ankizy mitsoaka ary mijanona maharitraritra. Mandalo fotsiny

Ankizy ao amin’ny lalana : miasa na mangataka eny amin’ny lalana mandritry ny tontolo andro. Mody ny hariva. Tsy misy fisarahana amin’ny fianakaviana ary manampy ny fivelomana ao antrano. (NB: misongadina ny fisian’ny ao amin’ny lalana noho ny ankizin’ny lalana. Mbola somary manjavozavo anefa ny fanavahana azy ireo)

Voambolana :
– 1990 : noresahana ny “Ankizy tsy zarizary”
– 2000 : R. Lucchini dia niresaka ny atao hoe “Ankizy miaina eny amin’ny lalana”
– 2011 : ny “Communauté international” dia toy ny nanaiky ny filazana farany “Ankizy miasa na/sy miaina eny amin’ny lalana”

Lire aussi :   LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0
…lasa izao

…lasa izao

…Nihazo ny lalana mankany amin’ny toeram-piompiana Tombontsoa izy ireo. I Njaka izay mpiofana tao amin’ny ekipan’ny PPER, niaraka tamin’ireo mpilatsaka antsitra-po julie sy i Marion ary koa ny mpanabe Arsène no niara-nisalahy nanomana ny tontolo andro tany amin’ny toeram-piompiana (…)

Teboka famantarana #6

Teboka famantarana #6

Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :
– Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
– Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo (…)

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Isaky ny atoandro dia miara-misakafo eo amin’ny tokontanin’ny fikambanana ireo ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ny Rencontre Avec Dago, miara-mankafy ny sakafo matsiro nokarakarain’i Claudine sy i Josiane tam-pitiavana. Ndao hojerena (…)

Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

MG

Teboka Famantarana #1 : Iza moa izy ireo ?