Teboka famantarana #5

IREO ANKIZIN’NY LALANA (LES ENFANTS DE A RUE)

Araka ny traikefan’ny Samu Social International, izay niasa nanomboka tamin’ny taona 1998
Ary koa araka ny fampiofanana teo anivon’ny fikambanana Grandir à Antsirabe, natao tamin’ny taona 2016 niarahana tamin’i Manon, izay mpianatra tao amin’ny DU « Tanora sy ankizin’ny lalana » avy amin’ny SSI ary i Noro, mpandrindra ny Programme de Protection des Enfants des Rues (PPER), Grandir à Antsirabe.

 

→ Cliquez ici pour la traduction malagasy 

 

#5. DINGAN’NY FIVAONANA AMIN’NY RAFITRA SOSIALY

Fanarahana ny rafitra sosialy : io fanarahana ny rafitra sosialy io dia « dingana izay lalovan’ny zaza iray handraisany ny zava-misy eo amin’ny fiainana manodidina azy ( sata, ny kolon-tsaina, ny fomba amam-panao sy ny fitondran-tena) ka mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny fiainana ara-tsosialy » eo anivon’ny fianakaviany na ny fireneny.

Fivaonana amin’ny rafitra sosialy : eny amin’ny lalana dia zavatra mifanohitra no mitranga, ireo tondrolalana sy ireo fomba amam-panao fototra dia very tsikelikely, rafitra hafa no manolo izany.

Ireo fiovana ireo dia mifandray amin’ny fomba entina mivelona napetrak’ireo ankizy tonga eny amin’ny lalana (Teboka famantarana faha 3). Ireo izay miaina eny amin’ny lalana dia tsy maintsy miatrika izany avokoa. Na izany aza dia samy hafa io dingana io eo amin’ny tsirairay, na voamarika kokoa, na haingana kokoa.

Ny hafainganan’io dingan’ny fivaonana amin’ny rafitra sosialyio dia miankina amin’ny :

  • Mombamomba ilay olona amin’izy vao tonga eny amin’ny lalana, izany hoe hatraiza ny fiantraikan’nyzavatra niainany teo aloha.
  • Ny fotoana niainana teny amin’ny lalana : arakaraky ny halavan’ny fotoana hijanonana eny amin’ny lalana no manamafy io dingana io ary miha-tsy azoialana.
  • Ny toetran’ny tsirairay
Lire aussi :   Portrait Tsitoha : Talen'ny fikambanana Grandir à Antsirabe
…lasa izao

…lasa izao

…Nihazo ny lalana mankany amin’ny toeram-piompiana Tombontsoa izy ireo. I Njaka izay mpiofana tao amin’ny ekipan’ny PPER, niaraka tamin’ireo mpilatsaka antsitra-po julie sy i Marion ary koa ny mpanabe Arsène no niara-nisalahy nanomana ny tontolo andro tany amin’ny toeram-piompiana (…)

Teboka famantarana #6

Teboka famantarana #6

Eny amin’ny lalana, ny fotoana hatoriana sy hisakafoanana dia tsy voafaritra intsony ,matory na misakafo rehefa afaka manao izany, noho izany :
– Ny fotoana hatoriana dia miova arakaraky ny filaminana eny amin’ny fiainan’ny lalana
– Ny fotoana hisakafoanana dia miovaova, miankina amin’ny fahitana sakafo (…)

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Isaky ny atoandro dia miara-misakafo eo amin’ny tokontanin’ny fikambanana ireo ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ny Rencontre Avec Dago, miara-mankafy ny sakafo matsiro nokarakarain’i Claudine sy i Josiane tam-pitiavana. Ndao hojerena (…)

Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

MG

Teboka famantarana #5