Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin'ny Mahazatra : vakansy

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo  ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Haingana fa maika ôôô …

Voa maraina dita efa vonombonona ery ireto ankizy, natao haingana ireo raharaha tokony ho vitana : manadio trano, mansa vilia sns. Tamin’ny 8ora sy sasany teo ho eo vita ny kenokenona rehetra, miandry ny fahatongavan’ny zoky rehetra amin’izay!

Mailaka ery ny rehetra nitaona ireo entana nakao anaty fiara: zava-maneno sy fitaovana hanaovana kilalao, maika maika fa efa te ho tonga.

Tonga ny tamin’ny 9 maraina, nanainga ny fiara. Kotaba sy orakoraka ery tao anaty fiara teny an-dalana : andeha hilomano eee!! hoy ny antsoantson’izy rehetra.

lomano, lomano foana, lomano hatrany!

Avy hatrany dia lomano ary ny nanombohana ny fitsangatsanganana. Nesorina ny mavesatra rehetra dia napetaka ny ankanjo fitondra milomano. Dia hafaliana foana ny mijoboka anaty rano e (mafana rahateo). Toy ny tamin’ny volana aprily lasa teo ihany “ganagana mahita rano”, tsy ankiala fa roso foana! Nahazo aina daholo na ny kely na ny lehibe.

Nisy fisotroana ranom-boakazo sy fizarana mofo mamy kely vetivety teo amin’ny tamin’ny 11 teo dia niverina tanaty rano indray:”ndaho indray zalaha ahhhh!”

Nandritra ny tapak’andro maraina manontolo dia tsy nahatsiaro noana mihintsy ireto ankizy. Ho an’ireo efa mahay milomano, izay maro tokoa, dia mampianatra ireo zandry mbola votsavotsa. Taratry ny fahaizana miaraka miasa.

Inona indray ny tohiny…

Sakafo atoandro anio : petit pois sy soasisy, lasary voatabia, tsindrin-tsakafo akondro. Nazotoa homana avokoa aloha ny rehetra tsy lainga e, na ireny lomano 4 ora be ireny fotsiny aza. Nipetraka ambony latabatra tsara avokoa, nahazo toerana tsara.

 

Rehefa vita ny sakafo atoandro teo an-toerana ihany, dia raikitra indray ny dihy sy ny deboka aponga.

Anjaran’ny mpanbe  teto ny nandihy, ny ankizy kosa mitehaka sy mihira. Sady fanitsanana kely ihany koa fa sao manevika eny am-pilalaovana.

Nindrana tokontany malalaka tao amindry Masera Fille de Marie Auxiliatrice Betafo ny tolak’andro fa hilalao. Notsinjarana mazava ny kilalao rehetra, izay efa nomanin’ny ekipa rehetra ny omaly.

Dia nilalao koa!

  • Kilalao voalohany : mampianatra ireo ankizy hanana fifantohana

Tsipy anneaux : nasaina nanimpy anneaux 5 ao anaty tavohangy ny vondrona tsirairay avy ; mila atao tafiditra ao anatin’ny lohana tavohangy avy ireo anneau, raha mahatafiditra anneau iray izy ireo dia mahazo isa iray raha maha tafiditra azy dimy dia mahazo isa 5.

  • Kilalao faharoa : Mampianatra ireo ankizy hiray hina

Chasse au trésor biscuits : ankizy iray ao anaty ny tarika no mitady ilay biscuit ka tapenana ny masony dia ankizy hafa no manondro izay tokony aleha makany amin’ilay « harena miafina ». Arakaraka ny isan’ny biscuit hita no  isan’ny naoty azo,  ao anatin’ny fotoana voafetra anefa. Hita fa tena misy miray hina ireo ankizy ka nahazo biscuit be dia be.

  • Kilalao fahatelo : nianatra nanisa

famenona isa tsy mitovy: misy isa 1 hatramin’ny 10 milahatra eo, nakorotana ny filaharany ka anjaran’ny ankizy no mamerina sy mandridra izany, no sady mameno izay isa tsy eo. Izay mahavita ihany moa mahazo isa.

  • Kilalao fahaefatra: manampy ny ankizy hananana fahavitrihana sy hahay hanaraka ireo fitsipika efa napetraka.

Tatitra kanety eo ambony sotro : nasaina nilahatra ny vondrona roa ka izay mahatatitra ilay kanety eo ambony sotro na izay mahatonga lavitra indrindra no mahazo isa. Tsy azo kitihina amin’ny tanana ilay sotro fa taterina amin’ny vava ka raha latsaka ilay kanety eo amboniny dia miverina any  amin’ny voalohany indray. Mila mahay mitandrina be izay tsy izy!

  • Kilalao fahadimy: fampianarana azy ireo hiombina sy hiara-hiasa

Dessin collectif : ity ny lalao farany natao, misy sary telo eo amin’ny taratasy fotsy iray, sary masoandro dia kitana ary sary fo, ireo sary ireo  no  nasaina naverin’ireo ekipa tsirairay, amin’ny alalana stylo iray ihany no anaovana ilay sary fa misy tady dimy izay manetsika ilay stylo ahafahana manoratra aminy. Mila mahay maka tahaka tsara ireo ankizy raha te ahazo isa. Nisy tarika iray tena navita nitovy taim’ilay modely ka nahazo isa 5/5.

Nisy avy eo ny fizarana ireo marim-pakasitrahana MARO ho an’ireo nahazo naoty ambony indrindra. Samy nahazo loka  avokoa moa ny ekipa rehetra teto.

Namaranana ny tontolo andro dia nisy ady baolina kitra nifanandrinan’ireo ankizy sy ny mpanabe rehetra.

Nalalaka tsara moa ny kianja ka afaka nilalao am-palalahana, tena nafinaritra tokoa NY FIARAHANA, tena FALY IREO ankizy ary tena afampo ny fandraisany anjara ; tsy nisy ny fisalasalana tamin’ireo hetsika maro.

Tonga ary ny tamin’ny 5ora hariva, efa nanomakomana ny fodiana, samy efa reradreraka, mozika malefaka no nadravahana ny  fodihana.

Nigadona teto amin’ny Grandir à Antsirabe tamin’ny 6 hariva, samy namonjy ny fodiany avy ny mpanabe ary ireo  ankizy  kosa nody tao amin’ny Centre d’Hébergement Tomporaire

Feno tokoa iny tontolo andro iny sady nahafinaritra aoka izany, mankasitraka ny ankizy sy ekipa rehetra!

Dia hoy aho hoe : ny masoandro nody no nampalahelo

Lire aussi :   Portrait/ Nandrianina : ilay mpisolo vava ny ankizin'ny lalana
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Hetsika ara-panatanjahan-tena, baolina kitra io : Alefa CHT!

Tretrika anie izao miaraka amin’ny “maillot” miloko volom-parasy ny andaniny, maitso kosa ny ankilany. Mahavariana sy mahatsikaiky ny mahita azy ireo miara-mirona manenjika ny baolina any amin’izay hitarihan’ny iray azy.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA