par Pamella | 16 10 2019 | FIHETSIKETSEHANA
Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.
par Pamella | 11 09 2019 | FIHETSIKETSEHANA
Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊
par Pamella | 17 07 2019 | FIHETSIKETSEHANA
Efa retsika teto kosa ny akon’ny seho tao amin’ny B’Art Haingo sy ny ny tao amin’ny Alliance française tamin’ny taona lasa e ? Dia indro indray ary ny ambangovangon’ny seho andiany faha-4 : tao amin’ny efitrano lehiben’ny kolejy la Providence, ny sabotsy 6 jolay lasa teo. Tolak’andro tao anaty mozika mafana arahana deboka aponga miredona, ravahana dihy mirindra, niarahana tamin’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT.
par Pamella | 17 04 2019 | Equipe, FIHETSIKETSEHANA
Nivoaka kely ny renivohitra Antsirabe indray ny ekipa Grandir à Antsirabe sy ireo ankizy miantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika ny zoma 12 aprily lasa teo. Nifampitaona maraina ny rehetra io andro io handeha hitodi-doha ho any Betafo hilona rano mafana sy hiala voly.
par Pamella | 1 03 2019 | FIHETSIKETSEHANA, Hetsika sy fanentanana
Nanokatra ny varavarany tamin’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny fiarovana ny ankizy, réseaux sahaza ny Grandir à Antsirabe ny zoma 15 febroary lasa teo.
par Pamella | 8 01 2019 | Equipe, FIHETSIKETSEHANA
Ary raha somary hitondra kely anao hiverina any amin’ny 2018 fotsiny amin’ity lahatsoratra ity? Tamin’ny 20 desambra, vory lanina nifety ny noely niaraka ny ankizy rehetra ao amin’ny trano fandraisana vonjimaika sy ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe manontolo ! andro tsara aoka izany teny anivon’ny tontolo, tsiahy fohy mahakasika iny tontolo andro nahafinaritra iny.